Scripture Stories
Toko 53: I Môrônia sy ireo fampianarany


Toko 53

I Môrônia sy ireo fampianarany

Sary
i Môrônia manoratra eo amin’ny takelaka

Rehefa maty i Môrmôna dia tavela irery i Môrônia. Nofaranany ireo rakitsoratra nomen’ny rainy azy.

Sary
Nahita an’i Joseph Smith i Môrônia

Fantatr’i Môrônia fa havoaka avy ao amin’ny tany ireo takela-bolamena indray andro any.

Sary
mpivady mihazona ny Bokin’i Môrmôna

Milaza momba an’i Jesoa Kristy ireo teny eo amin’ireo takela-bolamena. Mijoro ho vavolombelona sy mampianatra ny olona hiaina amim-pahamarinana izy ireo.

Sary
Lamanita misambotra Nefita

Novonoin’ireo Lamanita ratsy fanahy avokoa ny Nefita rehetra izay tsy nety nandà an’i Jesoa Kristy.

Sary
i Môrônia miafina ny Lamanita

Tsy handà na oviana na oviana an’i Jesoa Kristy i Môrônia. Nivezivezy tetsy sy teroa izy niafina tamin’ny Lamanita.

Sary
Môrônia manoratra eo amin’ireo takelaka

Nanoratra misimisy kokoa i Môrônia teo amin’ireo takelaka, indrindra indrindra ho an’ireo Lamanita amin’ny andro farany.

Sary
zatovolahy manamasina ny fanasan’ny Tompo

Nanoratra zavatra manan-danja izy. Anisan’izany ireo teny atao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo.

Sary
lehilahy atao batisa

Nanoratra i Môrônia fa ny hany olona azo atao batisa dia ireo izay vonona ny hibebaka amin’ny fahotan’izy ireo sy hanompo an’i Jesoa Kristy.

Sary
i Jesoa Kristy

Tian’i Môrônia hino sy hahafantatra an’i Jesoa Kristy ny olon-drehetra. Nolazainy fa izay rehetra tsara dia avy amin’i Kristy.

Sary
Môrônia manoratra eo amin’ny takelaka

Nanoratra i Môrônia fa raha tia an’ Andriamanitra sy manaraka azy ny olona dia afaka ny ho tanteraka.

Sary
Môrônia

Fantatr’i Môrônia fa rehefa maty izy dia hitsangana amin’ny maty ary hiara-hiaina amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy