Toko 27 I Kôrihôra Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Kôrihôra tonga tao Zarahemla. Tsy nino an’i Jesoa Kristy izy ary nitory fa tsy marina ny zavatra nolazain’ireo mpaminany momba an’i Jesoa Kristy. Almà 30:6, 12–14 Nolazain’i Kôrihôra ny olona fa adala izy ireo raha mino fa i Jesoa dia ho avy eto an-tany sy hijaly ho an’ny fahotan’izy ireo. Almà 30:16 Nilaza izy fa ny olona dia tsy afaka ny hofaizina noho ny fahotany satria tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana. Maro ny olona nino an’i Kôrihôra. Lasa ratsy fanahy izy ireo. Almà 30:17–18 Niezaka nitory tamin’ny vahoakan’i Amôna i Kôrihôra fa tsy nohainoin’izy ireo. Nofatoran’izy ireo izy ary nentiny tany amin’i Amôna izay nandroaka azy hiala ny tanàna. Almà 30:19–21 Nankany amin’ny tanin’i Gideôna i Kôrihôra saingy tsy nety nihaino azy koa ny olona tany. Nalefan’ny lohan’ny mpitsara tany amin’i Almà izy. Almà 30:21, 29 Nanontanian’i Almà i Kôrihôra raha nino an’ Andriamanitra izy. Tsy nino izy hoy ny navalin’i Kôrihôra. Nijoro ho vavolombelona i Almà fa misy Andriamanitra ary ho avy i Kristy. Almà 30:37–39 Tian’i Kôrihôra hanao fahagagana i Almà mba hanaporofoina fa misy Andriamanitra. Nolazain’i Kôrihôra fa hino an’ Andriamanitra izy raha mahita famantarana iray amin’ny herin’ Andriamanitra. Almà 30:43 Notenenin’i Almà i Kôrihôra fa izy dia efa nahita famantarana maro ny amin’ny herin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo soratra masina sy ny tenivavolombelon’ny mpaminany rehetra. Almà 30:44 Nanambara i Almà fa ny tany sy ny zavatra rehetra eo aminy ary ny fihodin’ireo planeta eny amin’ny lanitra ihany koa dia famantarana fa misy Andriamanitra. Almà 30:44 Nandà ny hino i Kôrihôra. Nalahelo i Almà noho ny faharatsian’i Kôrihôra ary nampitandrina azy fa mety ho rava ny fanahiny. Almà 30:45–46 Nitady famantarana i Kôrihôra mba hanaporofoina fa misy Andriamanitra. Nilaza i Almà fa ny famantarana avy amin’ Andriamanitra ho an’i Kôrihôra dia ny hoe tsy ho afaka hiteny intsony. Almà 30:48–49 Rehefa avy nilaza izany Almà dia tsy afaka niteny i Kôrihôra. Almà 30:50 Nosoratan’i Kôrihôra fa fantany hoe io famantarana io dia avy amin’ Andriamanitra ary efa fantany hatrizay fa misy Andriamanitra. Nangataka an’i Almà izy mba hivavaka sy hanasorana ny ozona. Almà 30:52, 54 Fantatr’i Almà fa raha afaka miteny i Kôrihôra dia handainga amin’ny vahoaka indray. Nilaza i Almà fa ny Tompo no hanapa-kevitra raha afahana hiteny indray i Kôrihôra. Almà 30:55 Tsy naverin’ny Tompo tamin’i Kôrihôra ny fahafahany miteny. Nitety trano nangataka sakafo i Kôrihôra. Almà 30:56 Nandefa taratasy manerana ny tany ny lohan’ny mpitsara milaza ny zava-nitranga tamin’i Kôrihôra. Nasainy nibebaka ireo izay nino an’i Kôrihôra. Nibebaka ny vahoaka. Almà 30:57–58 Nandeha nipetraka niaraka tamin’ny Zoramita i Kôrihôra. Indray andro raha izy teo am-pangatahana iny dia voahitsakitsaka ambara-pahafatiny. Almà 30:59