Avia, hanaraka Ahy
Lamina hitondrana ny fampianarana


“Lamina hitondrana ny fampianarana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Lamina hitondrana ny fampianarana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
mpampianatra milalao miaraka amin’ny ankizy

Lamina hitondrana ny fampianarana

Ato amin’ity loharanom-pitaovana ity ianao dia hahita ity lamina ahitana dingana anakitelo manaraka ity izay miverimberina ao amin’ny rindran-damina tsirairay: asao mba hizara, ampianaro ny fotopampianarana, ary amporisiho ny fianarana any an-tokantrano. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana, rehefa iny mampianatra iny ianao, dia mety hifanindry na hitranga tsy manaraka ny filaharany ireo singa ao amin’io lamina io. Ohatra, andeha raisina toy ny hoe fahafahana mampianatra ny fotopampianarana ny fizarana zavatra, ary ny fampianarana ny fotopampianarana dia tokony ahitana fanasana mba hizara hevitra. Toy izany ihany, ny famporisihana hianatra any an-tokantrano dia afaka mitranga mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianatra. Avelao hitranga ho azy ny fanamboarana atao ao amin’ity lamina ity, araka ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy mba hanomezana ireo zavatra ilain’ireo ankizy ampianarinao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ao anatin’ny fotoam-pianarana rehetra, dia asao ny ankizy mba hizara ny fihetseham-pony, ny heviny, ary ny zavatra niainany momba ireo fitsipika ampianarinao. Ny fanehoan-kevitr’izy ireo dia mety ahitana ireo zavatra niainany rehefa nandalina tany an-trano. Azonao atao ihany koa ny mamerina mijery izay nianaran’izy ireo tamin’ny herinandro lasa ary manontany ny fiantraikan’izany teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra tsaratsara kokoa ilay fotopampianarana hampianarinao ny ankizy. Diniho ireo andinin-tsoratra masina, teny nindramina, zavatra niainana, fanontaniana, ary ireo loharano hafa azonao zaraina mba hanampiana ny ankizy hianatra sy hanao asa araka ireo fitsipiky ny filazantsara. Mitadiava fomba miavaka mba hanampiana azy ireo hientanentana mikasika ny zavatra ianaran’izy ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Satria ny tokantrano no ivon-toerana fianarana ny filazantsara dia anisan’ireo tanjon’ny mpampianatra ny Kilonga ny mamporisika ny fianarana ao an-tokantrano. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny zavatra nianarany tao an-dakilasy? Ahoana no fomba ahafahanao mamporisika ny ankizy sy ny ray aman-drenin’izy ireo mba hanohy hianatra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna any an-tokantrano?

Hamoaka printy