Avia, hanaraka Ahy
20–26 janoary. 1 Nefia 11–15: “Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra”


“20–26 janoary. 1 Nefia 11–15: ‘Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“20–26 janoary. 1 Nefia 11–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
olona mihinana amin’ny voan’ny hazon’aina

Mihoatra ny hamamiana rehetra, nataon’i Miguel Angel González Romero

20–26 janoary

1 Nefia 11–15

“Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra”

Afaka mahita ny tenanao ao amin’ny 1 Nefia 1–15 ve ianao? Inona ireo andinin-tsoratra masina manan-danja indrindra aminao sy ny fianakavianao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Rehefa manana asa goavana hampanaovina ny mpaminany Andriamanitra dia matetika no omeny fahitana goavana izany mpaminany izany mba hanampiana azy hahatakatra ny tanjon’ Andriamanitra ho an’ireo zanany. Nahita fahitana momba “ity tany ity sy ny mponiny, ary koa ireo lanitra” i Mosesy (Mosesy 1:36). Hitan’ny Apôstôly Jaona ny tantaran’izao tontolo izao sy ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany (jereo ny bokin’ny Apokalipsy). Nahita ny Ray sy ny Zanaka i Joseph Smith (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:17–18). I Lehia dia nahita fahitana iray izay maneho ny dia tsy maintsy ataontsika mankamin’ny Mpamonjy sy ny fitiavany.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Nefia 11–14, i Nefia dia nahita ny fanompoan’ny Mpamonjy, sy ny hoavin’ny taranak’i Lehia eo amin’ny tany nampanantenaina, ary ny fiafaran’ny asan’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Nanampy an’i Nefia hiomana ho amin’ny asa niandry azy io fahitana io ary izany koa dia afaka manomana anao, satria Andriamanitra dia manana asa mba ho ataonao ao amin’ny fanjakany. Ianao dia anisan’ny “olomasin’ny fiangonan’ny Zanakondry” izay hitan’i Nefia, “izay naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany; ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe” (1 Nefia 14:14).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

1 Nefia 11

Naniraka an’i Jesoa Kristy Andriamanitra ho fanehoany ny fitiavany.

Ho fanampiana an’i Nefia hahatakatra ny dikan’ilay hazo izay hitan’ny rainy dia nasehon’ny anjely iray azy “ny Zanakondrin’ Andriamanitra, eny dia ny Zanaky ny Ray Mandrakizay” (1 Nefia 11:21). Nahatonga an’i Nefia hanatsoaka hevitra izany fa ilay hazon’aina dia maneho ny fitiavan’ Andriamanitra. Kanefa tsy mbola tapitra akory ilay fahitana. Rehefa mamaky sy misaintsaina ny 1 Nefia 11 ianao, dia inona no hitanao fa manampy anao hahatakatra ny antony mahatonga an’i Jesoa Krisy ho ny fanehoana faratampony ny fitiavan’ Andriamanitra?

Mba hianarana momba ireo tandindona hafa ao amin’ny nofin’i Lehia, dia jereo ny 1 Nefia 11:35–36; 12:16–18; ary ny 15:21–30.

Jereo koa ny Jaona 4:16.

1 Nefia 12–13

Nanomana lalana ho an’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Tompo.

Tsy hahita firy amin’ny zavatra izay hitany tao amin’ny fahitany i Nefia mandritra ny fahavelomany. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’i Nefia ny nahafantatra ireo zavatra ireo? Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahafantatra ireo zavatra ireo? Mety azonao apetraka io fanontaniana io isaky ny mamaky momba ny zavatra hitan’i Nefia tao amin’ny fahitany ianao.

Indreto ny sasantsasany tamin’ireo tranga hitan’i Nefia: ny hoavin’ny olony (jereo ny toko 12), ny fanjanahana an’i Amerika sy ny Revôlisiôna Amerikana (jereo ny toko 13:12–19), sy ny Apôstazia Lehibe (jereo ny toko 13:20–29), ary ny Famerenena amin’ny laoniny ny filazantsara (jereo ny toko 13:32–42).

1 Nefia 13:1–9; 14:9–11

Inona ilay “fiangonana makadiry sy maharikoriko” hitan’i Nefia?

Nanazava ny Loholona Dallin H. Oaks fa ilay “fiangonana makadiry sy maharikoriko” fariparitan’i Nefia dia maneho “izay rehetra mety ho tsangan-kevitr’olombelona na fikambanana ka manohitra ny finoana an’ Andriamanitra. Ary ny -fahababoana- izay katsahan’io -fiangonana- io hitondrana ny olomasina dia tsy ho fangejana ara-batana loatra mihoatra amin’ny fahababoana entin’ny hevi-diso” (“Stand as Witnesses of God,” Ensign, mar. 2015, 32)

1 Nefia 13:12

Iza ilay olona iray hitan’i Nefia izay “nidina[n’ny Fanahy] ka niasa[ny]” mba handeha “[h]itety rano maro”?

Nahita i Nefia fa ny Fanahy Masina dia nitaona an’i Christophe Colomb mba hanao ilay fiondranana an-tsambo fanta-daza nataony nankany Amerika. Tamin’ny 14 martsa 1493 i Colomb dia nanoratra toy izao momba io fiondranana an-tsambo io: “Tsy mba zavatra vitan’ny tenako ireny vokatra lehibe sy mahatalanjona ireny … ; fa ny zavatra izay tsy takatry ny sain’olombelona amin’izao fotsiny dia nomen’ny Fanahin’ Andriamanitra ny olona mety maty satria fomban’ Andriamanitra ny mihaino ny vavak’ireo mpanompony izay mandala ireo fitsipiny eny na dia hatramin’ny fanatontosana izay hita ho tsy azo tanterahina aza” (The Annals of America [Encyclopedia Britannica, Inc., 1976], 1:5).

1 Nefia 13:20–42

Namerina tamin’ny laoniny ireo “zavatra tsotra sy sarobidy” ireo rakitsoratry ny andro farany.

Nahita fahitana i Nefia fa ho “maro ireo zavatra tsotra sy sarobidy nesorina avy tao anati[n’ny]” Baiboly, izay nofariparitany ho “rakitsoratry ny Jiosy” (1 Nefia 13:23, 28). Kanefa izy ihany koa dia nahita fa Andriamanitra dia hamerina amin’ny laoniny ireny zavatra ireny amin’ny alalan’ “ireo boky hafa, dia ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masin’ny andro farany hafa (jereo ny 1 Nefia 13:39–40). Inona no sasantsasany amin’ireo fahamarinana sarobidy izay hanampian’ny Bokin’i Môrmôna antsika mba hahatakarantsika izany tsara kokoa? Niova toy ny ahoana ny fiainanao noho ny namerenana tamin’ny laoniny ireo zavatra tsotra sy sarobidy ireo?

Sary
tahadikan’ny ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny samihafa

Namerina tamin’ny laoniny ireo fahamarinana very nandritra ny Apôstazia ny Bokin’i Môrmôna.

Jereo ihany koa ny “Plain and Precious Truths,” Ensign, mar. 2008, 68–73; Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 60–63.

1 Nefia 15:1–11

Hamaly ahy ny Tompo raha toa aho ka mangataka am-pinoana amin’ny fo malefaka.

Efa mba nahatsapa ho toy ny tsy mba naharay fanambarana ho an’ny tena manokana ve ianao, hoe tsy mba niresaka taminao Andriamanitra? Inona no torohevitra nomen’i Nefia ireo rahalahiny rehefa nanana fahatsapana toy izany izy ireo? Ahoana no hahafahanao mampihatra ny torohevitr’i Nefia eo amin’ny fiainanao ary ahoana ho hahafahanao mampiasa io torohevitra io mba hanampiana ny hafa?

Jereo koa ny Jakôba 4:8; Almà 5:46; 26:21–22.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

1 Nefia 11–14

Rehefa mamaky ireo toko ireo ny fianakavianao dia miatoa indraindray ary mametraha fanontaniana toy ireto: Inona tamin’ny zavatra hitan’i Nefia tao amin’ny fahitany no mety ho nahafaly azy? Inona no mety ho nampalaleho azy? Nahoana?

1 Nefia 13:20–42

Mba hanampiana ireo olona ao amin’ny fianakavianao hahatakatra ny lanjan’ireo fahamarinana “tsotra sy sarobidy” ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia ampitahao amin’ny hafatra iray voasoratra mazava tsara ny hafatra iray mikorontana ny filaharan’ny teny ao anatiny. Inona no antony mety hitiavan’ny Ray any An-danitra ny mba hampianarana mazava tsara ireo fahamarinany? Mety hijoro ho vavolombelona ny amin’ny sasantsany amin’ireo fahamarinana “tsotra sy sarobiby” nianaran’izy ireo avy tamin’ny Bokin’i Môrmôna ireo olona ao amin’ny fianakaviana.

1 Nefia 14:12–15

Nahoana isika no hoe “nampirongoana … ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra” rehefa miaina am-pahamarinana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra?

1 Nefia 15:8–11

Inona ireo zavatra niainana azon’ny fianakavianao zaraina rehefa “nanontany ny Tompo” izy ireo? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Nefia?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mampiasà fitaovana fandalinana. Ireo fanovozan-kevitra eny amban’ny pejy, sy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ary ny fitaovana fandalinana hafa dia mitondra hevi-baovao ao anatin’ny soratra masina. Ohatra, ampian’ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy hahatakatra inona ianao ao amin’ny 1 Nefia 14:20–21?

Sary
Fahitan’i Nefia momba an’i Maria sy i Jesoa zazakely

Fahitan’i Nefia momba an’i Maria , nataon’i James Johnson

Hamoaka printy