Scripture Stories
Toko 54: Ny fampanantenan’ny Bokin’i Môrmôna


Toko 54

Ny fampanantenan’ny Bokin’i Môrmôna

Sary
i Môrônia manoratra eo amin’ny takelaka

Talohan’ny nandevenan’i Môrônia ireo takela-bolamena farany dia nanoratra fampanantenana ho an’ny Lamanita sy izay rehetra hamaky ny rakitsoratra izy.

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Nasainy mamaky ny raikitsoratra ny olona, hieritreritra momba izany tsara ary hangataka amin’ Andriamanitra raha marina izany.

Sary
zatovolahy mivavaka

Nampanantena i Môrônia fa raha mangataka amin-kitsim-po sy am-pinoana an’i Kristy ny olona dia hanampy azy ireo ny Fanahy Masina hahafantatra raha marina ny rakitsoratra.

Sary
i Môrônia manoratra eo amin’ny takelaka

Nosoratan’i Môrônia fa raha mibebaka ny olona ka manaraka an’i Jesoa Kristy sy tia ny Ray any An-danitra dia afaka ny ho tanteraka izy ireo.

Sary
i Môrônia manafina ireo takela-bolamena

Rehefa vitan’i Môrônia ny fanoratana teo amin’ireo takela-bolamena dia nafeniny tao anaty boaty vato kely ao amin’ny havoana Kumôrà izy ireo ka nosaronany vato lehibe ilay boaty. Vita ny asany tety an-tany.

Hamoaka printy