Toko 26
Ny vahoakan’i Amôna
Nampianatra ny filazantsara ny Lamanita ireo zanakalahin’i Môzià. Lamanita an’arivony no nibebaka sy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana.
Ireo Lamanita izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana dia niantso ny tenan’izy ireo hoe Antia-Nefia-Lehia na ny vahoakan’i Amôna. Olona tsara toetra sy mahery miasa izy ireo.
Ireo Lamanita izay tsy nibebaka dia tezitra tamin’ny vahoakan’i Amôna ka niomana ny hiady amin’izy ireo.
Fantatry ny vahoakan’i Amôna fa ireo Lamanita ratsy fanahy dia ho avy hamono azy ireo saingy nanapa-kevitra izy ireo ny tsy hanohitra azy ireo. Efa nibebaka tamin’ny famonoan’olona izy ireo.
Nalevin’izy ireo lalina tanaty tany ny fitaovam-piadian’izy ireo ary nampanantena an’ Andriamanitra fa tsy hamono olona intsony izy ireo.
Rehefa tonga ireo Lamanita ratsy fanahy ary nanomboka namono azy ireo dia niankohoka tamin’ny tany sy nivavaka izy ireo.
Rehefa nahita fa tsy te hanohitra ny vahoakan’i Amôna dia maro tamin’ireo Lamanita ratsy fanahy no nitsahatra tsy namono azy ireo.
Nalahelo noho ny famonoana olona nataon’izy ireo ny Lamanita. Natsipin’izy ireo tamin’ny tany ny fitaovam-piadian’izy ireo ary nikambana tamin’ny vahoakan’i Amôna izy ireo. Tsy niady intsony izy ireo.
Mbola nisy Lamanita maro tonga hamono ny vahoakan’i Amôna. Mbola tsy te hanohitra ihany izy ireo ary maro no voavono.
Tsy tian’i Amôna ho fongana ny vahoaka izay tiany ka nivavaka izy mba hahazo fanampiana. Nilaza taminy ny Tompo hoe mila entiny miala ny tany ny vahoakany.
Nomen’ny Nefita tao Zarahemla an’i Amôna sy ny vahoakany ny tanin’i Jersôna ary niaro azy ireo izy. Lasa mpinamana izy ireo.