Scripture Stories
Toko 7: Ny fanamboarana ny sambo


Toko 7

Ny fanamboarana ny sambo

Sary
i Nefia

Rehefa nitoby nandritry ny andro maro teo amoron-dranomasina ny ankohonan’i Lehia, dia niteny tamin’i Nefia ny Tompo. Nandidy azy hanamboatra sambo Izy mba hitondrana ny fianakaviany ho any amin’ny tany nampanantenaina.

Sary
i Nefia manamboatra fitaovam-piasana

Tsy nahay nanamboatra sambo i Nefia, saingy niteny ny Tompo fa hanoro azy Izy. Noteniny tamin’i Nefia ny toerana hahitana ny vy hanamboarana ny fitaovana ilainy.

Sary
i Lamàna sy i Lemoela miaraka amin’i Nefia

Naneso an’i Nefia i Lamàna sy i Lemoela noho ny faniriany hanamboatra sambo. Tsy nino izy ireo fa efa nasehon’ny Tompo an’i Nefia ny fomba fanaovana izany. Tsy nety nanampy izy ireo.

Sary
miresaka amin’i Lamàna sy i Lemoela i Nefia

Niantso an’i Lamàna sy i Lemoela mba hibebaka i Nefia ary mba tsy ho be fikomiana. Nampahatsiahiviny azy ireo fa efa nahita anjely izy ireo. Ary noteniny azy ireo ihany koa fa Andriamanitra dia manana ny hery hanaovana ny zavatra rehetra.

Sary
Nikasa ny hanipy an’i Nefia any an-dranomasina i Lamàna sy i Lemoela

Tezitra tamin’i Nefia i Lamàna sy i Lemoela ary nitady ny hanipy azy any an-dranomasina.

Sary
i Nefia miaraka amin’i Lamàna sy i Lemoela

Raha nanatona an’i Nefia izy ireo dia nandidy azy tsy hikasik’azy izy satria feno ny herin’ Andriamanitra izy. Natahotra nandritra ny andro maro i Lamàna sy i Lemoela.

Sary
i Lamàna sy i Lemoela mianjera mankany aoriana

Avy eo dia niteny tamin’i Nefia ny Tompo mba hikasika an’i Lamàna sy i Lemoela. Rehefa nanao izany i Nefia dia nampangovitra azy ireo toy ireny main’ny herinaratra ireny ny Tompo. Fantatr’i Lamàna sy i Lemoela fa nanana ny herin’ Andriamanitra i Nefia.

Sary
i Nefia

Niteny tamin’i Lamàna sy i Lemoela i Nefia mba hankato ny ray aman-drenin’izy ireo sy hankato an’ Andriamanitra. Notenen’i Nefia fa ho voatahy izy ireo raha manao izany.

Sary
manamboatra sambo i Lamàna sy i Lemoela

Nibebaka i Lamàna sy i Lemoela ary nanampy an’i Nefia nanamboatra ny sambo.

Sary
i Nefia mivavaka

Nandeha matetika tany an-tendrombohitra i Nefia hivavaka mba hangataka fanampiana. Natoron’ny Tompo azy ny fomba fanamboarana ny sambo.

Sary
vita ny sambo

Rehefa vitan’i Nefia sy ny rahalahiny ny fanamboarana ny sambo dia fantatr’izy ireo fa sambo tsara izany. Nisaotra an’ Andriamanitra izy ireo noho ny fanampiany azy ireo.

Hamoaka printy