Toko 46 Mampianatra sy mivavaka miaraka amin’ireo Nefita i Jesoa Kristy Ireo Nefita izay nahita an’i Jesoa Kristy dia nilaza tamin’ny naman’izy ireo fa hiverina ny ampitso Izy. Be dia be ny olona izay niezaka mafy mba ho tonga amin’ny toerana hahitana an’i Jesoa. 3 Nefia 19:2–3 Ny ampitso maraina dia nampianatra ny olona nivory teo i Nefia sy ireo mpianatra hafa. Avy eo dia nivavaka ny mpianatra mba hahazoan’izy ireo ny Fanahy Masina. 3 Nefia 19:6–9 Niditra tao anaty rano i Nefia ary natao batisa. Avy eo dia nanao batisa ny mpianatra hafa izy. 3 Nefia 19:11–12 Rehefa vita batisa izy ireo dia nandray ny Fanahy Masina ny mpianatra. Toy ny hoe nisy afo izany nanodidina azy ireo ary nisy anjely nidina avy any an-danitra ka nanompo azy ireo. 3 Nefia 19:13–14 Raha mbola teo amin’ny mpianatra ny anjely dia tonga i Jesoa ka nijoro teo anivon’izy ireo. 3 Nefia 19:15 Nasain’i Kristy handohalika amin’ny tany ny Nefita rehetra. Nasainy nivavaka ireo mpianany. 3 Nefia 19:16–17 Raha nivavaka izy ireo dia nisitaka kely tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nandohalika sy nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra. 3 Nefia 19:18–20 Nisaotra ny Ray any Ann-danitra i Jesoa noho ny anomezany ny Fanahy Masina an’ireo mpianany. Avy eo Izy dia nangataka ny Fanahy Masina mba hirotsaka amin’ny rehetra izay mino ny tenin’ireo mpianatra. 3 Nefia 19:20–21 Nitsodrano ny mpianany i Jesoa raha mbola nivavaka izy ireo. Nitsiky tamin’izy ireo Izy ary lasa fotsy toy ny tarehiny sy ny akanjony izy ireo. 3 Nefia 19:25 Nivavaka indray ho an’ny mpianany i Jesoa. Faly Izy noho ny finoana lehibe izay nananan’izy ireo. 3 Nefia 19:29, 35 Niteny tamin’ny vahoaka mba tsy hivavaka intsony i Jesoa fa hanohy mivavaka ao am-pon’izy ireo. Avy eo dia nomeny ny fanasan’ny Tompo izy ireo. 3 Nefia 20:1–5 Tsy nisy nitondra mofo na divay kanefa nisy ihany noho ny fahagagana nataon’ny Mpamonjy. 3 Nefia 20:6–7 Nolazain’i Jesoa Kristy tamin’ny Nefita fa haverina eto antany indray amin’ny andro farany ny filazantsarany. 3 Nefia 21:1, 3, 7, 9 Nolazainy fa tokony hianatra ny soratra masina izy ireo ary nasainy nosoratan’i Nefia tao amin’ireo rakitsoratra ny fahatanterahan’ny faminaniana hafa nataon’i Samoela Lamanita. 3 Nefia 23:1, 9–13 Avy eo dia nampianatra ny vahoaka tamin’ny alalan’ny soratra masina i Jesoa. Nolazainy fa tokony hifampianatra izay zavatra nampianariny azy ireo izy ireo. 3 Nefia 23:14 Niakatra tany an-danitra indray i Jesoa ary nampianatra ny vahoaka ny mpianany. Ireo izay nino dia natao batisa ary nandray ny Fanahy Masina. 3 Nefia 26:15, 17 Nanomboka nankato ny didy rehetra ny Nefita. 3 Nefia 26:20