Scripture Stories
Toko 3: Mandao an’i Jerosalema i Lehia


Toko 3

Mandao an’i Jerosalema i Lehia

Sary
Nofin’i Lehia mombana dia

Faly tamin’i Lehia ny Tompo ary indray alina dia niteny taminy tao anaty nofy Izy. Niteny tamin’i Lehia Izy mba hitondra ny fianakaviany ary handao an’i Jerosalema. Nankato ny Tompo i Lehia.

Sary
fianakaviana any an-tany foana

Nanangona sakafo sy trano lay ny fianakavian’i Lehia. Nilaozan’izy ireo ny tranony sy ny volamenany sy ny volafotsiny ary dia nandeha tany an-tany foana izy ireo.

Sary
Lehia, Sarià, ary zanakalahy efatra

Nanan-janakalahy efatra i Lehia sy i Sarià vadiny. Lamàna, Lemoela, sy Samy, ary Nefia no anaran’izy ireo.

Sary
Trano lay sy fianakaviana

Rehefa avy nandeha nandritry ny telo andro izy ireo, dia nilasy teo an-dohasaha akaikina renirano ny fianakavian’i Lehia.

Sary
Lehia sy alitara

Nanangana alitara vita amin’ny vato sy nanao fanatitra ho an’ Andriamanitra i Lehia. Nisaotra an’ Andriamanitra izy noho ny famonjena ny fianakaviany tamin’ny fandravana.

Sary
i Lehia, i Lamàna sy i Lemoela

Nomen’i Lehia anarana hoe Lamàna ny ony ary Lemoela ny lohasaha. Naniry ny zanakalahiny ho tahaka ny ony sy ny lohasaha i Lehia, mba hikoriana mandrakariva mankany amin’ Andriamanitra sy tsy miovaova amin’ny fitandremana ny didy.

Sary
i Lamàna sy i Lemoela

Noheverin’i Lamàna sy i Lemoela fa adala ny rainy raha nandao an’i Jerosalema sy ny harenan’izy ireo. Tsy nino izy ireo fa ho ravana i Jerosalema.

Sary
i Nefia mivavaka

Naniry ny hahatakatra ny zavatra hitan’i Lehia i Nefia. Nivavaka izy mba hahafantatra raha mety ny nandaozan’ny rainy an’ i Jerosalema.

Sary
i Nefia mivavaka

Nitsidika an’i Nefia i Jesoa Kristy ary niteny taminy fa marina ireo tenin’i Lehia. Nino ary tsy nikomy tahaka an’i Lamàna sy Lemoela i Nefia.

Sary
i Nefia miresaka amin’i Samy

Nolazain’i Nefia tamin’ireo rahalahiny ny tenin’i Jesoa taminy. Nino an’i Nefia i Samy, fa i Lamàna sy i Lemoela kosa tsy nety nino.

Sary
i Nefia miresaka amin’ny rahalahiny

Nanome toky an’i Nefia ny Tompo fa hotahiany izy noho ny finoany. Ho lasa mpifehy ny rahalahiny izy.

Hamoaka printy