Avia, hanaraka Ahy
Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana


“Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
fianakaviana eo an-databatra fisakafoana

Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana

Ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga dia tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny ankizy rehetra, tafiditra amin’izany ireo manana fahasembanana. Ny ankizy tsirairay ao amin’ny Kilonga dia tokony raisina tsara, tiavina, kolokoloina, ary hatao izay hahatamana azy. Ao amin’izany tontolo izany dia ho mora kokoa ho an’ny ankizy rehetra ny mahatakatra ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny an’i Jesoa Kristy sy ny mamantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao hitondra ny zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana.

  • Fantaro ireo zavatra manokana ilain’ilay zaza. Ny fomba tsara indrindra hanaovana izany dia ny miresaka amin’ny ray aman-dreny na mpitaiza ilay zaza. Fantaro ny fomba tsara indrindra hianaran’ilay zaza ary ireo paikady mahomby indrindra. Azonao atao ihany koa ny mikahon-doha amin’ny mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Kilonga hafa izay manana traikefa sy hevitra ho zaraina.

  • Manorena tontolo mahafinaritra izay hahatsapan’ny ankizy tsirairay avy fiarovana sy fitiavana. Ianaro ny anaran’ny ankizy rehetra ao amin’ny kilasinao, ary ampio izy ireo mba ho tamàna ary hahatsapa fitiavana. Ny ankizy manana fahasembanana dia voakiana matetika, koa jereo ireo fahafahana handokafana azy ireo noho ny fitondran-tena tsara asehony.

  • Manaova fanamboarana mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara. Azo asiana fanovana kely ny asa atao mba hakàna antoka fa ireo ankizy rehetra dia afaka mianatra, tafiditra amin’izany ireo izay manana fahasembanana ara-batana na fahasahiranana amin’ny fianarana. Ohatra, raha toa mandroso hevitra ny asa atao iray ny tokony hampisehoana sary, dia azonao atao ny manao hira mifandraika amin’ilay izy mba handraisan’ny ankizy manana fahasahiranana amin’ny fahitana anjara.

  • Manorena fombafomba sy rafitra tsy miovaova ao an-dakilasy. Fomba iray hanaovana izany ny manamboatra petadrindrina iray ahitana ny fandaharam-potoan’ny kilasy izay mandrafitra ny ho fandehan’ny fotoana. Ny fandaharam-potoanao dia mety ahitana vavaka, fotoana hampianarana, ary fotoan’ny asa atao. Izany dia mety hampihena ireo fahatsapana fisalasalana izay mety hampitombo ny tebiteby ao amin’ny ankizy sasany.

  • Mampiasà fitaovana misarika ny maso. Ireo ankizy manana olana amin’ny fianarana na olana amin’ny resaka fitondran-tena dia mety hahazo tombotsoa avy amin’ny fitaovana misarika ny maso, toy ny sary maneho fitondran-tena mendrika tahaka ny fananganana tanana mialoha ny famaliana fanontaniana.

  • Mahatakatra ny antony hitrangan’ireo fitondran-tena manahirana. Ianaro ny momba ireo fahasembanana na toe-javatra izay mety hiantraika amin’ny fanaovan’ilay zaza fitondran-tena tsy mendrika. Tena ifantohy tsara ny zava-mitranga rehefa miseho ireo olana amin’ny resaka fitondran-tena ireo. Diniho ombam-bavaka ny tokony hanovana ny toe-javatra mba hanohanana ilay zaza amin’ny fomba tsara indrindra.

Hamoaka printy