Scripture Stories
Toko 20: i Almà sy i Nehôra


Toko 20

i Almà sy i Nehôra

Sary
i Almà zanany sy ny hafa

Talohan’ny nahafatesan’i Môzià Mpanjaka dia nifidy mpitsara hitondra azy ireo ny Nefita. Lasa lohan’ny mpitsara voalohany i Almà zanany. Izy ihany koa no mpitarika ny Fiangonana.

Sary
i Nehôra mampianatra lainga

Nisy lehilahy vaventy sy matanjaka antsoina hoe Nehôra izay nanomboka nampianatra lainga. Nolazainy fa ho voavonjy avokoa ny rehetra na tsara izy na ratsy. Betsaka ny olona nino ny tenin’i Nehôra.

Sary
i Gideôna sy i Nehora

Nitoriteny manohitra ny Fiangonan’ Andriamanitra i Nehôra, saingy nisy lehilahy marina iray antsoina hoe Gideôna niaro izany. Nifanditra tamin’i Gideôna i Nehôra fa i Gideôna kosa niteny tamin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra.

Sary
i Nehôra mamono an’i Gideôna

Lasa tezitra i Nehôra ary namoaka ny sabany ka namono an’i Gideôna.

Sary
Nentina tany amin’i Almà i Nehôra

Nentina tany amin’i Almà i Nehôra mba hotsaraina. Niaro ny tenany tamim-pahasahiana lehibe i Nehôra.

Sary
i Almà sy i Nehôra

Nefa nolazain’i Almà fa meloka i Nehôra satria nampianatra ny olona ho ratsy izy ary namono an’i Gideôna.

Sary
Almà

Nolazain’i Almà fa tsy maintsy saziana i Nehôra noho ny namonoany an’i Gideôna. Araka ny lalàna dia tsy maintsy ho faty i Nehôra.

Sary
Novonoina i Nehôra

Nentina tany an-tampon-kavoana tsy dia lavitra teo i Nehôra ary novonoina. Talohan’ny nahafatesany dia nilaza izy fa diso avokoa ny zavatra rehetra izay nampianariny. Nefa mbola betsaka ihany ny olona izay mbola nino ny fampianarana ratsy nataon’i Nehôra.

Sary
olona esoesoina

Ireo olona ireo dia tia harena sy tsy nety nankato ny didin’ Andriamanitra Naneso ny mpikamban’ny Fiangonana sy nifamaly ary niady taminy izy ireny.

Sary
mpivady esoesoina

Mbola nanohy nankat ny didin’ Andriamanitra ny olomarina ary tsy nitaraina izy ireo na dia tamin’ny fotoana izay nampijalian’ireo mpanara-dia an’i Nehôra azy ireo aza.

Sary
olona mizara

Nizara izay rehetra nananany tamin’ny mahantra ireo mpikamban’ny Fiangonana ary nikarakara ny marary izy ireo. Nankato ny didy izy ireo ary nitahy azy ireo Andriamanitra.

Hamoaka printy