Scripture Stories
Toko 14: I Abinadia sy i Noà Mpanjaka


Toko 14

I Abinadia sy i Noà Mpanjaka

Sary
Zenifa

Mpanjaka mendrika teo amin’ny vondrona Nefita iray i Zenifa. Rehefa niha-antitra izy dia lasa mpanjaka i Noà zanany lahy.

Sary
Noà

Tsy mpanjaka tsara tahaka ny rainy i Noà. Ratsy fanahy izy ary tsy nety nankato ny didin’ Andriamanitra.

Sary
manome ny fananany an’i Noà Mpanjaka ny vahoaka

Notereny ny vahoakany hanome azy ampahany amin’ny voan’izy ireo, ny biby fiompin’izy ireo, sy ny volamenan’izy ireo ary ny volafotsin’izy ireo izy.

Sary
i Noà eo amin’ny latabatra fisakafoanana

Ny hakamoan’i Noà mpanjaka no nahatonga azy hanao izany. Notendreny ny Nefita hanome azy izay rehetra ilainy amin’ny mba hivelomany.

Sary
mpisorona tsara fanahy sy ratsy fanahy

Nosoloiny mpisorona ratsy fanahy ireo mpisorona tsara fanahy voantson-drainy. Nampianatra ny vahoaka hanota ireo mpisorona ratsy fanahy ireo.

Sary
Seza fiandrianana ao amin’ny lapa sy mpiambina

Nampanamboatra trano tsara tarehy maro i Noà mpanjaka ao anatin’izany ny lapa malalaka be nisy seza fiandrianana. Voaravaka tamin’ny volamena sy volafotsy ary hazo lafo vidy ireo trano ireo.

Sary
Noà

Tian’i Noà mpanjaka ny harena nalainy tamin’ny vahoakany. Nandany ny fotoany tamin’ny fisotroana divay sy ny fanaovana ny ratsy izy sy ny mpisorony.

Sary
mitory fibebahana i Abinadia

Naniraka mpaminany antsoina hoe Abinadia Andriamanitra hankany amin’ny vahoakan’i Noà. Nampitandrina azy ireo i Abinadia fa raha tsy mibebaka izy ireo dia ho lasa andevon’ny Lamanita.

Sary
mipetraka eo an-databatra i Noà

Rehefa naheno izay nolazain’i Abinadia i Noà mpanjaka, dia tezitra izy. Naniraka ny lehilahiny hitondra an’i Abinadia any amin’ny lapa mba hahafahany mamono azy izy.

Sary
i Abinadia miresaka amin’ny mpanjaka

Nentina tany amin’ny mpanjaka i Abinadia. Nametraka fanontaniana maro taminy i Noà mpanjaka sy ny mpisorony. Nitady ny hamitaka azy mba hilaza zavatra diso izy ireo.

Sary
i Abinadia miresaka amin’ny mpanjaka

Tsy natahotra ny hamaly ny fanontanian’izy ireo i Abinadia. Fantany fa hanampy azy Andriamanitra. Talanjona tamin’ireo valin-tenin’i Abinadia ireo mpisorona.

Sary
Tezitra ny mpanjaka Noà

Tezitra i Noà mpanjaka ary nandidy ny mpisorony mba hamono an’i Abinadia. Niteny i Abinadia fa raha mikasik’azy izy ireo dia hovonoin’ Andriamanitra.

Sary
Arovan’ny Fanahy Masina i Abinadia

Niaro an’i Abinadia ny Fanahy Masina mba hahafahany mamarana ny teny izay nampitenenan’ny Tompo azy. Namiratra ny tavan’i Abinadia. Natahotra ny hikasik’azy ireo mpisorona.

Sary
i Abinadia miteny

Raha niteny tamin’ny herin’ Andriamanitra i Abinadia dia niteny tamin’ny vahoaka momba ny faharatsian’izy ireo izy. Novakiny tamin’izy ireo ny didin’ Andriamanitra.

Sary
i Maria sy i Josefa ary i Jesoa zazakely

Nambarany azy ireo fa ho teraka eto an-tany i Jesoa Kristy. Jesoa no hahatonga ny vahoaka ho afaka hibebaka, sy hitsangana amin’ny maty ary hiaina miaraka amin’ Andriamanitra.

Sary
Jesoa Kristy

Nasain’i Abinadia nibebaka sy nino an’i Jesoa Kristy ny vahoaka raha tsy izany dia tsy ho voavonjy izy ireo.

Sary
Naterina am-ponja i Abinadia

Tsy nety nino an’i Abinadia i Noàmpanjaka sy ny mpisorony rehetra afa-tsy anankiray. Nasain’i Noà novonoin’ireo mpisorony i Abinadia. Nofatoran’izy ireo sy natsipin’izy ireo tany am-ponja izy.

Sary
miresaka amin’ny Mpanjaka Noà i Almà

Almà no anaran’ilay mpisorona iray izay hany mba nino an’i Abinadia. Niangavy an’i Noà mpanjaka izy mba hanafahany an’i Abinadia.

Sary
miafina i Almà

Tezitra tamin’i Almà ny mpanjaka ka nanasainy noroasina hivoaka. Avy eo dia naniraka ny mpanompony izy hamono azy. Nandositra sy niafina i Almà ary tsy nahita azy intsony ireo mpanompo.

Sary
i Abinadia eo anoloan’ny mpanjaka Noà

Rehefa naharitra telo andro tao am-ponja dia nentina indray teo anoloan’i Noà mpanjaka i Abinadia. Niteny tamin’i Abinadia ny mpanjaka mba hanatsoaka ny teniny momba azy sy ny vahoakany.

Sary
Tezitra ny mpanjaka Noà

Niteny tamin’i Abinadia i Noà mpanjaka fa raha tsy mandà ny teny rehetra izay nolazainy izy dia hovonoina.

Sary
i Abinadia miteny

Fantatr’i Abinadia fa niteny ny marina izy. Nanaiky ny ho faty izy fa tsy hanatsoaka izay nanirahan’ Andriamanitra azy ho lazaina.

Sary
Nodorana i Abinadia

Nandidy ny mpisorony hamono an’i Abinadia i Noà mpanjaka. Nofatoran’izy ireo , sy nokapohany izy ary nodoran’izy ireo ho faty. Talohan’ny nahafatesany dia nolazain’i Abinadia fa ho faty amin’ny afo ihany koa i Noà mpanjaka.

Sary
Lamanita miady amin’ny vahoakan’i Noà

Nisy Nefita sasantsasany nanohitra an’i Noà mpanjaka ary nitady ny hamono azy. Tonga ihany koa ny tafika Lamanita hiady amin’ny mpanjaka sy ny mpanara-dia azy.

Sary
mandositra ny Mpanjaka sy ireo mpanara-dia azy

Nandositra ny Lamanita ny mpanjaka sy ny mpanara-dia azy nefa tratran’ny ny Lamanita izy ireo ary nanomboka namono azy ireo. Niteny tamin’ireo lehilahiny ny mpanjaka mba handao ny fianakaviany ary hanohy handositra ihany.

Sary
Lamanita misambotra olona

Maro tamin’ireo lehilahy no tsy nety nandeha. Voasambotry ny Lamanita izy ireo.

Sary
lehilahy tezitra amin’i Noà

Nalahelo ny ankabeazan’ny lehilahy izay nandositra niaraka tamin’i Noà Mpanjaka. Te hiverina sy hanampy ny vady aman-janany sy ny vahoakany izy ireo.

Sary
i Noà sy lehilahy hafa

Tsy tian’i Noà Mpanjaka ny hiverenan’ireo lehilahy any amin’ny fianakavian’izy ireo. Nandidy azy ireo hijanona miaraka aminy izy.

Sary
Lehilahy mandoro an’i Noà Mpanjaka

Tezitra tamin’i Noà Mpanjaka ireo lehilahy. Nandoro azy ho faty izy ireo, araka ny faminanian’i Abinadia. Avy eo dia niverina tany amin’ireo fianakaviany avy izy ireo.

Hamoaka printy