Scripture Stories
Toko 42: Ireo fambara ny amin’ny fanomboana an’i Kristy


Toko 42

Ireo fambara ny amin’ny fanomboana an’i Kristy

Sary
lehilahy iray mihazona ny tanan’ny zazavavy iray

Telo amby telopolo taona no lasa hatramin’ny nahitan’ny olona ireo fambara ny amin’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy.

Sary
olona mijery eny amin’ny ny lanitra

Amin’izao izy ireo dia miandry ny fanambarana ny amin’ny fahafatesany: maizina mandritra ny telo andro.

Sary
olona mifanditra

Ny sasany dia tsy nino fa hitranga ny fambara. Nifanditra tamin’ireo mpino izy ireo.

Sary
lehilahy ao anatin’ny tafio-drivotra

Indray andro dia nisy tafio-drivotra mahery be. Nisy rivotra mafy be.

Sary
lehilahy iray mipetraka

Nisy tselatra mazava be sy kotro-baratra nampihovitrovitra ny tany manontolo.

Sary
lehilahy mitsoaka

Nirehitra ny tanànan’i Zarahemlà. Nilentika tany anaty ranomasina ny tanànan’i Môrônia. Levona tanaty tany ny tanànan’i Môrônihà.

Sary
Lehilahy iray sy ankizikely

Nisy horohoron-tany nampiovitrovitra ny tany manontolo. Nivakivaky ny arabe, ary nirodana ny trano. Maro tamin’ireo tanàna no simba ary be dia be ny olona maty.

Sary
tafio-drivotra manerana ny tany

Tokony ho teo amin’ny adiny telo teo ho eo no naharetan’ny tafio-drivotra sy ny horohoron-tany.

Sary
olona mandeha ao anatin’ny haizina

Rehefa nitsahatra ny tafio-drivotra sy ny horohoron-tany dia nisy haizina matevina nandrakotra ny tany. Tsy nisy jiro n’aiza n’aiza. Tsapan’ny olona ny haizina.

Sary
fianakaviana iray ao anatin’ny haizina

Naharitra nandritra ny telo andro ilay haizina. Tsy nety nirehitra ny labozia, ary tsy afaka nahita na masoandro na volana na kintana ny olona.

Sary
olona mitomany ao anatin’ny haizina

Nitomany noho ny haizina sy ny faharavana ary ny fahafatesana ny olona. Nanenina izy ireo fa tsy nibebaka tamin’ny fahotan’izy ireo.

Sary
olona ao anatin’ny haizina

Avy eo dia naheno ny feon’i Jesoa Kristy ny vahoaka.

Sary
tany rava ao anatin’ny haizina

Notantarain’i Jesoa azy ireo ny amin’ny faharavana lehibe teo amin’ny tany. Nilaza izy fa maty ireo olona ratsy fanahy indrindra.

Sary
olona mivavaka ao anatin’ny haizina

Nilaza izy fa ireo izay tsy maty dia mila mibebaka. Raha manao izany izy ireo sy manatona azy dia hotahiany izy ireo.

Sary
olona ao anatin’ny haizina

Talanjona loatra izy ireo taorian’ny naharenesan’izy irel ilay feo ka nitsahatra tsy nitomany. Nitsahatra nangina ny zava-drehetra nandritra ny ora maro.

Sary
fianakaviana iray ao anatin’ny haizina

Avy eo dia niteny tamin’ny vahoaka indray i Jesoa; naveriny matetika fa niezaka ny nanampy ny vahoaka izy. Raha mibebaka izy ireo izao dia mbola afaka miverina aminy.

Sary
olona mijery ambony

Afaka telo andro dia lasa ilay haizina. Faly ny olona ary nisaotra ny Tompo tamin-kafaliana.

Hamoaka printy