Toko 44 mitsodrano ireo ankizy i Jesoa Nasain’i Jesoa Kristy nentin’ny Nefita teo aminy ny zaza madinik’izy ireo. Nipetraka tamin’ny tany teo akaikin’i Jesoa ireo ankizy. 3 Nefia 17:11–12 Nasain’ny Mpamonjy nandohalika ny vahoaka. Avy eo Izy dia nandohalika nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra. 3 Nefia 17:13, 15 Mahatalanjona loatra ny vavaka nataon’ny Mpamonjy ka tsy hay nosoratana. Nameno fifaliana ny Nefita izany. 3 Nefia 17:15–17 Taorian’ny vavaka nataony dia nilaza tamin’ny Nefita i Jesoa hoe hotahiana izy ireo noho ny finoan’izy ireo. 3 Nefia 17:20 Nahatsapa fitiavana sy hasambarana lehibe tokoa izy ka nitomany. 3 Nefia 17:21 Avy eo dia noraisiny ireo ankizy ary notsofiny rano tsirairay. Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra ho azy ireo izy dia nitomany indray. 3 Nefia 17:21–22 Nolazain’i Jesoa ny Nefita mba hijery ireo zaza madinik’izy ireo. 3 Nefia 17:23 Rehefa nijery ny vahoaka dia nisy anjely maro nidina avy any an-danitra ary nanodidina ireo ankizy. Voahodidina afo ireo ankizy sy ireo anjely. 3 Nefia 17:24