Scripture Stories
Toko 48: Fiadanana ao Amerika


Toko 48

Fiadanana ao Amerika

Sary
mampianatra ireo mpianatra

Rehefa niverina tany an-danitra i Jesoa dia nanangana ny Fiangonany nanerana ny tany ireo mpianany.

Sary
lehilahy atao batisa

Ireo olona izay nibebaka noho ny fahotany dia natao batisa sy nandray ny Fanahy Masina.

Sary
olona faly

Vetivety dia niova fo daholo ny Nefita sy ny Lamanita. Tsy nisy nifamaly ary marin-toetra daholo ny tsirairay.

Sary
olona mipetraka

Tsy nisy olona nanan-karena na nahantra. Nifampizara ny zava-drehetra ny vahoaka ary nanana izay nilainy ny rehetra.

Sary
lehilahy mahazo tsodrano

Nanao fahagagana maro tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy ny mpianatra. Nanasitrana ny marary ary nahatonga ny maty ho velona indray izy ireo.

Sary
olona manorina

Nanangana tanàna vaovao ny vahoaka solon’ireo izay rava.

Sary
lehilahy miresaka

Nankato ny didin’ Andriamanitra izy ireo. Nifady hanina sy nivavaka ary nivory matetika mba hihaino ny tenin’ Andriamanitra izy ireo.

Sary
ankizilahy milalao

Faly ny olona.

Sary
lehilahy miresaka

Tsy nisy mpangalatra, tsy nisy mpandainga, tsy nisy mpamono olona. Tsy voazara ho Nefita sy Lamanita intsony ny vahoaka fa iray ihany izy rehetra, dia ny zanak’i Kristy.

Sary
ray sy zanakalahy

Nitahy ny vahoaka tamin’ny zava-drehetra nataon’izy ireo ny Tompo.

Sary
olona miasa eny an-tsaha

Niaina tao anaty fiadanana nandritra ny 200 taona izy ireo. Lasa nanan-karena be ny vahoaka.

Hamoaka printy