Scripture Stories
Toko 6: Ny nofin’i Lehia


Toko 6

Ny nofin’i Lehia

Sary
i Lehia sy ny fianakaviany

Nolazain’i Lehia tamin’ny fianakaviany ny momba ny fahitana manan-danja iray izay hitany tao anaty nofy. Nahafaly an’i Lehia ny amin’i Nefia sy i Samy ny nofiny saingy nampalahelo azy noho ny amin’i Lamana sy i Lemoela.

Sary
i Lehia sy ny anjely

Tao amin’ny nofiny i Lehia dia nahita lehilahy iray niakanjo lava izay nilaza tamin’i Lehia mba hanarahany azy. Nanaraka an’ilay lehilahy tany amin’ny tany foana maizina sy ngazana i Lehia.

Sary
i Lehia mivavaka

Rehefa nandeha tao anatin’ny haizina nandritra ny ora maro i Lehia, dia nivavaka nangataka fanampiana.

Sary
hazon’aina

Avy eo izy dia nahita hazo nisy voany niloko fotsifotsy. Io voankazo mamy io dia nanome fifaliana ho an’izay nihinana azy.

Sary
i Lehia mihinana voankazo

Nihinana ilay voankazo i Lehia ary nofenoin’izany fifaliana izy. Tiany koa ny fianakaviana mba hanandrana ilay voankazo satria fantany fa hanome fahasambarana ho azy ireo ihany koa izany.

Sary
i Saria, sy i Samy ary i Nefia mankeny amin’i Lehia

Nahita renirano nikoriana teo akaikin’ilay hazo i Lehia. Hitany teo amin’ny faran’ilay renirano i Saria, sy i Samy ary i Nefia.

Sary
fianakaviana mankeny amin’ny hazo

Nantsoin’i Lehia ny vadiny sy ireo zanakalahiny mba ho avy sy hanandrana an’ilay voankazo. Nandeha i Saria sy i Samy ary i Nefia ka nanandrana ilay voankazo fa tsy nety i Lamàna sy i Lemoela.

Sary
hanjam-by mitondra mankeny amin’ny hazo

I Lehia ihany koa dia nahita anjam-by sy lalana ety sy tery mankeny amin’ilay hazo.

Sary
olona mihazona hanjam-by

Nahita olona maro maro be izy na nandeha teo na ho eo amin’ilay lalana. Noho ny zavon’ny haizina iray dia nisy sasany tafala tamin’ilay lalana ka very.

Sary
olona mihazona hanjam-by

Ny sasany namikitra mafy tamin’ilay anjam-by ka nanavatsava ilay zavon’ny haizina ary tonga teny amin’ilay hazo. Nanandrana ilay voankazo izy ireo.

Sary
olona mihinana voankazo

Noesoesoin’ny olona teny amin’ny trano lehibe iray teny am-pitan’ilay renirano ireo izay nihinana tamin’ilay voankazo. Lasa menatra ny sasany tamin’ireo izay efa nihinana tamin’ilay voankazo ka niala teo amin’ilay hazo.

Sary
trano lehibe

Nahita olona maro i Lehia tao anatin’ny nofiny. Ny sasany namikitra mafy tamin’ilay anjam-by sy namakivaky ilay zavon’ny haizina ka dia tody teny amin’ilay hazo. Nanandrana ilay voankazo izy ireo. Ny sasany dia nankeny amin’ilay trano lehibe na nilentika tao amin’ilay renirano na lasa very. I Lamàna sy i Lemoela tsy nety nihinana tamin’ilay voankazo. Nitaintaina ny amin’izy ireo i Lehia ka niezaka nanampy azy ireo hankatò ny didin’ Andriamanitra.

Hamoaka printy