Toko 39 Mandray hery lehibe i Nefia Nandeha nankany an-tranony i Nefia ary nieritreritra momba izay nasehon’ Andriamanitra taminy sy ny faharatsian’ireo Nefita. Nalahelo noho ny faharatsian’izy ireo izy. Helamàna 10:1–3 Niteny tamin’i Nefia ny Tompo ary nidera azy noho ny fankatoavany sy ny asany mafy amin’ny fitoriana ny filazantsara. Helamàna 10:4 Nahazo ny fahefana hanao na inona na inona i Nefia. Fantatry ny Tompo fa hampiasa izany fahefana izany am-pahamarinana izy. Helamàna 10:5 Naniraka an’i Nefia ny Tompo hampitandrina ny Nefita fa raha tsy mibebaka izy ireo dia hofongorana. Tonga dia nandeha nampitandrina ny vahoaka i Nefia. Helamàna 10:11–12 Tsy nino an’i Nefia ny Nefita. Saika nampidirin’izy ireo am-ponja izy saingy niaro azy ny herin’ Andriamanitra. Helamàna 10:15–16 Nanambara ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny Nefita rehetra i Nefia. Helamàna 10:17 Nefa vao mainka niharatsy bebe kokoa ny vahoaka ary nanomboka niady izy samy izy. Helamàna 11:1 Nivavaka mba hisian’ny mosary i Nefia ka nanantena fa hahatonga ny Nefita hanetry tena sy hanampy azy ireo hibebaka ny tsy fisian-tsakafo. Helamàna 11:3–4 Tonga ny mosary. Nitsahatra ny orana ka lasa maina ny tanim-boly ary tsy naniry ny voly. Nijanona niady ny vahoaka. Helamàna 11:5–6 Noana ny Nefita ary maro no maty tamin’izy ireo. Ireo izay mbola velona dia nanomboka nahatsiaro ny Tompo sy ny fampianaran’i Nefia azy ireo. Helamàna 11:6–7 Nibebaka noho ny fahotan’izy ireo ny vahoaka ary avy eo dia niangavy tamin’ny mpitsarany izy ireo mba hangataka an’i Nefia hanala ny mosary. Nandeha tany amin’i Nefia ireo mpitsara. Helamàna 11:8–9 Rehefa hitan’i Nefia fa nanetry tena sy nibebaka ny vahoaka dia nangataka tamin’ny Tompo izy mba hanajanona ny mosary. Helamàna 11:9–12 Namaly ny vavak’i Nefia ny Tompo ka nanomboka avy ny orana. Vetivety foana dia naniry indray ny voly. Nanome voninahitra an’ Andriamanitra ny vahoaka ary fantatr’izy ireo fa mpaminany lehibe i Nefia. Helamàna 11:17–18 Lasa mpikamban’ny Fiangonana ny ankamaroan’ny Nefita. Lasa mpanan-karena izy ireo ary niroborobo ny tanànan’izy ireo. Nisy fandriampahalemana tao amin’ny tany. Helamàna 11:20–21 Avy eo dia notafihan’ireoNefita sasany izay nikambana tamin’ny Lamanita teo aloha ny Nefita. Helamàna 11:24 Niezaka nandresy ny fahavalon’izy ireo izay lasa jirik’i Gadiantôna ny Nefita, saingy tsy nandresy izy ireo satria lasa ratsy fanahy indray izy ireo. Helamàna 11:26, 28–29 Rehefa marina ny Nefita dia notahian’ny Tompo izy ireo. Rehefa nirehareha sy nanadino ny Tompo izy ireo dia nomeny olana mba hahafahan’izy ireo mahatsiaro Azy. Helamàna 12:1–3