Scripture Stories
Toko 21: Ny Amlisita


Toko 21

Ny Amlisita

Sary
i Amlisia sy ireo mpanara-dia azy

I Amlisia dia lehilahy maraini-tsaina, ratsy fanahy izay naniry ho mpanjakan’ny Nefita. Betsaka ny mpanara-dia azy.

Sary
olona mijery an’i Amlisia

Tsy nanaiky an’i Amlisia ho mpanjakany ny Nefita marina. Fantany fa ny handrava ny Fiangonan’ Andriamanitra no notadiaviny.

Sary
Nefita miresaka

Nivondrona tamin’ny antoko isan-karazany ny Nefita mba hisafidy raha tokony ho mpanjakany i Amlisia. Ny ankabeazan’ny olona dia nisafidy ny hanohitra an’i Amlisia, ary tsy lasa mpanjaka izy.

Sary
i Amlisia sy ireo mpanara-dia azy

Lasa tezitra i Amlisia sy ireo mpanara-dia azy. Nandao ny Nefita izy ireo sy nametraka an’i Amlisia ho mpanjakany ary niantso ny tenany hoe Amlisita. Nandidy azy ireo hiady amin’ny Nefita i Amlisia.

Sary
Nefita manamboatra zanatsìpika

Niomana ny hiaro ny tenany amin’ny tsipìka sy zanatsipìka, sabatra ary fiadiana hafa ny Nefita marina.

Sary
mandresy ny Amlisita ny Nefita

Nanafika ny Amlisita ary ny Nefita izay notarihan’i Almà sy nankaherezin’ny Tompo dia namono ny maro tamin’ izy ireo. Nandositra ny Amlisita sisa tavela.

Sary
manaramaso ny Amlisita ireo mpitsikilon’i Almà

Nandefa mpitsikilo hanaramaso ny Amlisita i Almà. Hitan’ireo mpitsikilo fa nitambatra tamin’ny tafika Lamanita lehibe izy ireo ary nanafika ny Nefita izay nipetraka tany akaikin’i Zarahemlà.

Sary
Nefita miady amin’ny tafika Lamanita-Amlisita

Nivavaka ny Nefita ary nanampy azy ireo indray Andriamanitra. Namono miaramila maro tamin’ny tafika Lamanita-Amlisita izy ireo.

Sary
i Almà mamono an’i Amlisia

Nifanandrina tamin’ny sabatra i Almà sy i Amlisia. Nivavaka ho an’ny fiarovana ny ainy i Almà ary nanome hery azy mba hamonoana an’i Amlisia Andriamanitra.

Sary
ady

Nenjehin’ny Nefita hatrany an-tany foana ny Lamanita sy ny Amlisita. Maro tamin’ireo naratra no maty tany ka nohanin’ny biby dia.

Sary
manisy marika eo amin’ny andrina ny Amlisita

Tahaka ny Lamanita dia nanisy marika mena tamin’ny tenany ny Amlisita, izay nahatanteraka ny faminaniana iray. Nisaraka tamin’ny fahasoavan’ny filazantsara ny Amlisita.

Hamoaka printy