2010–2019
Ny Fisoronana—fanomezam-pahasoavana masina
Aprily 2015


13:15

Ny Fisoronana—fanomezam-pahasoavana masina

Isika tsirairay dia samy nanankinana ny iray amin’ireo fanomezam-pahasoavana sarobidy indrindra izay nomena ny zanak’olombelona hatrizay.

Anisan’ny fahatsiarovana niavaka indrindra ho ahy ny fanatrehana fivorian’ny fisoronana raha vao notendrena ho diakona aho ka nihira nandritra ny hira fanombohana hoe: Que tous les fils de Dieu, dotés de la prêtrise.”1 Anio hariva, ho an’ireo rehetra izay miangona eto amin’ity Ivontoeran’ny Fihaonambe ity, ary raha ny marina, manerana izao tontolo izao, no hamerenako ny fanahin’izany hira miavaka izany ka hilazako aminareo hoe: Avia, ianareo zanakalahin’ Andriamanitra rehetra izay nandray ny fisoronana, andeha isika hisaintsaina ny antsontsika, andeha isika handinika an’ireo andraikitsika, andeha isika hamariparitra ny adidintsika, ary andeha isika hanaraka an’i Jesoa Kristy Tompontsika. Na dia mety ho samy hafa aza isika eo amin’ny taona na eo amin’ny fombafomba, na eo amin’ny fiaviana, dia atambatry ny antsontsika ao amin’ny fisoronana ho iray ihany.

Ho antsika tsirairay avy, dia tena manan-danja tokoa ny namerenan’i Jaona mpanao Batisa ny Fisoronana Aharôna tamin’i Oliver Cowdery sy Joseph Smith. Tahaka izany koa, dia zava-nitranga ankamamiana ny namerenan’i Petera sy i Jakôba ary i Jaona ny Fisoronana Melkizedeka tamin’i Joseph sy i Oliver.

Andeha isika handray amim-pahamatorana kokoa ireo antso sy andraikitra ary ireo adidy izay mifandraika amin’ny fisoronana hazonintsika.

Nahatsapa andraikitra goavana aho rehefa nantsoina ho mpitantsoratra tao amin’ny kôlejin’ny diakona nisy ahy. Nomaniko tamim-pitandremana ireo firaketana izay notazoniko, satria tiako ny hanao izay tsara indrindra fantatro amin’ny fomba hanatanterahana izany antso izany. Nahazo hafaliana be aho tamin’ny asako. Ny fanaovana ny zavatra rehetra azoko atao araka izay tsara indrindra vitako no tanjoko hatrany tamin’izay antso rehetra nananako hatrizay.

Manantena aho fa ny zatovolahy tsirairay izay notendrena ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia omena fampahalalana ara-panahy mikasika ny maha-masina izany antso nanendrena azy izany, ary koa ny tombontsoa hilofo amin’izany. Nahazo tombontsoa tahaka izany aho fony aho diakona, raha niangavy ahy ny episkôpà hitondra ny fanasana masina ho an’ny olona iray marary ao am-pandriana izay nipetraka 1 km sy sasany miala ny trano fiangonanay. Tamin’io Alahady maraina niavaka io aho, rehefa nandondona teo am-baravaran’ny Rahalahy Wright, ka naheno ny feony mangovitra niteny hoe: “Mandrosoa ô,” dia tsy hoe ny tranokeliny tsotsotra fotsiny no nidirako, fa efitrano heniky ny Fanahin’ny Tompo. Nanatona ny fandrian’ny Rahalahy Wright aho ary napetrako moramora teo imolony ilay tapa-mofo. Avy eo dia natolotro ny kaopin-drano mba hahafahany misotro. Rehefa handeha aho dia hitako nanganohano ny masony raha niteny izy hoe, “Hitahy anao anie Andriamanitra ry zanako.” Ary notahian’ Andriamanitra tokoa aho—lasa nankasitraka ireo tandindona masin’ny fanasan’ny Tompo sy ny fisoronana izay nohazoniko.

Tsy misy diakona na mpampianatra na mpisorona avy tao amin’ny paroasinay ka hanadino ireo fitsidihana mendrika ho tsaroana nataonay tany Clarkston, Utah, nitsidihanay ny toerana nilevenan’i Martin Harris, iray tamin’ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa nanodidina ilay tsangam-bato avo vita tamin’ny granita izay manamarika ny fasany izahay, ka novakin’ny iray tamin’ireo mpitarika ny kôlejy taminay ireo teny mahery vaika tao amin’ “Ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo,” izay hita ao amin’ny fiandohan’ny Bokin’i Môrmôna, dia nitombo ny fitiavanay an’io rakitsoratra masina io sy ireo fahamarinana ao anatiny.

Nandritra ireny taona ireny dia ny ho tonga tahaka ireo zanakalahin’i Môsià no tanjonay. Raha ny momba azy ireo dia voalaza fa:

“Nihanahery tamin’ny fahalalana ny marina izy ireo; fa izy ireo dia olon’ny fahalalana tsy misy tomika ary efa nodinihiny tamim-pahazotoana tokoa ny soratra masina hahazoany mahalala ny tenin’ Andriamanitra.

“Nefa tsy izay ihany; efa nanokan-tena ho amin’ny fivavahana fatratra sy ny fifadian-kanina izy ireo; noho izany dia nananany ny fanahin’ ny faminaniana sy ny fanahin’ ny fanambarana, ary rehefa nampianatra izy ireo dia nampianatra tamin’ ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra.”2

Tsy mahita tanjona mendrika kokoa tokony hananan’ny zatovolahy iray aho, ankoatra ny hoe mba ho faritana hoe mitovy amin’ireo zanakalahin’i Môsià izay mahery fo sy marina.

Rehefa nanakaiky ny tsingerintaonako faha 18 ka niomana hiroso amin’ny fanompoam-pirenena tao amin’ny tafika izay notakina tamin’ireo tovolahy nandritra ny Ady Lehibe Faha II, dia naroso aho mba handray ny Fisoronana Melkizedeka, kanefa mialohan’izany dia nila niantso ny filohan’ny tsatòkako aho, dia i Paul C. Child, mba hanao dinidinika. Olona tia sy nahatakatra ny soratra masina izy, ary tiany ihany koa ny olona hafa rehetra raha mba hitia sy hahatakatra ny soratra masina tsy misy hafa amin’izany. Koa satria aho efa nahare tamin’ireo namako sasany mikasika ireo dinidinika lalina sy hatramin’ny antsipiriany fanaony, dia niriko ny mba tsy hahitana loatra hoe hatraiza ny mba fahalalako soratra masina. Koa rehefa niantso azy aho dia nandroso hevitra ny hihaona aminy ny Alahady aorian’io, amin’ny fotoana izay fantatro tsara hoe adiny iray monja mialohan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo izay hatrehany.

Hoy ny valinteniny: “Ô ry Rahalahy Monson, tsy ho ampy hahafahantsika mandalina soratra masina izany fotoana izany.” Avy teo izy dia nanolotra fotoana izay adiny telo mialohan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo, ary nanome torolalana ahy izy ny mba hitondrako ny boky soratra masina izay fampiasako manokana misy voalokoloko sy tenin’ny soratra masina mifandray.

Rehefa tonga tany an-tranony aho ny Alahady, dia noraisiny tsara, ka dia nanomboka ny dinidinika. Hoy ny filoha Child: “Rahalahy Monson, mihazona ny Fisoronana Aharôna ianao. Moa ve efa nisy anjely nanompo anao?” Namaly aho hoe tsy mbola nisy. Rehefa nanontany izy raha toa aho mahafantatra fa zoko ny mahazo izany, dia mbola namaly ihany aho hoe tsy nahafantatra izany aho.

Nanoro ahy izy hoe: “Rahalahy Monson, avereno tsy an-kijery hoe ny fizarana faha 13 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.”

Nanomboka aho nanao hoe: “Ianareo ry mpiara-manompo amiko, amin’ny anaran’ny Mesia no tolorako ny Fisoronan’i Aharôna, izay mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely —”

“Ajanony,” hoy ny Filoha Child. Avy eo, tamin’ny feo tony feno hatsaram-panahy no nanorony ahy nanao hoe: “Rahalahy Monson, aza adino mihitsy fa amin’ny maha-mpihazona fisoronana Aharôna anao dia zonao ny ho tompoin’ny anjely.”

Toy ny hoe nisy anjely mihitsy tao anatin’ilay efitrano tamin’io andro io. Tsy adinoko mihitsy io dinidinika io. Mbola tsapako foana ny fanahin’io fotoana manokana io rehefa niara-namaky ireo andraikitra sy adidy ary fitahian’ny Fisoronana Aharôna sy Fisoronana Melkizedeka izahay—fitahiana izay tonga tsy amintsika fotsiny ihany fa amin’ny fianakaviantsika ihany koa sy amin’ireo hafa izay voninahitra ho antsika ny hanana fahafahana hanompo azy.

Notendrena ho loholona aho, ary tamin’ny andro niaingako hanatanteraka ny fanompoam-pirenena tao amin’ny tafika an-dranomasina dia nisy mpikambana iray tao amin’ny episkôpà niaraka tamin’ny fianakaviako sy ireo namako nanatitra ahy tany amin’ny gara mba hanao veloma ahy. Rehefa handeha hanainga iny ny fiaran-dalamby dia napetrany teo an-tanako ny boky iray mitondra ny lohateny hoe Boky Torolalana ho an’ny misiônera. Nihomehy aho sady nanamarika fa tsy handeha hanao asa fitoriana aho tsy akory.

Hoy izy namaly, “Raiso ihany ity na dia izany aza. Mety misy hilanao azy.”

Tena nisy nilako azy tokoa. Nila zavatra mafimafy mahitsy zoro aho ho apetrako eo amin’ny fanambanin’ny kitapoko fitondra an-dranomasina mba hahatonga ny akanjoko hihenjana kokoa ka tsy hiforiporitra loatra. Ilay Boky Torolalana ho an’ny misiônera mihitsy no tena nilaiko, ary nety tamin’ilay kitapoko nandritra ny 12 herinandro.

Ny alina nialohan’ny fialan-tsasatry ny Noely dia nitopy tany an-trano ny eritreritray. Nangingina ireo kazerina, kanjo nokotabain’ilay namana mpiray efitra tamiko izany fahanginana izany—tovolahy Môrmôna iray, Leland Merrill—izay nanomboka nitaraina noho ny fanaintainana. Nanontaniako azy ny antony izany, ary nilaza izy fa tena narary mafy saingy tsy te ho any amin’ny tobim-pahasalamana tao amin’ny toby, satria fantany fa raha manao izany izy dia tsy hahazo lalana hody ny ampitson’io.

Toa niharasty hatrany ny fahasalamany rehefa nandeha ny ora. Nony farany, noho ny fahafantarany fa loholona aho, dia nangataka ahy izy mba hanome tsodranon’ny fisoronana ho azy.

Tsy mbola nanome tsodranon’ny fisoronana mihitsy aho tany aloha, ary sady tsy mbola nandray tsodrano, no tsy mbola nanatri-maso fanomezana tsodrano. Raha nivavaka mangina aho mba hahazo fanampiana, dia tsaroako ilay Boky Torolalana ho an’ny misiônera tao amin’ny fanambanin’ny kitapoko. Navoakako haingana ny zavatra rehetra tao anatin’ny kitapoko ary nampanatoniko teo amin’ny jiro ilay boky. Tao no namakiako ny fomba fitsofan-drano ny marary. Ka dia nataoko ilay tsodrano, teo imason’ireo tantsambo maro liana te hijery. Mbola tsy voampiditro tao anatin’ny kitapoko akory ny entako rehetra, dia efa natory toy ny zazakely i Leland Merrill. Rehefa nifoha izy ny ampitso maraina dia nahatsiaro ho salama tsara. Tena lehibe aoka izany ny fankasitrahana tsapanay tsirairay noho ny herin’ny fisoronana.

Nandritra ireo taona maro nodiaviko dia maro loatra ireo fahafahana nananako hitsofan-drano ireo izay nila izany ka tsy ho voaisako. Tamin’ireny fotoana tsirairay ireny dia feno fankasitrahana lalina aho fa nanankinan’ Andriamanitra an’io fanomezam-pahasoavana masina io. Hajaiko fatratra ny fisoronana. Nanatri-maso ny herin’izany aho ombieny ombieny. Hitako ny tanjany. Nahatalanjona ahy ireo fahagagana nentiny.

Ry rahalahy, isika tsirairay dia samy nanankinana ny iray amin’ireo fanomezam-pahasoavana sarobidy indrindra izay nomena ny zanak’olombelona hatrizay. Raha manaja ny fisoronana nomena antsika isika, ka manana fiainana izay ahafahantsika ho mendrika amin’ny fotoana rehetra, dia hitobaka amin’ny alalantsika ireo fitahiana entin’ny fisoronana. Tiako ireo teny hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha 121, ny andininy faha 45, izay milaza amintsika ny tokony hataontsika mba ho mendrika: “Aoka ny kibonao … ho feno fiantrana ny olon-drehetra, sy ny mpianakavin’ny finoana, ary aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy; dia hiha-mahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra; ary ny fotopampianaran’ny fisoronana dia hitsika ao amin’ny fanahinao toy ny ando avy any an-danitra.”

Amin’ny maha-mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra antsika, dia mirotsaka ao amin’ny asan’i Jesoa Kristy Tompo isika. Namaly ny antsony isika. Eo am-panaovana ny asany isika. Andeha isika hianatra Aminy. Andeha isika hanara-dia Azy. Andeha isika hiaina araka ny torolalany. Raha manao izany isika, dia ho vonona tsara hanatanteraka na inona na inona asa fanompoana asainy ataontsika. Asany ity. Fiangonany ity. Marina tokoa fa Izy no kapitenintsika, ilay Mpanjakan’ny Voninahitra, dia ilay Zanak’ Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy ary izany dia ataoko amin’ny anarany masina, dia ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Que tous les fils de Dieu, dotés de la prêtrise,” Cantiques, no. 204.

  2. Almà 17:2–3.