Toko 32
Ny Kapiteny Môrônia sy ny fanevan’ny fahafahana
Nisy olon-dratsy nantsoina hoe Amalekià izay naniry ho mpanjakan’ny Nefita. Nefita maro no niala ny Fiangonana mba hanaraka azy.
Raha lasa mpanjaka i Amalekià dia horavany ny Fiangonan’ Andriamanitra ary hoesoriny ny fahafahan’ny vahoaka.
Tezitra ny Kapiteny Môrônia raha naheno ny tetik’i Amalekià mba hahalasa mpanjaka azy (Amalekià).
Norovitin’i Môrônia ny akanjony mba hanamboarana faneva iray. Nanoratra hafatra tamin’izany izy mba hampatsiahivana ny olona hiaro ny fivavahany sy ny fahafahany ary ny fiadanany.
Nataon’i Môrônia tamin’ny tsorakazo ilay saina ary nantsoiny hoe fanevan’ny fahafahana ilay izy. Avy eo dia nanaovany ny akanjo fiadiany ary nandohalika nivavaka izy.
Nangataka tamin’ Andriamanitra izy mba hiaro ireo izay nino an’i Jesoa Kristy sy nivavaka ho an’ny fahafahana eo amin’ny tany, izay antsoiny hoe tanin’ny fahafahana.
Nandeha tany anivon’ny vahoaka i Môrônia. Nahofahofany ilay fanevan’ny fahafahana ka niantso azy ireo hanampy hiaro ny fahafahan’izy ireo izy.
Tonga avy amin’ny faritra rehetra ny olona. Nampanantena fa hitandrina ny didin’ Andriamanitra sy hiady ho an’ny fahafahana izy ireo.
Raha nahita ny isan’ny Nefita izay nitambatra tamin’i Môrônia i Amalekià dia natahotra. Nandeha sy nitambatra tamin’ny Lamanita izy sy ireo mpanara-dia azy.
Niezaka nanakana azy ireo i Môrônia sy ny tafikany saingy tafatsoaka i Amalekià sy ny lehilahiny vitsivitsy.
Nametraka fanevan’ny fahafahana iray isaky ny tilikambo teo amin’ny tany Nefita i Môrônia. Voatazon’ny Nefita ny fahafahany ary nisy indray ny fandriampahalemana.