Avia, hanaraka Ahy
Loharano fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy


“Loharano fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Loharano fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Loharano fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy

Ireto loharanom-pitaovana ireto dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Afaka manamboatra ireo asa atao avy amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ianao mba hampiasaina ao amin’ny kilasin’ny Kilonganao. Aza miahiahy ny amin’ny hoe efa nanao ireo asa atao ireo ny ankizy niaraka tamin’ny fianakaviany tany an-tokantrano; ny famerimberenana dia manampy ny ankizy hianatra. Mety hitantara aminao ny fomba nanatanterahan’izy ireo ireo asa atao niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny zavatra nianarany ny ankizy.

Ny fihirana sy hiran’ny ankizy ary ny Bokin-kiran’ny ankizy

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy ary mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tena miavaka. Ankoatra ny Fihirana sy hiran’ny ankizy sy ny Bokin-kiran’ny ankizy voatonta dia afaka mahita raki-peo sy horonan-tsarin’ny hira maro ianao ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny applications Musique SDJ sy LDS Media Library.

Voyez vos petits enfants

Betsaka amin’ireo lohahevitra resahina ao amin’ilay boky torolalana Voyez vos petits enfants: Manuel de la Garderie dia mitovy amin’ireo izay hampianarinao ao amin’ny Kilonga. Indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao, dia saintsaino ny hijery ao amin’ny boky torolalana hampianarana zaza madinika mba hahitana ireo hira, sy tantara, sy asa atao, ary asa tanana fanampiny.

Gazetiboky Liahona

Ny gazetiboky Liahona dia manolotra tantara sy asa atao izay afaka mameno ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 

Ny Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy ireo ankizy hianatra ny fotopampianarana sy tantara hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Tahirim-pampahalalana amin’ny endriny maro

Ireo sary, horonan-tsary, ary fitaovam-pampahalalana hafa dia afaka manampy ireo ankizy hahazo sary an-tsaina ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tsidiho ny medialibrary.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ireo amboaram-pitaovam-pampahalalana an’ny Fiangonana, anisan’izany ireo andiana horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna izay manoritsoritra tranga ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ireo loharanom-pitaovam-pampahalalana dia hita ihany koa amin’ilay application LDS Media Library.

Boky mirakitra sary momba ny filazantsara

Ireo asa haikanto dia afaka manampy ny ankizy hahazo sary an-tsaina ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Sary maro izay azonao ampiasaina ao an-dakilasy no hita ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, ao amin’ny medialibrary.ChurchofJesusChrist.org, ary ao amin’ny applications Musique SDJ sy LDS Media Library.

Miorim-paka ao amin’ny finoana

Raha toa ka mila fanampiana fanampiny ianao amin’ny fahatakarana ireo fitsipika fototra izay hampianarina ny ankizy, dia azonao atao ny mijery ny Miorim-paka ao amin’ny finoana. Io boky io dia manolotra fanazavana tsotra momba ireo lohahevitra ara-pilazantsara, izay voalahatra manaraka ny abidia.

Sary
ankizy mihira

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia afaka manampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny an’i Kristy. Ireo fitsipika ireo dia ifanakalozana hevitra sy ampiharina ao amin’ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra.

Hamoaka printy