Scripture Stories
Toko 43: Niseho tamin’ireo Nefita i Jesoa Kristy


Toko 43

Niseho tamin’ireo Nefita i Jesoa Kristy

Sary
Nefita mivory

Nefita maro no nivory teo amin’ny tempoly tao Soafeno. Talanjona tamin’ireo fiovana lehibe teo amin’ny tany izy ireo.

Sary
olona miresaka

Niresaka momba an’i Jesoa Kristy sy ny fambara amin’ny fahafatesany ny olona.

Sary
olona mandre feo malefaka

Raha mbola niresaka izy ireo dia nandre feo malefaka avy any an-danitra. Nampamaivay ny fon’izy ireo ilay izy.

Sary
lehilahy mamihina vehivavy iray

Tamin’ny voalohany dia tsy azon’izy ireo ilay feo fa rehefa niteny fanintelony kosa dia azon’izy ireo.

Sary
olona mihaino

An’ny Ray any An-danitra ilay feo. Nampahafantatra an’i Jesoa Kristy ilay izy ary nilaza ny vahoaka mba hihaino azy.

Sary
i Jesoa teo anivon’ny olona

Nidina avy tany an-danitra i Jesoa Kristy ary nijoro teo anivon’ny olona. Natahotra ny hiteny izy ireo satria tsy fantatr’izy ireo ny zava-mitranga. Noheverin’izy ireo fa anjely i Jesoa.

Sary
i Jesoa miresaka amin’ny vahoaka

Nolazainy azy ireo fa izy ilay Jesoa Kristy nambaran’ireo mpaminany fa ho avy.

Sary
i Jesoa teo anivon’ny vahoaka

Nasain’i Jesoa nanatona azy ny olona ka nitsapa ireo holatra teny amin’ny lanivoany sy teny amin’ny tanany sy ny tongony izay namantsihana azy teo amin’ny hazofijaliana.

Sary
i Jesoa mipetraka miaraka amin’ny ankizy

Tian’i Jesoa ho fantatry ny olona fa izy no Andriamanitr’izy ireo; fa izy dia maty ho an’ny fahotan’izy ireo.

Sary
i Kristy miaraka amin’ireo Nefita

Ny olona tsirairay dia nitsapa ireo holatra teny amin’ny lanivoany, sy ny tanany ary ny tongony. Fantatry ny vahoaka fa izy no Mpamonjy.

Sary
vahoaka mitsaoka an’i Jesoa

Avy eo dia nidera an’i Jesoa ny vahoaka sy nianjera teo an-tongony ary nitsaoka azy.

Sary
i Jesoa manome fisoronana ireo lehilahy

Niantso an’i Nefia sy lehilahy 11 hafa i Jesoa hanatona azy. Nomeny ny herin’ny fisoronana izy ireo ary nampianariny ny tena fomba fanaovana batisa.

Sary
i Jesoa mampianatra ny vahoaka

Nasainy ny Nefita mba hino azy, sy hibebaka ary hitandrina ny didiny. Raha tsy manao izany izy ireo dia tsy afaka miditra ny fanjakany.

Sary
i Jesoa mampianatra ny vahoaka

Nampianariny ny Nefita ny fomba fivavahana amin’ny Ray any An-danitra. Nampianariny azy ireo ihany koa momba ny fifadian-kanina ary nilaza izy fa ho voavela ny helok’izy ireo raha mifamela heloka izy ireo.

Sary
i Jesoa mampianatra ny vahoaka

Rehefa avy nampianatra zavatra maro ny vahoaka i Jesoa, dia nasainy nody any an-tranony izy ireo sy hivavaka momba ny zavatra nambarany.

Sary
Nefita mitomany

Nanomboka nitomany ny Nefita. Tsy mbola tian’izy ireo handeha i Jesoa.

Sary
i Jesoa mampianatra ny vahoaka

Tian’i Jesoa ny Nefita. Nasainy nentin’izy ireo teny aminy ireo izay marary na maratra mba hositraniny.

Sary
i Jesoa nanasitrana ankizikely iray

Nositranin’i Jesoa ireo vahoaka ireo. Niankohoka teo ananatrehany ny rehetra ary nitsaoka azy.

Hamoaka printy