Scripture Stories
Toko 50: Mandao an’i Babela ny vahoaka Jaredita


Toko 50

Mandao an’i Babela ny vahoaka Jaredita

Sary
miresaka i Jareda sy ny rahalahiny

Lehilahy marina i Jareda sy ny rahalahiny. Nipetraka tao amin’ny tanàna nantsoina hoe Babela izy ireo. Niaina an-jato taona maro talohan’ny Nefita izy ireo.

Sary
olon-dratsy tao Babela

Olon-dratsy ny ankabeazan’ireo olona tao Babela. Nanangana tilikambo izy ireo mba hanatrarana ny lanitra. Tezitra ny Tompo ary novainy ny fitenin’izy ireo.

Sary
miresaka amin’ny rahalahiny i Jareda

Nasain’i Jareda nivavaka ny rahalahiny ka hangataka amin’ny Tompo mba tsy hanovany ny fitenin’ny fianakavian’izy ireo sy ny an’ny naman’izy ireo.

Sary
mivavaka ny rahalahin’i Jareda

Nivavaka ny rahalahin’i Jareda ary namaly ny vavaka nataony ny Tompo. Mbola afaka mifankahazo teny i Jareda sy ny rahalahiny ary ny fianakavian’izy ireo sy ny naman’izy ireo.

Sary
mandao i Jareda sy ny fianakaviany

Nilaza tamin’ny rahalahin’i Jareda ny Tompo mba hanangona ny fianakaviany sy ireo namany ka hiala teo amin’ny tany. Nentin’izy ireo nanaraka azy ny bibiny sy voa isan-karany rehetra.

Sary
Ireo Jaredita mandeha

Nilaza ny Tompo fa Izy dia hitondra azy ireo ho any amin’ny tany nampanantenaina iray.

Sary
Jaredita

Nisambotra vorona sy trondro ireo Jaredita mba ho entiny miaraka amin’izy ireo.

Sary
renintantely

Nitondra andiana renintantely izy ireo.

Sary
mandeha ireo Jaredita

Nandeha tany an-tany foana ireo Jaredita. Tao amin’ny rahona no niresahan’ny Tompo tamin’izy ireo sy nanoroany ny lalana tokony halehan’izy ireo.

Sary
Jaredita

Nilaza ny Tompo fa ireo olona izay mipetraka eo amin’ny tany nampanantenaina dia tsy maintsy manompo an’ Andriamanitra raha tsy izany izy ireo dia hofongorana.

Sary
Jaredita milasy eo amoron-dranomasina

Namelatra ny lain’izy ireo ny Jaredita rehefa tonga teo amoron-dranomasina izy ireo. Nipetraka nandritra ny efa-taona teo akaikin’ny ranomasina izy ireo.

Hamoaka printy