Scripture Stories
Toko 34: I Helamàna sy ireo zatovolahy miaramila 2000


Toko 34

I Helamàna sy ireo zatovolahy miaramila 2000

Sary
mpiambina eo amin’ny tamboho

Nampanantena an’ Andriamanitra ny vahoakan’i Amôna fa tsy hiady na oviana na oviana intsony. Nipetraka teo akaikin’ny Nefita izy ireo ary ny Nefita dia niaro azy ireo.

Sary
lehilahy maro miresaka amin’i Helamàna

Rehefa nanafika ny Nefita ireo fahavalon’ny vahoakan’i Amôna dia nitady handrava ny fampanantenana nataony ny vahoakan’i Amôna ka hanampy ny Nefita hiady.

Sary
i Helamàna miresaka amina vondron’olona

Tsy tian’i Helamàna sy ireo mpitarika Nefita hafa ny vahoakan’i Amôna handrava ny fampanantenana nataon’izy ireo tamin’ Andriamanitra.

Sary
ireo zanakalahin’ny vahoakan’i Amôna

Ireo zatovolahy zanaky ny vahoakan’i Amôna dia tsy nanao fampanantenana. Te hanampy ny Nefita hiady ho an’ny fahafahana izy ireo.

Sary
miaramila 2000

Roa arivo tamin’ireo zatovolahy ireo no nisafidy ny hiaro ny tanindrazan’izy ireo. Nangatahan’izy ireo mba ho mpitarika azy ireo i Helamàna.

Sary
miaramila telo

Ireo zatovolahy ireo dia sahy sy be herim-po ary natanjaka. Marin-toetra sy mendri-pitokisana ary nitandrina ny didin’ Andriamanitra ihany koa izy ireo.

Sary
i Helamàna sy ireo miaramila

Nitarika ireo zatovo miaramilany 2000 tamin’ny ady i Helamàna Nantsoiny hoe zanakalahiny izy ireo ary izy ireo niantso azy ho rain’izy ireo.

Sary
i Helamàna mitarika ireo miaramila

Na dia tsy mbola niady mihitsy aza ireo zanakalahin’i Helamàna dia tsy natahotra izy ireo. Nampianarin’ny renin’izy ireo izy ireo mba hanam-pinoana an’ Andriamanitra sy hahafantatra fa hanampy azy ireo izy.

Sary
miady ireo miaramila

Ady maro no nataon’i Helamàna sy ny tafikany tamin’ny Lamanita. Nankatoavin’ireo zatovolahy ireo avokoa ny baikon’i Helamàna rehetra.

Sary
ireo miaramila taorian’ny ady

Niady tamin-kerim-po izy ireo ary nanampy nanosika hiverina ny fahavalo. Taorian’ny ady dia hitan’i Helamàna fa naratra avokoa ireo zanany lahy kanefa tsy nisy maty na dia iray aza.

Sary
i Helamàna sy ireo miaramila

Fahagagana izany. Tena faly i Helamàna. Fantany fa ireo zatovolahy ireo dia voaaro noho ny finoana lehibe nananan’izy ireo an’ Andriamanitra.

Hamoaka printy