Avia, hanaraka Ahy
20–26 janoary. 1 Nefia 11–15: “Nampirongoana … ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra”


“20–26 janoary. 1 Nefia 11–15: -Nampirongoana … ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“20–26 janoary. 1 Nefia 11-15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
vahoaka mihinana ny voankazo avy amin’ilay hazon’aina

Mamy noho ny mamy rehetra, nataon’i Miguel Angel González Romero

20–26 janoary

1 Nefia 11–15

“Nampirongoana … ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra”

Vakio ny 1 Nefia 11–15 ka ataovy ao an-tsaina ireo ankizy ampianarinao, ary raketo izay fahatsapana voarainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mampisehoa sarin’ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina, ary asao ireo ankizy mba hizara ny zavatra tadidin’izy ireo fa nianaran’izy ireo momba io fahitana io tamin’ny herinandro lasa. Anontanio izy ireo raha toa ka nianatra zava-baovao mikasika izany hatramin’izay.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Nefia 11:16–33

Nandefa an’i Jesoa Kristy teto an-tany ny Ray any An-danitra satria tia ahy Izy.

Nahita ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoana nataony tao anatin’ny fahitana iray i Nefia. Saintsaino izay azon’ny ankizy ao amin’ny kilasinao ianarana momba ny Mpamonjy avy ao amin’ny 1 Nefia 11.

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo sary iray izay maneho ny iray amin’ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay voalaza mialoha ao amin’ny 1 Nefia 11:20, 24, 27, 31, ary 33 ny mpianatra tsirairay (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 30, 35, 39, 4257). Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia angataho ny mpianatra mba hanangana ambony ny sary any amin’izy ireo rehefa mandre ny andininy mifanaraka amin’izany izy ireo.

  • Lazao amin’ny ankizy ny sasany amin’ireo zavatra fantatr’i Nefia fa hataon’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainany (jereo ny 1 Nefia 11:16–33), ary asehoy azy ireo ny sarin’ny sasany amin’ireo zava-nitranga ireo (jereo, mba hahitana ohatra, ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 41, 46, 47, 49, 56, 57, 58, 59). Zarao ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao. Mampisehoa sary mba hanampiana ny ankizy hieritreritra fomba ahafahantsika mizara ny fitiavan’ Andriamanitra (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 109, 110, 115).

1 Nefia13:26–29, 35–36, 40

Mampianatra fahamarinana sarobidy ny Bokin’i Môrmôna.

Nahoana ianao no feno fankasitrahana noho ny Bokin’i Môrmôna? Eritrereto ny fomba hizaranao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny Bokin’i Môrmôna amin’ny ankizy.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sary iray eny amin’ny solaitrabe, ary asao ny ankizy hanova na hanaisotra ampahany amin’ilay sary mba hahatonga izany hanana endrika hafa. Ampio izy ireo hahatakatra fa, tahaka io sary io, dia novaina sy nanesorana ny zavatra sasany tao amin’ny Baiboly rehefa nandeha ny fotoana. Vakio ny ampahany amin’ny 1 Nefia 13:40 izay mampianatra ny fomba hanampian’ny Bokin’i Môrmôna (izay nantsoin’i Nefia hoe “ireto rakitsoratra farany ireto”) antsika hahatakatra ireo “zavatra tsotra sy sarobidy” izay very avy tao amin’ny Baiboly.

  • Afeno eran’ny trano ireo sary izay maneho ireo fahamarinana ara-pilazantsara izay nohazavaina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, toy ny batisa, ny fanasan’ny Tompo, ary ny fitsanganana amin’ny maty. Asao ny ankizy hitady ireo sary ireo. Hazavao fa ny Bokin’i Môrmôna dia namerina ireo fahamarinana izay very.

1 Nefia 15:23–25

Manome ahy hery ny tenin’ Andriamanitra.

Ahoana no ahafahanao mampiasa ilay sarin’ny anja-by mba hampianarana ny ankizy momba ny tanjaka sy ny fiarovana avy amin’ny tenin’Andriamanitra ary ny herin’izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sary irain’ny fahitan’i Lehia, tahaka ilay anankiray ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao ny ankizy hitady ilay anja-by ao amin’ilay sary, ary ampio izy ireo mba hahatakatra ny fomba hiarovana antsika rehefa mihazona ny tenin’ Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 15:23–24). Omeo zavatra mitovy amin’ny anja-by ny ankizy mba hazoniny, toy ny fantsona na hazo iray, eo am-pamakianao ny andininy 24. Aiza no ahitantsika ny tenin’ Andriamanitra? Inona no azontsika atao mba hanaovana ny tenin’ Andriamanitra ho ampahan-javatra ao anatin’ny fiainantsika andavanandro?

  • Ampio ny ankizy mba handoko sy hamita ity pejin’ny zavatra atao ho an’ity herinandro ity. Ahoana no fomba “hihazonan[tsika] mafy” ny tenin’ Andriamanitra? (1 Nefia 15:24).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

1 Nefia 11:16–33

Nandefa an’i Jesoa Kristy teto an-tany ny Ray any An-danitra satria tia ahy Izy.

Nahita fahitana iray i Nefia izay nahitany ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika, ary i Jesoa Kristy no ivon’izany fahitana izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hampifandray ireo andininy avy ao amin’ny 1 Nefia 11:16–33 amin’ireo sary izay maneho izay fariparitan’ireo andininy (toy ny 1 Nefia 11:20, 24, 27, 29, 31, 33; jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 30, 35, 38, 39, 4257). Inona no ianaran’ny ankizy momba an’i Kristy avy amin’ireo andininy sy sary ireo?

  • Anontanio ny ankizy hoe nahoana i Jesoa Kristy no manan-danja amin’izy ireo. Iaraho manao ny hira iray momba ny Mpamonjy, toy ny “Il envoya son Fils” (Chants pour les enfants, 129), ary anontanio an’ireo ankizy izay ampianarin’io hira io momba an’i Jesoa. Asao ny ankizy haka fotoana mandritra ny herinandro mba hieritreretana momba an’i Jesoa Kristy sy hizarana ny zavatra niainan’izy ireo amin’ny fotoam-pianarana amin’ny herinandro ambony.

Sary
tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny samy hafa

Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

1 Nefia 13:26–29, 35–36, 40

Mampianatra fahamarinana sarobidy ny Bokin’i Môrmôna.

Inona no fantatry ny ankizy momba ny Apôstazia? Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo fahamarinana izay very nandritra ny Apôstazia?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny 1 Nefia 13:26–29, ary asao ny ankizy hitady izay zavatra mitranga rehefa tsy manana ireo fahamarinana “tsotra sady sarobidy” ao amin’ny filazantsara ny olona. Tamin’ny fomba ahoana no namerenan’ny Tompo ireo fahamarinana izay very? (jereo ny andininy 35–36, 40). Asao ny ankizy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ireo fahamarinana nianaran’izy ireo tao amin’ny Bokin’i Môrmôna, na zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

  • Ampisehoy ilay horonan-tsary “The Book of Mormon—a Book from God” (ChurchofJesusChrist.org) mba hampisehoana ny fiarahan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miasa mba hampianarana fahamarinana. Nahoana no tena manampy ny fananana vavolombelona mihoatra ny iray? Manaova sarina teboka iray eo amin’ny solaitrabe, ary omeo anarana hoe Baiboly izany ary asao ny ankizy tsirairay hanao sarina tsipika mahitsy samihafa izay mandalo eo amin’ilay teboka mba hanehoana fa ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly dia azo adika amin’ny fomba maro rehefa mijoro irery ny Baiboly. Fafao ireo tsipika, ary manaova sarina teboka faharoa nomena ny anarana hoe Bokin’i Môrmôna. Asao ny ankizy iray hanao sarina tsipika mahitsy izay mandalo eo amin’ireo teboka roa mba hampisehoana fa iray ihany ny fomba handikana ny filazantsara rehetra ampiasaina miaraka ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna.

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ny fanekem-pinoana fahavalo.

1 Nefia 15:23–25

Manome ahy ny hery handresena fakam-panahy ny tenin’ Andriamanitra.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny soratra masina? Saintsaino izany fanontaniana izany eo am-pamakianao ny 1 Nefia 15:23–25, ary ampiasao ireto asa atao eto ambany ireto mba hanampiana ireo hevitra avy aminao manokana.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny mpianatra mba hamintina ny fahitana ilay hazon’aina (jereo ny 1 Nefia 811). Inona no nanakana ny vahoaka tsy ho tonga teny amin’ilay hazo? Inona no nanampy azy ireo ho tonga teny amin’izany? Asao ny mpianatra hamaky ny 1 Nefia 15:23–25. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny anja-by ny vahoaka hivoaka ilay zavon’ny haizina? Ahoana no fomba ahafahan’ny famakiana ny tenin’ Andriamanitra manampy antsika handresy ny fakam-panahy sy ny haizina ankehitriny?

  • Tontosao miaraka amin’ny ankizy ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Eo am-panaovan’izy ireo izany, dia asaivo miresaka momba ny sasany amin’ireo fakam-panahy atrehan’ny ankizy izy ireo. Ahoana no ahafahan’izy ireo mahatsiaro ny hihazona ilay anja-by isan’andro? Hirao ny “The Iron Rod” (Hymns, no. 274) mba ho anisan’ity asa atao ity.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hampiseho amin’ny fianakaviany ireo “anja-by” namboarin’izy ireo tao amin’ilay pejin’ny asa atao ary hizara ny fomba ahafahan’izy ireo mihazona ny anja-by amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà zavakanto mba handrisihana ny mpianatra. Rehefa mampianatra tantara iray ao amin’ny soratra masina amin’ny ankizy ianao dia mitadiava fomba hanampiana azy ireo haka sary an-tsaina izany. Afaka mampiasa sary, horonan-tsary, saribakoly taratasy, akanjo, sy ny sisa ianao.

Hamoaka printy