Scripture Stories
Toko 12: Ny Mpanjaka Benjamina


Toko 12

Ny Mpanjaka Benjamina

Sary
ny Mpanjaka Benjamina mampianatra

I Benjamina Mpanjaka dia mpanjaka Nefita marina. Nitondra fiadanana teo amin’ny tany izy niaraka tamin’ny fanampian’ireo lehilahy hafa marina.

Sary
ny Mpanjaka Benjamina sy i Môzià

Niha-antitra ny Mpanjaka Benjamina ka naniry ny hiresaka amin’ny olony. Nila nilaza tamin’izy ireo izy fa i Môzià zanakalahiny no ho mpanjaka handimby azy.

Sary
olona mivory eo manodidina ny tempoly

Tonga avy tamin’ny tany manontolo ny olona ary nivory teo akaikin’ny tempoly. Natsangan’izy ireo ny lainy ka nataony nifanatrika ny tempoly ny varavaran’izy ireo.

Sary
ny Mpanjaka Benjamina miteny

Niteny avy teo amin’ny tilikambo iray ny Mpanjaka Benjamina mba hahafahan’ny Nefita maheno azy.

Sary
Nefita

Nambarany tamin’ny olona fa izy dia niezaka mafy ny nanompo azy ireo. Nolazainy fa ny fomba hanompoana an’ Andriamanitra dia amin’ny fifanompoana.

Sary
Ny Mpanjaka Benjamina

Notenenin’ny Mpanjaka Benjamina ny olona mba hankatò an’ Andriamanitra. Ireo izay mahatoky amin’ny fitandremana ireo didy dia ho sambatra ary hiara-hiaina amin’ Andriamanitra indray andro any.

Sary
i Jesoa zazakely sy i Maria

Nilaza ny Mpanjaka Benjamina fa tsy ho ela dia ho teraka eto an-tany i Jesoa Kristy. I Maria no anaran’ny reniny.

Sary
i Jesoa manao fahagagana

Hanao fahagagana i Jesoa Kristy. Hanasitrana ny marary Izy ary hampitsangana indray ireo izay efa maty. Hampahiratra ny jamba Izy ary hampalady ny marenina.

Sary
i Jesoa mivavaka

Hijaly i Jesoa ary ho faty ho an’ny fahotan’ny olon-drehetra. Ireo izay mibebaka sy manam-pinoana an’i Jesoa dia hovoavela amin’ny fahotany.

Sary
i Jesoa ombohana eo aimin’ny hazofijaliana

Nambaran’ny Mpanjaka Benjamina tamin’ny Nefita fa hokaravasian’ny olona ratsy fanahy i Jesoa. Dia avy eo hombohan’izy ireo amin’ny hazofijaliana.

Sary
i Jesoa nitsangana tamin’ny maty

Afaka telo andro, dia nitsangana tamin’ny maty i Jesoa

Sary
Nefita mibebaka

Rehefa avy niteny ny Mpanjaka Benjamina dia nianjera tamin’ny tany ny Nefita. Nanenina tamin’ny fahotany izy ireo ary te hibebaka.

Sary
olona mivavaka

Nanam-pinoana an’i Jesoa Kristy ny olona ka nivavaka mba ho voavela tamin’ny fahotany.

Sary
Nefita mitsiky

Feno ny Fanahy Masina ny fon’izy ireo. Fantatr’izy ireo fa namela ny fahotan’izy ireo Andriamanitra ary tia azy ireo izy. Nahatsapa fiadanana sy hafaliana izy ireo.

Sary
ny Mpanjaka Benjamina miresaka amin’ny olona

Notenenin’ny Mpanjaka Benjamina ny olona mba hino an’ Andriamanitra. Tiany ho fantatr’izy ireo fa Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra ary izy dia hendry sy mahery.

Sary
vavaka ataon’ny mpianakavy

Notenenin’ny Mpanjaka Benjamina ny olona mba hanetry tena sy hivavaka isan’andro. Tiany ny olony mba hahatsiaro mandrakariva an’ Andriamanitra sy mba ho mahatoky.

Sary
ny Mpanjaka Benjamina miteny

Nilaza tamin’ireo ray aman-dreny izy mba tsy hamela ny zanany hiady na hifanditra.

Sary
ray aman-dreny mampianatra zanaka

Nolazainy izy ireo mba hampianatra ny zanak’izy ireo mba ho mpankatò sy hifankatia ary hifanompo.

Sary
Nefita mihaino ny Mpanjaka Benjamina

Nampitandrina ny olona ny mba hitandrina amin’ny izay zavatra eritreretin’izy ireo, sy ho lazain’izy ireo ary ataon’izy ireo izy. Tokony ho olona mahatoky sy mitandrina ny didy izy ireo mandritra ny androm-piainan’izy ireo sisa.

Sary
ny Mpanjaka Benjamina miresaka amin’ny olona

Nanontany ny olona ny Mpanjaka Benjamina raha toa ka nino ireo fampianarany izy ireo. Niara-niteny izy ireo hoe eny. Nanova azy ireo ny Fanahy Masina ka tsy te hanota intsony izy ireo.

Sary
Nefita mitsika

Nanao fanekempihavanana, na nampanantena, ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra izy rehetra. Nahafaly ny Mpanjaka Benjamina izany.

Sary
ny Mpanjaka Benjamina mitsodrano an’i Môzià

Nomen’ny Mpanjaka Benjamina an’i Môzià ny zanany lahy ny zo mba ho mpanjaka vaovao. Telo taona taty aoriana dia maty i Benjamina Mpanjaka.

Sary
i Môzià eo am-perin’asa

Mpanjaka marina i Môzià. Niasa mafy izy ary nanompo ny olony tahaka ny nataon-drainy.

Hamoaka printy