Testamenta Vaovao 2023
8 janoary. Ahoana no ahafahako mitahy ny hafa amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy? Matio 1; Lioka 1


“8 janoary. Ahoana no ahafahako mitahy ny hafa amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy? Matio 1; Lioka 1,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“8 janoary. Ahoana no ahafahako mitahy ny hafa amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
According to Thy Word (Araka ny teninao), nataon’i Elspeth Young

Nizara fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny asa nanirahana ny Mpamonjy i Maria (jereo ny Lioka 1:46–55). According to Thy Word (Araka ny teninao), nataon’i Elspeth Young

8 janoary

Ahoana no ahafahako mitahy ny hafa amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy?

Matio 1; Lioka 1

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona no noresahintsika farany, ary inona no fanasana natao na andraikitra nomena? Inona no nataontsika mba hamaliana ireo fanasana ireo na hanatanterahana ireo andraikitra nomena ireo?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Inona no azontsika atao na lazaina mba hanampiana ireo izay mety hahatsiaro ho irery na lavitra ny Ray any An-danitra?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika manampy ny hafa hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no hevitra azontsika ifampizarana mba hanampiana amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviantsika?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Tahaka ny ankamaroan’ireo nahatoky tamin’ny androny dia azo antoka fa naniry mafy ny fiavian’ilay Mesia i Maria. Rehefa avy nampahafantarin’ny anjely iray izy fa efa akaiky ho tapitra ny fiandrasana, ary izy no ho renin’ilay Mpanavotra nampanantenaina, dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ilay “Andriamanitra Mpamonjy ahy” i Maria. Io fijoroana ho vavolombelona io dia voarakitra ao amin’ny Lioka 1:46–55 ary ankamamian’ireo Kristianina manerana izao tontolo izao. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia eritrereto ireo olona ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao. Tahaka an’i Maria, izy ireo dia miomana ho amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy, ary amin’ity indray mitoraka ity dia ilay Fiaviany Fanindroany be voninahitra. Ary tahaka an’i Maria ihany koa dia afaka mitondra fiantraikany mahery vaika amin’ny finoan’ireo manodidina azy ireo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

Inona no tsapan’ireo olona ampianarinao momba an’i Jesoa Kristy? Mitahy ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba Azy? Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia afaka mandalina ihany koa ny 2 Nefia 25:23–26 sy ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen hoe “Miresaka an’i Kristy isika” (Liahona, nôv 2022, 88–91).

Miaraha mianatra

Fomba iray tena tsara hanampiana ny zatovo handinika ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy ny famakafakana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Maria ao amin’ny Lioka 1:46–55. Azon’izy ireo atao tsara ny mifampizara ireo andian-teny izay manoritsoritra ny zavatra ninoan’i Maria sy tsapany momba ny Mpamonjy. Inona amin’ireo andian-teny ireo ihany koa no manoritra ny zavatra tsapantsika momba Azy? Ohatra, inona no mahatonga ny fanahintsika ho “ravoravo amin’ Andriamanitra”? (andininy 47). Inona no “zavatra lehibe” nataony ho antsika? (andininy 49). Tamin’ny fomba ahoana no nanehoany ny heriny teo amin’ny fiainantsika? (jereo ny andininy 51). Ireto hevitra ana sahanasa manaraka ireto dia mety hitarika fifanakalozan-kevitra momba ny fomba ahafahan’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Kristy mitahy ny hafa.

  • Ny hafatra ny Loholona Neil L. Andersen hoe “Miresaka an’i Kristy isika” dia manampy amin’ny fanazavana ny antony tokony hiresahantsika ampahibemaso kokoa momba ny Mpamonjy, sy ny fomba ahafahantsika manao izany. Azonareo vakina miaraka ireo fizarana ao amin’ilay hafatry ny Loholona Andersen. Azon’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy atao ny mifanakalo hevitra momba ireo antony nomeny hizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananansika momba an’i Jesoa Kristy sy ny toroheviny momba ny fomba hanaovana izany. Inona ny zavatra manokana azontsika atao mba hiresahana ampahibemaso kokoa momba an’i Kristy?

  • Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia mahafantatra fahamarinana manan-danja momba an’i Jesoa Kristy izay azontsika zaraina isika. Ahoana no azonao hanampiana ny zatovo hieritreritra momba ireo fahamarinana ireo? Azonao angatahana izy ireo mba handalina manokana na ao anatina vondrona ny “Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly” ary hitady ny valin’ny fanontaniana hoe “Fahamarinana inona momba ny Mpamonjy no manana lanjany manokana amiko?” Asao izy ireo hizara ireo fahamarinana hitany sy hanazava ny antony mahatonga ireo fahamarinana ireo ho manan-danja manokana aminy. Afaka mizara soratra masina sy zavatra niainany manokana izy ireo rehefa manao izany. Avy eo izy ireo dia afaka mifanakalo hevitra momba ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy izay azon’izy ireo zaraina eny amin’ny tambajotran-tserasera, na amin’ny namana iray izay sahirana amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona, na amin’ny olona iray izay tsy mpikambana ato amin’ny Fiangonantsika.

  • Ankoatra ny Lioka 1:46–55 dia ahitana andinin-tsoratra masina maro hafa izay afaka manentana ny fanahintsika hizara ny zavatra fantatsika momba an’i Jesoa Kristy ny soratra masina. Misy ohatra vitsivitsy voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Hevero ny hamaky miaraka ireo andinin-tsoratra masina ireo. Inona no ampianarin’izy ireo antsika momba ny fomba hizarana amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy? Inona ihany koa no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo? Afaka mizara ihany koa ny zavatra nianarany avy amin’ny olona fantany izay nizara maimaim-poana ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy.

Sary
zatovovavy mandalina soratra masina

Rehefa mianatra mahafantatra sy mitia ny Mpamonjy isika dia mahita fomba hizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba Azy.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny fametrahana fanontaniana izay mamporisika ny mpianatra mba hijoro ho vavolombelona dia afaka ny ho fomba iray mahery vaika hanasana ny Fanahy. Azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ny hoe “Ahoana no nahafantaranao fa nanao sorona hanonerana ny fahotanao i Jesoa Kristy?” na “Ahoana no nahatonga anao nankasitraka ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika tao Getsemane?”

Hamoaka printy