Avia, hanaraka Ahy 2024
Tovana E: Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy—Fandaharam-potoana ho an’ny fivoriana


“Tovana E: Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy—Fandaharam-potoana ho an’ny fivoriana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“Tovana E,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024

Tovana E

Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy—Fandaharam-potoana ho an’ny fivoriana

Daty hanaovana ny fivoriana:

Mpitarika ny fivoriana (mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na ny fiadidian’ny kôlejy):

Fanokafana

Fihirana (tsy voatery asiana):

Vavaka:

Avereno ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna.

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ilay olona mitarika ny fivoriana, ny kilasy na ny kôlejy dia manokana 5 hatramin’ny 10 minitra hiarahana mifanakalo hevitra momba ny andraikitr’izy ireo eo amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana. Fahafahana ho an’ny fiadidian’ny kilasy na ny an’ny kôlejy izany mba hanaraha-maso ny fanatontosana ireo zavatra noresahina nandritra ny fivorian’ny fiadidiana na ny fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy.

Afaka mampiasa ny iray amin’ireto fanontaniana ireto na mihoatra izany koa ilay olona mitarika:

Miaina ny filazantsara

  • Inona ny zavatra niainana vao haingana izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

  • Inona no ataontsika mba hanakaikezana kokoa ny Mpamonjy? Ahoana no hiezahantsika hitovy kokoa Aminy?

  • Ahoana no nahatsapantsika ny fitarihan’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika?

Mikarakara ireo izay sahirana

  • Iza no olona tsapantsika fa nahazoantsika fitarihana mba hampiana na hotompoina? Inona ny andraikitra nomena antsika avy amin’ny episkôpà mba hanampiana olona sahirana?

  • Ahoana no ahafahantsika mifanampy eo amin’ireo zavatra lalovantsika?

  • Nisy olona nifindra nankao amin’ny paroasintsika ve na niditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana tato ho ato? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hahatsapa ho voaray tsara?

Manasa ny rehetra handray ny filazantsara

  • Inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra?

  • Inona avy no fiaraha-mientana hatao atsy ho atsy ka azontsika hanasana ireo namantsika hanatrika?

  • Inona no drafitra hizarana ny filazantsara noresahina nandritra ny fivoriana filankevitry ny zatovon’ny paroasy? Ahoana no ahafahan’ny kilasy na ny kôlejy misy antsika mandray anjara?

Mampitambatra ireo fianakaviana ho mandrakizay

  • Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika mifandray tsara kokoa amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana, tafiditra ao anatin’izany ny raibe sy renibe sy ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreny?

  • Inona no ataontsika mba hahitana ny anaran’ireo razambentsika izay mila ôrdônansin’ny tempoly? Inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa hahita ny anaran’ny razambeny?

  • Ahoana no ahafahantsika mandray anjara kokoa amin’ny asa atao any amin’ny tempoly, na isika tsirairay avy na isika rehetra ao amin’ny kilasy na kôlejy?

Miaraha mianatra

Olon-dehibe mpitarika iray na mpikambana iray ao amin’ny kôlejy na ny kilasy no mitarika ny fampianarana momba ny zavatra tokony hovakina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ity herinandro ity. Mampiasa ny torohevitra momba ny fandalinana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana izy. Ny torohevitra momba ny fandalinana misy ity mari-pamantarana ity dia mifanaraka amin’ny seminera ary tena mifanentana amin’ny zatovo indrindra indrindra. Na izany aza dia azo ampiasaina ny torohevitra momba ny fandalinana rehetra na inona izany na inona. Ity ampahany amin’ny fivoriana manontolo ity dia maharitra eo amin’ny 35 ka hatramin’ny 40 minitra eo.

Famaranana:

Ilay olona mitarika ny fivoriana dia:

  • Mijoro ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Miresaka mikasika ny fomba handraisan’ny kilasy na ny kôlejy andraikitra mikasika ny zavatra nianarany, na miaraka na isam-batan’olona.

Vavaka:

Hamoaka printy