Avia, hanaraka Ahy
06–12 janoary. 1 Nefia 1–7: “Handeha aho ary hanao”


“06–12 janoary. 1 Nefia 1–7: -Handeha aho ary hanao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“6–12 janoary. 1 Nefia 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
Ny fianakavian’i Lehia nanao dia tany an-tany foana

I Lehia nanao dia tany akaikin’ny Ranomasina Mena, nataon’i Gary Smith

6–12 janoary

1 Nefia 1–7

“Handeha aho ary hanao”

Rehefa mamaky ny 1 Nefia 1–7 ianao, dia mieritrereta andinin-tsoratra masina, zavatra niainana, fanontaniana ary loharano hafa tsapanao fa tokony hampiasaina mba hampianarana ny ankizy. Azo arindra hifanaraka amin’ny zavatra mety amin’ny ankizy lehibe na ankizy kely ireo asa atao ao anatin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mety efa nandre na namaky mikasika ireo zavatra niainan’ny fianakavian’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 1–7 ny ankizy sasany ao amin’ny kilasinao. Asao izy ireo hizara ny zavatra fantany. Raha toa ny ankizy ka tsy mahalala loatra mikasika ireo zavatra niainan’i Nefia, dia omeo fahafahana izy ireo hizara ny zavatra nianarany any amin’ny fiafaran’ny lesona.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Nefia 2:16

Mila fijoroana ho vavolombelona an’ny tenako manokana aho.

Lasa nino ireo tenin’ny rainy i Nefia satria nanana faniriana ny hahafantatra izany mivantana izy ary nivavaka tamin’ny Tompo. Ampio ny ankizy hianatra avy amin’ny ohatra nasehony.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà baoritra iray mihidy izay ahitana sarin’ny Mpamonjy ao anatiny, ary asaivo mifandimby mamantatra ny ao anatin’ilay baoritra ny ankizy tsirairay. Teneno ny ankizy fa i Nefia dia naniry ny hanana fijoroana ho vavolombelona an’ny tenany manokana mikasika ny hoe, nodidin’ny Tompo ny fianakaviany mba handao an’i Jerosalema. Angataho ny ankizy hihaino ny zavatra nataon’i Nefia mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tenany manokana rehefa mamaky ny 1 Nefia 2:16 ianao. Mijoroa ho vavolombelona fa toy ny tsy maintsy hanokafantsika ilay baoritra mba hahitana ny zavatra ao anatiny no ilantsika rehetra mangataka amin’ Andriamanitra mba hahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana.

  • Mitondrà sary na zavatra azo tsapain-tanana izay maneho ireo zavatra mety katsahin’ny ankizy ny hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba azy, toy ny sarin’i Jesoa Kristy, na ny Bokin’i Môrmôna na sary irain’ny mpaminany velona. Asao ny ankizy mba hifidy sary na zavatra azo tsapain-tanana iray ary hizara amin’ny iray kilasy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo mikasika izany zavatra izany.

1 Nefia 2:2–4; 3–4

Hanampy ahy hitandrina ireo didiny Andriamanitra.

Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo tantara ireo mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa manampy antsika hitandrina ny didiny Andriamanitra na dia toa sarotra aza ny mankatò azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny 1 Nefia 2:2–4 ary mampisehoa sarin-javatra vitsivitsy izay mety nentin’ny fianakavian’i Lehia niaraka tamin’izy ireo tany an-tany foana, toy ny lay, lamba firakotra, tsipika sy zana-tsipika. Angataho izy ireo mba haka sary an-tsaina ny mety ho tsapan’izy ireo raha toa ka tsy maintsy mandao ny fonenany izy ireo ary mankany an-tany foana. Inona no asain’ny Tompo ataontsika ankehitriny mba hankatoavana azy?

  • Ampio ny ankizy handoko sy hanety ireo taratasy manana endri-javatra ao amin’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity, ary angataho izy ireo avy eo mba hamintina ny tantaran’i Nefia sy ireo rahalahiny nandeha naka ireo takela-barahina (jereo ny 1 Nefia 3–4). Afaka hanampy anao hitantara izany tantara izany ilay hira “Le courage de Néphi” (Chants pour les enfants, 64) ary ny “Toko 4: Ny takela-barahina” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 8–12; jereo koa ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org) .

  • Ampiasao ny sary 103–15 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara mba hanampiana ny ankizy hieritreritra ireo zavatra nasain’ny Tompo nataontsika. Inona ireo fitahiana azontsika rehefa mankatò Azy isika? Ampio izy ireo hanaingo marika apetraka eny amin’ny tratra izay ahitana ny hoe, Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo ahy (1 Nefia 3:7). Iaraho mamerina im-betsaka ilay fehezan-teny.

1 Nefia 3:19–21; 5:19–22

Harena sarobidy ny soratra masina.

Ahoana no ahafahanao mamporisika ny ankizy mba hanome lanja sarobidy ny soratra masina na ny tenin’ Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa zavatra iray azo tsapain-tanana (na sarin-javatra iray) izay tena sarobidy aminao. Resaho ny fomba fandraisanao izany sy ny fomba fikarakaranao izany. Hazavao fa tena sarobidy toy ny harena sarobidy ho an’ny fianakavian’i Lehia ny soratra masina.

  • Asao ny ankizy mba hanampy anao hitantara na hilalao an-tsehatra ny zavatra nataon’i Nefia sy ireo rahalahiny mba hahazoana ireo takela-barahina: Nanao dia lavitra izy ireo, sy namoy ny volamena sy volafotsin’izy ireo ary niafina tany anaty lava-bato mba hamonjeny ny ain’izy ireo. Vakio ny 1 Nefia 5:21. Nahoana no tena sarobidy ho an’ny fianakavian’i Lehia ny soratra masina? Ahoana no ahafahantsika mandray ny soratra masina ho toy ny harena sarobidy?

Sary
I Lehia nandalina ireo takela-barahina

I Lehia nandray ireo takela-barahina, nataon’i Clark Kelley Price

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

1 Nefia 2:16, 19–20

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenako manokana aho.

Inona no ianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’i Nefia mikasika ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana? Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hianatra avy amin’ny ohatra nasehony?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hamakafaka ny 1 Nefia 2:16, 19 mba hahitana ny fomba nahazoan’i Nefia fijoroana ho vavolombelona momba ny tenin’ny rainy. Asao izy ireo hanoratra ireo asa nataon’i Nefia eo amin’ny goba na eo amin’ny zavatra azo tsapain-tanana hafa ary avy eo hanangana zavatra iray amin’ny alalan’ireo zavatra ireo mba hampisehoana ny fomba hanampian’ireo zavatra ireo antsika hanorina fijoroana ho vavolombelona.

  • Lazao amin’ny ankizy ny fomba nahazoanao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny filazantsara. Asao izy ireo mba hizara zavatra niainana mitovy amin’izany ary amporisiho izy ireo mba hanaraka ny ohatra nasehon’i Nefia amin’ny fanohizana ny fanorenana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Nahoana no afaka manampy antsika ny fananantsika fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana?

1 Nefia 3:1–8

Afaka mandray andraikitra amim-pinoana eo anatrehan’ireo didy omen’ny Tompo aho.

Ny fananana toetra tahaka ny an’i Nefia dia hanampy ny ankizy rehefa angatahin’ny Tompo hanao zavatra izay toa sarotra izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao ho vondrona roa ireo mpianatra. Asao ny vondrona iray mba hamaky ny valintenin’i Lamàna sy i Lemoela tamin’i Lehia (jereo ny 1 Nefia 3:2–5) ary ilay vondrona iray hafa mba hamaky ny valintenin’i Nefia (jereo ny 1 Nefia 3:2–4, 7). Asao ny ankizy iray mba hody hanao hoe Lehia ka hangataka ny ankizy ambiny mba hody hanao hoe hiverina any Jerosalema haka ireo takela-barahina. Asao ny vondrona tsirairay mba hamaly amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo manokana toy ireny hoe izy ireo ireny no ireo olona izay novakin’izy ireo ny momba azy. Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay nasain’ Andriamanitra hataontsika? Ahoana no ahafahantsika hitovy amin’i Nefia?

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fankatoavana toy ny hoe “Le courage de Néphi” na “Pour trouver la paix” (Chants pour les enfants, 64, 68), ary angataho ny ankizy mba hihaino ireo fehezan-teny izay mampianatra ny fomba hamaliantsika ny Tompo.

1 Nefia 3–4

Hitarika ahy ny Fanahy Masina rehefa mikatsaka ny hanao ny sitrapon’ny Tompo aho.

Nanaraka ny Fanahy i Nefia ary “tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataony” (1 Nefia 4:6). Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ny tantaran’i Nefia sy ireo rahalahiny izay niezaka naka ny takela-barahina (jereo ny 1 Nefia 3–4). Asao ny ankizy hamaky ny 1 Nefia 4:6, ary angataho ny iray kilasy mba hihaino ny zavatra nataon’i Nefia ka nahafahany nahita fahombiazana.

  • Mizarà karazan-javatra sasantsasany izay tian’ Andriamanitra hataon’izy ireo, toy ny minamana amin’ny olona iray izay toa irery, na mamela mpiray tampo iray, na milaza ny marina rehefa avy nanao fahadisoana. Angataho ny ankizy mba hizara ny mety ahafahan’ny Fanahy Masina manampy azy ireo ao anatin’ireo toe-javatra ireo. Ahoana no ahafahantsika manasa ny Fanahy Masina mba hanampy antsika hankatò an’ Andriamanitra?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainany niaraka tamin’ny fianakaviany izay nahazoany fitahiana noho ny fitandremana ireo didy. Amporisiho izy ireo hangataka ireo olona ao amin’ny fianakaviany mba hizara zavatra niainana mitovy amin’izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy kely mba hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina. Mba hanampiana ny ankizy kely hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina dia mifantoha amin’ny andinin-tsoratra masina iray na amin’ny andian-teny manan-danja iray fotsiny aza. Azonao atao ny manasa ny ankizy hitsangana na hanangana ny tanany rehefa maheno izany teny na andian-teny izany izy ireo. (Jereo koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21.)

Hamoaka printy