Scripture Stories
Toko 37: i Nefia sy i Lehia ao am-ponja


Toko 37

i Nefia sy i Lehia ao am-ponja

Sary
i Helamàna sy ireo zanakalahiny

Zanak’i Helamàna i Nefia sy i Lehia. Tian’i Helamana ho marina tahaka an’ilay Nefia sy i Lehia izay nandao an’i Jerosalema izy ireo.

Sary
mampianatra ireo zanakalahiny i Helamàna

Nampianatra ireo zanany lahy mba hino an’i Jesoa Kristy i Helamàna. Nianatra izy ireo fa azo avy amin’ny finoana sy ny fibebahana ny famelan-keloka.

Sary
olona atao batisa

Nandeha nampianatra ny filazantsara tany amin’ny Nefita sy ny Lamanita i Nefia sy Lehia. An’arivony ny olona vita batisa.

Sary
Voafatotra i Nefia sy i Lehia

Raha nandeha tany amin’ny tany Nefia i Nefia sy i Lehia dia nisy tafika Lamanita iray izay nanagadra azy ireo sy tsy nanome azy ireo sakafo nandritra ny andro maro.

Sary
Nefia sy i Lehia ao anaty afo

Nandeha tany am-ponja hamono an’i Nefia sy i Lehia ny Lamanita saingy tsy nahavita izany izy ireo satria nisy faribolana afo iray izay niaro azy ireo ka nandoro izay rehetra nanandrana hikasika azy ireo.

Sary
i Nefia sy i Lehia ao anaty afo

Tsy main’ilay afo i Nefia sy Lehia. Niteny tamin’ny Lamanita izy ireo fa ny herin’ Andriamanitra no niaro azy ireo.

Sary
mihovitrovitra ny rindrin’ny fonja

Nanomboka nihovitrovitra ny tany sy ny rindrin’ny fonja. Nisy rahona maizina nanodidina ny olona tao am-ponja ka natahotra izy ireo.

Sary
miaramila ao anaty haizina

Nisy feo niteny avy eo ambonin’ilay haizina. Nalefaka tahaka ny bitsika ilay izy nefa nandre ilay izy ny rehetra.

Sary
olona ao anaty haizina

Niantso ny olona mba hibebaka ilay feo ka hitsahatra ny hiezaka hamono an’i Nefia sy i Lehia.

Sary
miaramila eo amin’ny tany

Niteny in-telo ilay feo ary mbola nihovitrovitra ihany ny tany sy ny rindrin’ny fonja. Tsy afaka nandositra ny Lamanita satria maizina loatra ny toerana ary natahotra be loatra izy ireo.

Sary
Namirapiratra ny tarehin’i Nefia sy i Lehia

Nisy Nefita mpikamban’ny Fiangonana iray izay nahita fa namirapiratra tao anatin’ny haizina ny tarehin’i Nefia sy i Lehia.

Sary
mamirapiratra i Nefia sy i Lehia

Nitraka nijery tany amin’ny lanitra i Nefia sy Lehia sady niresaka. Nasain’ilay lehilahy hijery ny Lamanita. Tian’izy ireo ho fantatra izay olona niresahan’i Nefia sy i Lehia.

Sary
i Aminadaba miresaka aman’olona

Nolazain’ilay lehilahy, izay nantsoina hoe Aminadaba, tamin’ny Lamanita fa niresaka tamin’ny anjely i Nefia sy i Lehia.

Sary
i Aminadaba miresaka

Nanontany an’i Aminadaba ny fomba hanalana ilay rahona maizina ny Lamanita. Novaliany fa mila mibebaka sy mivavaka izy ireo mandra-pananan’izy ireo finoana an’i Jesoa Kristy.

Sary
Lamanita mivavaka

Nivavaka mandra-pialan’ilay rahona maizina ny Lamanita.

Sary
afo manodidina olona

Rehefa lasa ny haizina dia nahita andry afo nanodidina azy ireo ny olona. Sady tsy nandoro azy ireo no tsy nandoro ny rindrin’ny fonja ny afo.

Sary
Lamanita

Nahatsapa fifaliana lehibe ny Lamanita ary feno ny Fanahin’ Andriamanitra ny fon’izy ireo.

Sary
Lamanita telo

Nisy feo nibitsibitsika fa hampihononina izy ireo noho ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

Sary
anjely

Nijery mba hahita ny fiavian’ilay feo ny Lamanita. Nahita anjely nidina avy tany an-danitra izy ireo.

Sary
Lamanita miresaka

Teo amin’ny 300 eo ho eo no isan’ny olona izay nahita sy naheno izay nitranga tao am-ponja. Nandeha sy nitantara tamin’ny hafa izy ireo.

Sary
Lamanita manary fitaovam-piadiana

Nino azy ireo ny ankamaroan’ny Lamanita ka nanary ny fiadian’izy ireo.

Sary
Lamanita sy Nefita miresaka

Nitsahatra tsy nankahala ny Nefita intsony ny Lamanita ary naverin’izy ireo ny tany izay nalain’izy ireo. Lasa marina kokoa noho ny Nefita ny Lamanita.

Sary
Lamanita sy Nefita mandeha an-tongotra

Maro ny Lamanita izay nanaraka an’i Nefia sy i Lehia ka nampianatra sy Nefita sy ny Lamanita.

Hamoaka printy