Avia, hanaraka Ahy 2024
Tovana D: Ho an’ny Kilonga—Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo


“Tovana D: Ho an’ny Kilonga—Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“Tovana D,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024

Sary
ankizy sy mpampianatra mihira

Tovana D

Ho an’ny Kilonga: Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ny hiran’ny Kilonga dia fitaovana mahery vaika mba hanampiana ny ankizy hianatra momba ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra sy ireo fahamarinana fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa mihira momba ireo fitsipiky ny filazantsara ny ankizy dia hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany ny Fanahy Masina. Hijanona ao an-tsaina sy ao am-pon’ireo ankizy ny tonony sy ny feony mandritra ny fiainany.

Katsaho ny fanampian’ny Fanahy rehefa miomana hampianatra ny filazantsara amin’ny alalan’ny mozika ianao. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana izay hirainao. Ampio ireo ankizy hahita ny fomba ifandraisan’ny mozika amin’ny zavatra izay ianaran’izy ireo sy iainan’izy ireo any an-tokantrano sy ao amin’ny kilasin’ny Kilonga.

Torolalana ho an’ny Fampisehoana mandritra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo

Ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo izay tarihin’ny eveka dia tanterahina mandritra ny telo volana farany amin’ny taona raha ny tokony ho izy. Amin’ny maha-fiadidian’ny Kilonga sy mpampianatra hira anareo dia miaraha miasa amin’ny mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà izay miahy ny Kilonga mba hanomana ny fampisehoana.

Tokony hanome fahafahana ny ankizy hampiseho ny zavatra nianarany sy ny fianakaviany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna tany an-tokantrano sy tao amin’ny Kilonga ilay fampisehoana, tafiditra ao anatin’izany ireo hira ao amin’ny Kilonga izay nohirain’izy ireo nandritra ny taona. Rehefa manomana ilay fampisehoana ianao dia eritrereto ireo fomba azon’izany hanampiana ireo mpiangona hifantoka amin’ny Mpamonjy sy ny fampianarany.

Ireo rantsana izay vitsy ankizy dia afaka mieritreritra fomba handraisan’ny fianakaviana anjara miaraka amin’ny zanany. Afaka mamarana ny fotoana amin’ny fandraisana fitenenana fohy ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.

Rehefa manomana ny fampisehoana ianao dia tsarovy ireto torolalana manaraka ireto:

  • Tsy tokony handany fotoana ao amin’ny kilasin’ny Kilonga na any amin’ny fianakaviana ny famerenana.

  • Ny fampiasana fitaovana jeren’ny maso, ny fanaovana fitafiana hanovana ny bika aman-tarehy, ary ny fampiasana horonam-peo na horonan-tsary dia tsy azo atao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany12.2.1.2.

Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana

5 minitra (fiadidian’ny Kilonga): Vavaka fanokafana, soratra masina na fanekem-pinoana, ary lahateny iray

20 minitra (mpampianatra hira): Fotoam-pihirana

Ny Fiadidian’ny Kilonga sy ny mpampianatra hira dia misafidy hira ho an’ny volana tsirairay mba hanamafisana ireo fitsipika izay ianaran’ny ankizy ao amin’ny kilasiny sy any an-tranony. Misy lisitr’ireo hira izay manamafy ireo fitsipika ireo tafiditra ao anatin’ity torolalana ity.

Rehefa mampianatra hira ireo ankizy ianao dia asao izy ireo hizara ny zavatra izay efa nianarany momba ireo tantara sy fitsipika ara-potopampianarana ampianarin’ireo hira ireo. Asao ireo ankizy mba hizara ny eritreritra sy ny fahatsapana ananan’izy ireo momba ireo fahamarinana hita ao anatin’ireo hira.

Ny Bokin-kiran’ny ankizy dia loharano fototra ho an’ny hira ao amin’ny Kilonga. Ireo hira avy ao amin’ny boky fihirana sy ireo hira nalaina tao amin’ny Namana dia mety amin’izany koa. Tsy maintsy ahazoana lalana avy amin’ny episkôpà ny fampiasana ny hira hafa rehetra ao amin’ny Kilonga (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany12.3.4).

Sary
ankizy mihira

Hira mandritra ny fotoam-pihirana

Janoary

Febroary

Martsa

Aprily

Mey

Jona

Jolay

Aogositra

  • Pour sonder tes Écritures,” Cantiques, no. 163

  • Notre foyer ici-bas,” Cantiques, no. 188

Septambra

Ôktôbra

Nôvambra

  • Sahia manao izay tsara,” Bokin-kiran’ny ankizy, 80

  • Oui, je crois en Christ”, Cantiques, no. 71

Desambra

Mampiasa hira mba hampianarana fotopampianarana

Ny fotoam-pihirana dia natao hanampy ny ankizy hianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara. Ireto hevitra manaraka ireto dia mety hanome aingam-panahy anao rehefa manao drafitra ny amin’ny fomba hampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara hita ao amin’ireo fihirana sy ireo hiran’ny Kilonga ianao.

Mamakia soratra masina mifandray. Ho an’ny ankamaroan’ireo hira ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy sy ny boky fihirana dia omena ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina mifandray. Ampio ireo ankizy hamaky ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ary hiresaka momba ny fomba ifandraisan’ireo soratra masina ireo amin’ilay hira. Afaka manao lisitrana andinin-tsoratra masina vitsy eny amin’ny solaitrabe ianao dia asao ny ankizy hampifandray ny andinin-tsoratra masina tsirairay amin’ny hira iray na andininy iray avy amin’ny fihirana iray.

Fenoy ny banga. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny andininy iray amin’ilay hira ka esory ireo teny manan-danja. Avy eo dia asao ireo ankizy mba hihira ilay hira, sady hihaino ireo teny izay mameno ireo banga. Eo am-pamenoan’izy ireo ny banga tsirairay dia mifanakaloza hevitra momba ireo fitsipiky ny filazantsara izay ianaranareo avy amin’ireo teny tsy ampy.

Sary
Mpitarika ny fotoam-pihirana

Mizarà fijoroana ho vavolombelona. Mizarà fijoroana ho vavolombelona fohifohy amin’ny ankizy mikasika ireo fahamarinan’ny filazantsara hita ao amin’ireo hiran’ny Kilonga. Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny fihirana dia fomba iray ahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelona sy mahatsapa ny Fanahy.

Mijoroa ho vavolombelona. Asao ireo ankizy hifandimby hijoro ary hizara ny zavatra ianarany avy amin’ny hira izay hirainy na ny zavatra tsapany momba ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ilay hira. Anontanio azy ireo ny fahatsapana ananan’izy ireo rehefa mihira ilay hira ary ampio izy ireo hahafantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Mampiasà sary. Angataho ireo mpianatra mba hanampy anao hitady na hanao sary izay mifandray amin’ireo teny na andian-teny manan-danja ao amin’ilay hira. Asao izy ireo hizara ny fomba ifandraisan’ilay sary amin’ilay hira sy ny zavatra ampianarin’ilay hira. Asao ireo ankizy hanangona ireo sary ary hihazona izany araka ny filaharan’izany marina rehefa miaraka mihira ilay hira ianareo.

Mizarà lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana. Afaka mampiasa zavatra azo tsapain-tanana ianao mba hitarihana fifanakalozan-kevitra mombana hira iray. Ohatra, ilay hira hoe “Finoana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 50–51) dia miresaka voa kely iray. Afaka mampiseho voa iray amin’ireo ankizy ianao ary miresaka momba ny hoe amin’ny fomba ahoana isika no maneho finoana rehefa mamboly voa iray, afaka mitarika fifanakalozan-kevitra momba ny fomba anehoantsika finoana an’i Jesoa Kristy izany, araka ny voafaritra ao amin’ilay hira.

Entano ny fizarana zavatra niainana manokana. Ampio ireo ankizy hampifandray ireo fitsipika ampianarina ao amin’ilay hira amin’ireo zavatra niainan’izy ireo momba ireo fitsipika ireo. Ohatra, mialoha ny hihirana ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99), dia azonao asaina manangana ny tanany ireo ankizy raha toa ka efa nahita tempoly izy ireo. Asao izy ireo eo am-pihirana mba hieritreritra ny fahatsapana ananan’izy ireo rehefa mahita tempoly.

Mametraha fanontaniana. Maro ireo fanontaniana azonao apetraka rehefa mihira ianareo. Ohatra, azonao anontaniana ireo ankizy hoe inona no zavatra nianarany avy amin’ny andininy tsirairay amin’ilay hira. Azonao angatahina ihany koa izy ireo mba hieritreritra ireo fanontaniana izay voavalin’ilay hira. Afaka mitarika fifanakalozan-kevitra iray momba ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ilay hira izany.

Mampiasà fihetsika tsotra atao amin’ny tanana. Asao ireo ankizy hieritreritra fihetsika tsotra atao amin’ny tanana mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ny tononkira sy ny hafatra ampitain’ny hira iray. Ohatra, rehefa mihira ny andininy faharoa amin’ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra”, (Bokin-kiran’ny ankizy, 16–17) ianareo dia azonao atao ny manasa ireo ankizy mba hanondro ny masony, hanao tahaka ny lolo, ary hametraka ny tanany aorian’ny sofiny. Angataho izy ireo mba hametraka ny tanany eo amin’ny fon’izy ireo rehefa mihira ny hoe, “no ahitako fa tia ahy ny Ray.”

Hamoaka printy