Testamenta Vaovao 2023
22 janoary. Ahoana no maha-fahazavana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainako? Jaona 1


“22 janoary. Ahoana no maha-fahazavana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainako? Jaona 1,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“22 janoary. Ahoana no maha-fahazavana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainako?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao, nataon’i Simon Dewey

Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao, nataon’i Simon Dewey

22 janoary

Ahoana no maha-fahazavana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainako?

Jaona 1

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanatanterahana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona avy no zavatra niainana tato ho ato izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no mila ny fanampiantsika sy ny vavaka ataontsika? Mahatsapa ho entanim-panahy hanao inona isika mba hanampiana azy ireo?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika ho tonga fahazavana ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana na namana izay tsy mitovy finoana amintsika?

  • Fampitambarana ny fianakaviana ho mandrakizay. Ahoana no ahafahantsika maneho fitiavana sy fanohanana bebe kokoa ho an’ny fianakaviantsika ary manatsara ny ao an-tokantranontsika?

Ataovy araka izay mety any amin’ny fiafaran’ny lesona izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Nanomboka ny filazantsarany tamin’ny fampitahana an’i Jesoa Kristy tamin’ny fahazavana izay “mamirapiratra ao amin’ny maizina” (Jaona 1:5) ny Apôstôly Jaona. Mihalehibe ao anatin’ny fotoan’ny fahamaizinana ara-panahy ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao. Fa izany ihany koa dia fotoana maha-eo ny “fahazava[na] mahagaga” an’ny Mpamonjy mba hanampy azy ireo hahatakatra mazava tsara sy hahita ny lalany (1 Petera 2:9).

Rehefa mamaky ny Jaona 1 ianao amin’ity herinandro ity dia saintsaino ny maha-tena zava-dehibe ny fahazavana sy ny fomba maha-fahazavana ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao. Ahoana no ahafahan’ny fahazavany mitahy ireo izay ampianarinao? Ahoana no ahafahanao mitaona azy ireo handeha ao amin’ny fahazavany? Mba hanampiana anao hisaintsaina ireo fanontaniana ireo dia azonao halalinina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:5–13, 67; 93:2–9 sy ny hafatra nozarain’ny Rahavavy Sharon Eubank hoe “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina” (Liahona, mey 2019, 73–76).

Miaraha mianatra

Manampy matetika ny manomboka ny fifanakalozanareo hevitra amin’ny fanomezana fahafahana ny kilasy na ny kôlejy hiresaka momba ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ny fandalinany soratra masina. Ohatra, azonao atao amin’ity herinandro ity ny mangataka azy ireo hizara teny na andian-teny avy ao amin’ny Jaona 1:1–17 izay mampianatra azy ireo zavatra mikasika ny Mpamonjy. Avelao izy ireo hiresaka momba ny antony nisafidianany an’ireo teny na andian-teny ireo sy ny zavatra ampianarin’izany azy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Zarao amin’izy ireo ny maha-fahazavana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao. Afaka manampy anareo hanohy ny fifanakalozan-kevitra ataonareo ireto sahanasa eto ambany ireto.

  • Mba hanampiana ireo izay ampianarinao hankasitraka ny fahazavan’ny Mpamonjy dia mety angamba ny hizaran’ny mpikambana iray ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hoe manao ahoana izany ao anaty haizina izany. Misy tantara iray mety afaka hanampy any amin’ny fiantombohan’ny hafatry ny Loholona Timothy J. Dyches hoe “Ny Fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana”, (Liahona, mey 2021, 112–15). Nahoana ny olona indraindray no matahotra haizina? Nahoana isika no mila fahazavana? Nahoana i Jesoa Kristy no antsoina hoe fahazavan’izao tontolo izao? Azonao atao ny mangataka ny zatovo handalina ny hafatry ny Loholona Dyches manomboka eo amin’ny hoe “Mba te handroso hevitra aho hoe, izao angamba no fotoana hanontaniana tena hoe.” Azon’izy ireo atao ny mitady ny zavatra azontsika atao mba hitondrana feno kokoa ny fahazavan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika.

  • Ireo soratra masina voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” dia afaka manampy ny kilasy na ny kôlejy misy anao hahatakatra misimisy ilay fahazavana atolotr’i Jesoa Kristy. Azonareo vakina sy hifanakalozana hevitra miaraka ao an-dakilasy ny vitsivitsy amin’ireo andian-tsoratra masina voalohany. Avy eo dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ahoana no ahafahatsika mitondra ny fahazavan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika? Ary asao ny zatovo hanao lisitra ny valinteny hitan’izy ireo ao amin’ireo andian-tsoratra masina faharoa. Azonao ampiarahana tsiroaroa ireo zatovo dia asao izy ireo hifampizara ny fomba naha-fahazavana an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Hoy Rahavavy Sharon Eubank hoe: “Iray amin’ireo zavatra fototra ilaintsika ananana indrindra mba hitomboana ny mifandray amin’i Jesoa Kristy—ilay loharanon’ny fahazavantsika” (“I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina,” 73). Azonao atao ny maneho izany amin’ny alalan’ny lesona iray ampiasan-javatra, angamba amin’ny alalan’ny fampisehoana lampe de poche na fitaovana finday iray ary mifanakalo hevitra mikasika ny antony maha-manan-danja ny loharanon-kerin’izany. Avy eo ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy dia afaka mamerina mijery ny hafatry ny Rahavavy Eubank, ary mitady ireo fomba hiezahan’i Satana “hanapaka ny vatsin-kerinara[tsika].” Ahoana no hihazonantsika fifandraisana mafy orina amin’i Jesoa Kristy? Inona no torohevitra hitantsika ao amin’ny hafatry ny Rahavavy Eubank?

  • Ireo hira ao amin’ny fihirana toy ny “Christ est ma lumière” sy ny “Brillante étoile, étoile du matin” (Cantiques, nos. 50, 52) dia mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no fahazavantsika. Hevero ny hiara-hihira ireo hira ireo (na hafa izay fantatrareo) sy ny hamantatra ireo teny na andian-teny mampianatra antsika ny maha-fahazavana an’i Jesoa Kristy. Ahoana no nitondran’ny hafa ny fahazavan’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainanareo? Ahoana no ahafahantsika mizara ny hazavany amin’ny hafa?

Sary
A Gift of Light (Fanomezana hazavana), nataon’i Eva Timothy

A Gift of Light (fanomezana fahazavana), nataon’i Eva Timothy

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Rehefa mandinika tsara ny zavatra miseho eo amin’ny fiainan’ireo olona ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao ianao dia hahita fotoana tena tsara ampianarana. Ireo fanamarihana ataon’ny mpianatra na ireo fanontaniana apetrany dia afaka miteraka fotoana azo ampianarana.

Hamoaka printy