Avia, hanaraka Ahy
13–19 janoary. 1 Nefia 8–10: “Manatòna ka mihinàna amin’ny voa”


“13–19 janoary. 1 Nefia 8–10: -Manatòna ka mihinàna amin’ny voa,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“13–19 janoary. 1 Nefia 8–10” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
Ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina

Ny fahitan’i Lehia, nataon’i Steven Lloyd Neal

13–19 janoary

1 Nefia 8–10

“Manatòna ka mihinàna amin’ny voa”

Ankoatra ny fahitana ny tenantsika ao anatin’ny fahitan’i Lehia dia ezaho ho hita ao ireo ankizy ampianarinao. Miantefa amin’izy ireo amin’ny fomba ahoana io fahitana io?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Resaho mialoha ny ankizy vitsivitsy ary asaivo mieritreritra zavatra niainana na soratra masina azon’izy ireo zaraina izay nanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Nefia 8:2, 5–34

Mitarika ahy any amin’ Andriamanitra sy manampy ahy hahatsapa ny fitiavany ny tenin’ Andriamanitra.

Ao amin’ny fahitan’i Lehia, isika dia asaina mba handray ny fitiavan’Andriamanitra, izay aseho amin’ny alalan’ilay hazo sy ny voankazo avy amin’izany. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hanaiky io fanasana io?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanampy anao hitantara ny tantaran’ny fahitan’i Lehia avy ao amin’ny 1 Nefia 8:10–34. Mba hanampiana ny mpianatra hahazo sary an-tsaina ilay tantara, dia asehoy ny sarin’ny fahitan’i Lehia (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana) na ireo sary ao amin’ny “Toko 6: Ny nofin’i Lehia” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 18–20, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Makà antoka fa azon’ny mpianatra fa ny anja-by dia maneho ny tenin’ Andriamanitra, izay vakintsika ao amin’ny soratra masina sy henontsika avy amin’ireo mpaminany velona. Ampio izy ireo hahatakatra fa ilay hazo dia maneho ny fitiavan’ Andriamanitra antsika.

  • Mitondrà tady iray hanehoana ny anja-by ao amin’ny fahitan’i Lehia. Angataho ny ankizy mba hihazona amin’izany rehefa mitarika azy ireo manodidina ny efitra ianao hankeny amin’ny sarina hazo iray. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny tenin’ Andriamanitra dia mitondra antsika hanakaiky Azy, tahaka ilay tady maneho ny anja-by izay mitarika antsika ho any amin’ilay hazo. Mba hampisehoana fa maneho ny fitiavan’ Andriamanitra ilay hazo dia azonao atao ny mampiseho sarin’ireo zavatra nomen’ Andriamanitra antsika izay mampiseho ny fitiavany antsika, toy ny Mpamonjy, ny fianakaviantsika, ary ny tontolo mahafinaritra.

  • Mitondrà voankazo misy fo miraikitra eo aminy. Omeo ampahany amin’ilay voankazo ny ankizy mba handramany ary anontanio azy ireo ny voankazo tiany indrindra. Hazavao fa ilay voankazo ao amin’ny fahitan’i Lehia no voankazo matsiro indrindra nandramany hatrizay, ary nameno fifaliana ny fanahiny izany. Tahaka ny voankazo matsiro iray izay mahatonga antsika ho faly, dia hahatsapa ho faly isika rehefa manaraka an’i Jesoa sy miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra.

  • Vakio ny 1 Nefia 8:12, ary asao ny ankizy hihaino tsara izay tian’i Lehia natao rehefa avy nanandrana tamin’ilay voankazo izy. Avelao ny ankizy hifandimby hody hanao hoe Lehia izay manasa ny hafa hanatona sy hihinana amin’ilay voankazo. Inona no azontsika atao mba hanasana ny hafa hanatona sy hankamamy ireo fitahian’ny filazantsara miaraka amintsika?

1 Nefia 10:17, 19

Hanambara fahamarinana amiko amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina Andriamanitra.

Rehefa avy nandre momba ny fahitan’ny rainy i Nefia dia nanana faniriana izay tokony hananantsika rehetra izy, dia ny faniriana hahafantatra mivantana ny fahamarinana izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny 1 Nefia 10:19, ary asao ny ankizy mba hanangana ny tanany rehefa mandre ireo teny hoe “novelabelarina” sy “Fanahy Masina.” Ampio ny ankizy hahatakatra io soratra masina io, izay mampianatra fa ny Fanahy Masina dia hanampy antsika hahafantatra ireo valin’ny fanontaniantsika. Mba hanampiana ny ankizy haka sary an-tsaina ny dikan’ny hoe “novelabelarina” ny fahamarinana, dia mitondrà bodofotsy mivalona misy ny sarin’ny Mpamonjy ao anatiny, ary asaivo avelatry ny ankizy izany.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira mikasika ny fikatsahana fahamarinana, toy ny “Sans tarder, je recherche mon Sauveur” (Chants pour les enfants, 67). Mampisehoa sary izay maneho ireo teny ao amin’ilay hira mba hanampiana ny ankizy hahatsiaro ny fomba ampianaran’ny Fanahy Masina antsika.

  • Mizarà zavatra niainana iray izay nanampian’ny Fanahy Masina anao hahafantatra fa marina ny zavatra iray. Lazao amin’ny ankizy ny fomba niresahan’ny Fanahy Masina taminao.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

1 Nefia 8:2, 5–34

Mitarika ahy any amin’ Andriamanitra sy manampy ahy hahatsapa ny fitiavany ny tenin’ Andriamanitra.

Rehefa mianatra momba ny fahitan’i Lehia ny ankizy ao amin’ny kilasinao dia amporisiho izy ireo mba handalina ny tenin’ Andriamanitra ka hizara ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Rehefa mamaky andininy voafantina avy ao amin’ny 1 Nefia 8 ny mpianatra dia asao izy ireo mba hitady ireo antsipirian-javatra avy ao amin’ireo andininy ireo ao amin’ny sary iray momba ny fahitan’i Lehia (tahaka ilay anankiray ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Na asao izy ireo hanao sary eny amin’ny solaitrabe an’ireo antsipiriany novakin’izy ireo. Dia ampio ny mpianatra hahita izay asehon’ireo tandindona ao amin’ilay nofy (jereo ny 1 Nefia 11:21–22; 12:16–18; 15:23–33, 36).

  • Raha azo atao dia mitondrà tapa-by na vy hafa ao an-dakilasy ary asao ny ankizy hamariparitra ny sasany amin’ny toetoetran’izany ary ireo zavatra azo ampiasana izany. Amin’ny fomba ahoana no itovian’ny tenin’ Andriamanitra amin’ny anja-by? Aiza no ahitantsika ny tenin’ Andriamanitra? Nahoana no tena manan-danaja tao amin’ny fahitan’i Lehia ilay anja-by?

    Sary
    I Lehia mihinana ny voan’ilay hazon’aina

    I Lehia mihinana ny voan’ilay hazon’aina. Ny hazon’aina, nataon’i Marcus Alan Vincent

  • Asao ny mpianatra mba hanoratra ao amin’ny taratasy iray ny zavatra niainany izay nanampian’ny tenin’ Andriamanitra azy ireo hahafantatra izay tokony hataon’izy ireo na nanampian’ny tenin’ Andriamanitra azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra. Rehefa mizara ny zavatra nosoratany izy ireo dia asao izy ireo mba hanorongorona ny taratasiny hanana endrika anjaka iray. Azonao atambatra miaraka ireo “anjaka” namboarin’ny ankizy mba hanehoana ny anja-by tao amin’ny nofin’i Lehia.

  • Asao ny ankizy sasany mba hamaky ny 1 Nefia 8:10–12 ary hamariparitra izay hitan’i Lehia. Angataho ny hafa hamaky ny 1 Nefia 11:20–23 ary hamariparitra izay hitan’i Nefia. Nahoana ilay anjely no nampiseho an’i Jesoa zazakely tamin’i Nefia mba hampianarana azy momba ny fitiavan’ Andriamanitra? Ho fanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io dia iaraho mamaky ny Jaona 3:16 na hirao miaraka ny hira iray momba ny Mpamonjy, toy ny “Il envoya son Fils aimé” (Chants pour les enfants, 20-21). Lazao amin’ny ankizy ny fomba nahatsapanao ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy teo amin’ny fiainanao.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe: Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatra nasehon’i Lehia? Asao ny ankizy mba hieritreritra mikasika ny fahitan’i Lehia ary hanoratra valin-teny araka izay betsaka indrindra azon’izy ireo soratana. Asaivo mizara ny valin-teniny amin’ny iray kilasy izy ireo. Angataho ny ankizy avy eo mba hieritreritra olona iray izay azon’izy ireo hizarana ny fifaliana avy amin’ny filazantsara.

1 Nefia 10:17–19; 11:1

Hanambara fahamarinana amiko amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina Andriamanitra.

Raha mangataka am-pinoana amin’ny Ray any An-danitra isika dia “hovelabelarina [amintsika] amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina” ny fahamarinana (1 Nefia 10:19). Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahafantatra io fahamarinana io?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hiresaka momba ireo fomba ahafahan’izy ireo mahita valin-teny ho an’ny fanontaniana iray. Amporisiho ny ankizy mba hamaky ny 1 Nefia 10:17–19 sy ny 11:1. Inona no holazain’i Nefia raha toa ka manontany azy ny fomba ahitana valin-teny ho an’ny fanontaniana iray momba ny filazantsara ny olona iray? Amin’ny fomba ahoana no ampianaran’ Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina? (jereo ny FF 8:2).

  • Angataho ny ankizy mba hiresaka momba ny fotoana iray izay nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo hahafantatra fa marina ny zavatra iray. Angataho izy ireo mba haka sary an-tsaina hoe manana namana iray izay mieritreritra fa tsy afaka mahazo valin-teny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy. Inona no azon’izy ireo zaraina avy ao amin’ny 1 Nefia 10:17–19 sy ny 11:1 mba hanampiana io namana io?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hampiasa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hizarana amin’ny fianakavian’izy ireo ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina.

Manatsara ny fampianarantsika

Mianatra amin’ny fomba maro ny ankizy. Tia mianatra amin’ny alalan’ny fomba isan-karazany ny ankizy. Manaova asa izay manampy azy ireo hihetsiketsika, sy hampiasa ny retsipamantarany rehetra ary hanandrana zavatra vaovao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,25–26

Hamoaka printy