Testamenta Vaovao 2023
Mampiasa ny “Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy”


“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy,,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy

Inona avy no tanjon’ny fivorian’ny kilasy sy ny kôlejy misy antsika?

Nanome fitokisana masina anao ny Tompo: Niantso anao mba hanompo ao amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy na ny fiadidian’ny kôlejin’ny fisoronana Aharôna Izy. Isan’ny andraikitrao ny mitarika ny fivorian’ny kilasy na ny kôlejy misy anao rehefa alahady. Mba hanaovana izany dia manampy ny fahatakarana ny antony anaovantsika ireo fivoriana ireo.

Ny fivorian’ny kilasin’ny Zatovovavy sy ny kôlejin’ny fisoronana Aharôna dia tsy mitovy amin’ny fivorian’ireo kilasy ao amin’ny Fiangonana toy ny Sekoly Alahady na ny seminera. Mandritra ireo fivorian’ny kilasy na ny kôlejy dia mianatra mikasika ny asa izay nomen’ Andriamanitra antsika isika, ary mandrindra ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy antsika mba hanao izany asa izany any an-tokantranontsika, any am-piangonana, ary any amin’ny fiarahamonina misy antsika. Amin’ireo fivoriana ireo dia tsy miresaka momba ilay asa fotsiny isika—manomana drafitra hanatanterahana ny anjara asantsika amin’ny maha-ampahany amin’ny andia-miaramila tanoran’ny Tompo antsika isika, ao anatin’izany ny fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Sary
zatovovavy ao an-dakilasy

Manao drafitra isika ao amin’ny fivorian’ny kilasy na ny kôlejy mba hanatanterahana ny anjara asantsika amin’ny maha-andia-miaramila tanoran’ny Tompo antsika.

Ity fanantitranterana atao momba ny asa ity dia tsy midika hoe Sekoly Alahady ihany no iresahantsika mikasika ny fotopampianarana. Raha ny marina dia tena ilaina ny mianatra fotopampianarana ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy sy ny fivorian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna — izany dia manampy antsika hanamafy ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy, hahatakatra ny drafitry ny Ray any An-danitra ary handray anjara amin’ny asan’Izy ireo. Rehefa miara-mianatra ny filazantsara isika dia afaka manova ny fontsika ireo fahamarinana ianarantsika ary manampy antsika hahafantatra ny fomba hanaovan-javatra manahaka kokoa izay ho nataon’i Kristy. Afaka mandray bitsiky ny Fanahy mikasika ny fomba hitomboana “saina sy tena sady [h]androso fitia [a]min’ Andriamanitra sy ny olona” isika (Lioka 2:52). Rehefa lasa miova fo kokoa ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika dia hahita fifaliana sy hahatsapa faniriana hanampy ny hafa eo amin’ny làlan’ny fanekempihavanana.

Iza no mitarika ireo fivoriana ireo?

Niantso anao ho fiadidian’ny kilasy sy ny kôlejy Andriamanitra ary nanome anao fahefana hitarika. Izany no antony mahatonga ny fivorian’ny kilasy na ny kôlejy misy anareo tsirairay ho tokony hotarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na ny kôlejy misy anareo. Tokony hanome fitarihana sy fanohanana ny olon-dehibe mpitarika, saingy tsy tokony hisolo toerana anao izy ireo. Jereo ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Miaraha mifanakalo hevitra” eo amin’ny fiantombohan’ny rindran-damina tsirairay ao amin’ity loharanom-pitaovana ity mba hahitana hevitra hanampiana anareo hahafantatra ny fomba hitarihana fivoriana iray sy hanatontosana ny tanjona marina ananan’izany. Ampiasao ny fivorian’ny fiadidiana mba hanaovana drafitra mikasika ny fomba hitarihanao ireo fivoriana isaky ny alahady ireo.

Iza no tokony hampianatra ny lesona?

Ny olon-dehibe mpitarika, na ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy, na ny mpikambana hafa rehetra ao amin’ny kôlejy na ny kilasy dia afaka mampianatra ny lesona. Mifandiniha amin’ny olon-dehibe mpitarika ianareo ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na ny kôlejy mba hahalalana izay olona tokony homena andraikitra hampianatra ny lesona. Tsarovy fa ireo olon-dehibe mpitarika anareo dia manana zavatra betsaka hatolotra. Katsaho ny hianatra avy amin’ny traikefa sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Misy tombontsoa koa azo avy amin’ny fangatahana ny zatovo mba hampianatra. Ny mampianatra dia mety hanampy hampiorim-paka ny fiovam-pon’izy ireo sy hanampy azy ireo hanorina fifandraisana mafy orina kokoa amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny kilasy na ny kôlejy. Noho izany dia omeo fahafahana araka izay mety izy ireo mba hampianatra ny lesona rehetra na ny ampahany amin’izany, sady mieritreritra ihany ny zavatra ilaina sy fahaiza-manaon’ny olona ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao. Ohatra, ny olon-dehibe mpitarika dia mety hampianatra matetika kokoa ao amina kilasy na kôlejy misy zatovo zandriny kokoa na misy zatovo izay tsy dia manana traikefa amin’ny fampianarana ny filazantsara. Rehefa asaina hampianatra ny zatovo dia tokony hisy ray aman-dreny na olon-dehibe mpanoro hevitra hanampy azy ireo hiomana araka izay ilaina.

Ireo izay nomena andraikitra hampianatra dia afaka mampiasa ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ampianaro ny fotopampianarana” ao amin’ny rindran-damina tsirairay ato amin’ity loharanom-pitaovana ity mba hanampy azy ireo hiomana. Io fizarana io dia mirakitra sosokevitra enti-mampianatra sy mifanakalo hevitra mikasika ny fotopampianarana ho an’izany herinandro izany, saingy tsy tokony hahatsapa ho tsy afaka manao zavatra hafa ankoatra ireo sosokevitra ireo fotsiny ny mpampianatra. Araka izay hitarihan’ny Fanahy, ny mpampianatra dia afaka mampifanaraka ireo hevitra ireo na mampiasa ny hevitr’izy ireo manokana mba hampianarana amin’ny fomba izay mety indrindra mba hanomezana ireo zavatra ilain’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy ary hanampiana azy ireo hahatakatra sy hampihatra ny fotopampianarana.

Inona no lohahevitra ara-potopampianarana horesahantsika ao amin’ny fivoriantsika?

Ny lohahevitry ny rindran-damina isan-kerinandro dia fitsipika ara-potopampianarana izay nofidina mba hifanaraka amin’ny famakiana ny Testamenta Vaovao izay nasaina hatao ho an’izany herinandro izany, ary hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Amin’izany fomba izany, ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fotopampianarana ao amin’ny fivorian’ny kilasy na ny kôlejy dia hanohana ny zavatra izay ianaran’ny zatovo any an-tokantrano.

Na dia tokony hampianarina mandritra ny alahady voatokana aza ireo rindran-damina, dia mbola manana safidy hiresaka lohahevitra ara-potopampianarana hafa mifototra amin’ny zavatra ilain’ny kilasy na ny kôlejy misy anao ianao.

Ity boky ity dia ahitana ireo rindran-damina ho an’ny herinandro tsirairay rehefa misy fivorian’ny kilasin’ny Zatovovavy sy ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Indraindray dia mety mila mandingana lesona iray noho ny fihaonamben’ny tsatòka na antony hafa ianao.

Inona no anjara asan’ireo olon-dehibe mpitarika ao amintsika?

Ireo olon-dehibe mpitarika anareo dia mitana andraikitra lehibe ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy sy ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Hitari-dalana sy hanome torohevitra anareo amin’ireo antsonareo amin’ny maha-mpitarika anareo izy ireo. Izy ireo dia hanohana sy hankahery anareo rehefa manao ny asan’ny kilasy na ny kôlejy misy anareo ianareo. Hampianatra fotopampianarana anareo sy hitahy anareo amin’ny alalan’ny ohatra asehon’izy ireo sy ny traikefa ananan’izy ireo ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany izy ireo.

Hamoaka printy