Scripture Stories
Toko 29: Mampianatra mikasika ny finoana sy ny tenin’ Andriamanitra i Almà


Toko 29

mampianatra mikasika ny finoana sy ny tenin’ Andriamanitra i Almà

Sary
mampianatra ny Zôramita i Almà

Nampianatra ny Zôramita momba ny finoana i Almà. Nilaza izy fa ireo olona izay mangataka famantarana mialoha ny hinoany dia tsy manam-pinoana.

Sary
i Almà nitory teny

Nambaran’i Almà fa ny atao hoe finoana dia mino zavatra izay marina kanefa tsy mahita maso izany.

Sary
tanana mamboly voa

Nazavainy fa ny finoana dia mitombo rehefa maniry ny hino sy hihaino ny tenin’ Andriamanitra ny olona iray. Nambolena tao am-pon’ilay olona ny teny, ary toy ny voa dia manomboka maniry izany.

Sary
mpivady mijery hazo maniry

Rehefa mianatra momba ny filazantsara ny olona iray dia mitsimoka sy mitombo hatrany ilay voa. Fantatr’ilay olona fa tsara ilay voa ary miha-matanjaka kokoa ny finoany.

Sary
lehilahy sy vehivavy mpivady mioty voankazo

Nilaza i Almà fa tahaka ny hazo iray mamoa voa tsara, ny tenin’ Andriamanitra dia mitondra fitahiana ho an’ireo olona manam-pinoana.

Hamoaka printy