Avia, hanaraka Ahy
30 desambra–05 janoary. Pejin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna: “Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy”


“30 desambra–05 janoary. Pejin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna: —Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“30 desambra–05 janoary. Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020

Sary
ireo takela-bolamena

30 desambra–05 janoary

Pejin’ny teny fanolorana ny Bokin’ i Môrmôna

“Testamenta iray hafa momba an’ i Jesoa Kristy”

Atombohy amin’ny alalan’ny famakiana ireto zavatra manaraka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireto ny fiomananao hampianatra: Pejin-dohateny sy Teny fanolorana; Ny Teny Vavolombelon’ireo Vavolombelona telo, sy ireo Vavolombelona valo, ary ny Ny Fanambaran’ny Mpaminany Joseph Smith; sy ny “Fanazavana fohy momba ny Bokin’i Môrmôna.” Saintsaino ny fomba ahafahanao mamporisika ny ankizy mba hianatra avy amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hizara ireo tantara izay fantany avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny fampiasana ny sary 67–86 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na sary hafa anananao.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna

Afaka manampy ahy hanana finoana an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

Ampio ny ankizy hahita fa ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna dia ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ingao ny Bokin’i Môrmôna iray ary tondroy ny fanampin-dohateny hoe Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy . Avelao ny ankizy hifandimby hiteny hoe: “Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy.” Lazao fohifohy amin’ny ankizy ny fomba nampatanjahan’ny Bokin’i Môrmôna ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

  • Mitantarà tantara iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mampianatra mikasika an’i Jesoa Kristy, toy ny tantaran’i Samoela ilay Lamanita izay naminany mikasika an’i Kristy (jereo ny Helamàna 14–16), ny Mpamonjy nitsodrano ny ankizy (jereo ny 3 Nefia 17), na ny Rahalahin’i Jareda nahita an’i Jesoa Kristy (jereo ny Etera 2–3). Afaka manampy ireo toko avy ao amin’ireo Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (sy ireo horonan-tsary mifanaraka amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Hamafiso amin’ny ankizy ny zavatra ianarantsika mikasika an’i Jesoa avy amin’ireo tantara ireo. Lazao izy ireo fa hianatra zavatra maro mikasika an’i Jesoa Kristy avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity izy ireo.

  • Mihirà hira iray momba ny Bokin’i Môrmôna, toy ny hoe “Dans le Livre de Mormon” (Chants pour les enfants, 62). Avereno hiraina miaraka im-betsaka ilay hira ary avelao ny ankizy hifandimby hihazona sary irain’ny Mpamonjy eo am-pihiranareo.

Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.

Vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna.

Nanazava ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Raha marina ny [Bokin’i Môrmôna], ary ijoroako ho vavolombelona amin’ny fomba manetriketrika fa izany tokoa, dia mpaminany izany i Joseph Smith … , Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonan’ny Tompo eto an-tany ary tafaverina tamin’ny laoniny ny fisoronana masin’ Andriamanitra” (“Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, mey 2017, 86).

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ity fanambarana manaraka nataon’i Joseph Smith ity: Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmona: “Ny Bokin’i Môrmôna [no] vato ifaharan’ny fivavahantsika.” Hazavao fa toy ny hanohanan’ny vato ifaharana miaraka ny andohalambo sisa no hanohanan’ny Bokin’i Môrmôna sy hampatanjahany ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika mikasika ireo zavatra hafa toy ny hoe momba an’i Joseph Smith sy ny filazantsara.

  • Asao ny ray na ny renin’ny iray amin’ireo ankizy mba hizara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Iaraho mamaky amin’ny ankizy ilay fanasana any amin’ny faran’ny Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmona, ary ampio izy ireo mba hilalao an-tsehatra ny zavatra izay azon’izy ireo atao mba hahazoan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenan’izy ireo manokana.

Ny fanambaran’ny Mpaminany Joseph Smith

Ny Bokin’i Môrmôna dia nomena antsika tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra.

Ny tenivavolombelon’i Joseph Smith dia afaka manampy antsika hahatakatra ny tanjona masin’ny Bokin’i Môrmôna.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao fohifohy amin’ny ankizy ny tantaran’ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna araka ny voalaza ao amin’ny “Ny fanambaran’ny Mpaminany Joseph Smith.” Azontsika ampiasaina koa ny “Toko 1: Ny fomba nahazoantsika ny Bokin’i Môrmôna” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 2–4, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Ampio ny ankizy hamerimberina kely ny filalaovana an-tsehatra ilay tantara rehefa mamerina mitantara izany ianao.

  • Asehoy ny ankizy ny sary iray ahitana tarehintsoratra avy ao amin’ireo takela-bolamena. Hazavao fa nampian’ Andriamanitra i Joseph mba handika ireo tarehintsoratra ho lasa teny azontsika vakina sy takarina.

    Sary
    takela-bolamena roa mampiseho tarehintsoratra voasoratra

    Nadikan’i Joseph Smith ireo tarehintsoratra voasoratra teo amin’ny takela-bolamena.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna

Manampy ahy hanana finoana an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

Tsarovy fa ny tanjonao eo amin’ny fampianarana ny ankizy mikasika ny Bokin’i Môrmôna dia ny hanorina ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarazarao ho tsiroaroa ny ankizy. Asao ny ankizy izay navondrona ho tsiroaroa mba hamaky ny andiam-pehezan-teny faharoa ao amin’ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna, ka hitady ny zavatra izay milaza amin’izy ireo ny zavatra izay napetraka fa hataon’ny Bokin’i Môrmôna. Asao avy eo ny ekipa tsirairay izay misy ankizy roa mba hizara izany amin’ny iray kilasy.

  • Ampio ny ankizy hitady ao anatin’ny pejin-dohateny ilay andian-teny hoe “mba handresen-dahatra ny Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy.” Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna mandresy lahatra antsika fa i Jesoa no Kristy? Asao izy ireo hizara tantara iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nampatanjaka ny finoan’izy ireo an’i Kristy, na zarao ny an’ny tenanao manokana.

Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna.

Ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna dia hanampy ny ankizy hahafantatra fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonan’ Andriamanitra marina.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hody hanao hoe tsy mbola naheno mikasika ny Bokin’i Môrmôna ianao teo aloha. Asao izy ireo hiaraka hiasa amin’ny namana iray mba hieritreritra ireo fomba ahafahan’izy ireo manazava aminao ny momba izany sy ny niavian’izany amin’ny alalan’ny fampiasana ireo antsipiriany hita ao amin’ny teny fanolorana. Avelao avy eo ny ekipa tsirairay izay misy ankizy roa hifandimby hampianatra anao. Afaka manampy koa ny sary The Bible and the Book of Mormon Testify of Christ (ChurchofJesusChrist.org).

  • Asao ny ankizy iray hamaky ny teny nambaran’i Joseph Smith ao amin’ny andiam-pehezan-teny fahenina ao amin’ny teny fanolorana. Hazavao ny fomba hanohanan’ny vato ifaharana iray ny andohalambo iray amin’ny alalan’ny fampiasana ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Araka ilay andinin-tsoratra farany ao amin’ny teny fanolorana dia inona avy ireo zavatra hafa ho fantatsika raha vao manana fijoroana ho vavolombelona isika fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

Ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona telo”; “Ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona valo

Afaka ny ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna aho.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenan’izy ireo manokana momba ny Bokin’i Môrmôna sy hizara izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hizara zavatra hitan’izy ireo izay tsy mbola hitan’iza na iza tao an-dakilasy. Hazavao fa ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana fijoroana ho vavolombelona an’olona miisa 11 ankoatra an’i Joseph Smith izay nahita ireo takela-bolamena izay nentina nandikana ny Bokin’i Môrmôna. Iaraho mamaky ireo fijoroana ho vavolombelona. Nahoana no tian’ireo vavolombelona ireo ny hahafantaran’ny olona hafa ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo?

  • Anontanio raha misy amin’ireo ankizy te hizara ny fomba nahafantarany fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Iaraho mamaky ny Môrônia 10:3–5, ary asao ny ankizy tsirairay hamaky ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity sy hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo ny amin’ny fahamarinan’izany. Lazao amin’ny ankizy ny fomba nahazoanao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Raha azo atao dia ataovy izay hananan’ny ankizy tsirairay tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ary asao izy ireo mba hanomboka sady hamaky manokana izany no hamaky izany koa miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Mikatsaha aingam-panahy avy aminao manokana. Ho solon’ny fandraisana ireto rindran-damina ireto ho torolalana tsy maintsy arahinao dia ampiasao kosa izany mba hakana hevitra hampitsiry ny aingam-panahinao manokana rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao ianao.

Hamoaka printy