Scripture Stories
Toko 45: Mampianatra momba ny Fanasan’ny Tompo sy ny vavaka i Jesoa Kristy


Toko 45

Mampianatra momba ny Fanasan’ny Tompo sy ny vavaka i Jesoa Kristy

Sary
vondron’olona mandeha

Naniraka ny mpianany haka mofo sy divay i Jesoa Kristy. Nasainy nipetraka tamin’ny tany ny Nefita.

Sary
i Jesoa mizara mofo

Rehefa tafaverina ny mpianatra dia novakivakin’ny Mpamonjy ny mofo ary notsofiny rano. Nomeny ny mpianany ny sasany ary nasainy nomen’izy ireo ny vahoaka.

Sary
i Jesoa miresaka

Nolazain’i Jesoa fa ireo izay mandray ny fanasan’ny Tompo dia mampanantena fa hahatsiaro mandrakariva Azy sy ny sorona nataony. Avy eo dia mahazo ny Fanahiny izy ireo.

Sary
olona mizara divay

Notsofin’i Jesoa rano ny divay ary nomeny ireo mpianany. Nanome divay ny vahoaka ny mpianatra.

Sary
i Jesoa mampianatra

Nolazain’i Jesoa fa ireo izay mandray ny fanasan’ny Tompo dia mampanantena fa hitandrina ny didiny.

Sary
i Jesoa miresaka amin’ireo mpianany

Nolazain’i Jesoa tamin’ny mpianany indray fa izay rehetra mandray ny fanasan’ny Tompo ka mahatsiaro Azy mandrakariva dia hahazo ny Fanahiny.

Sary
i Jesoa miresaka amin’ny vahoaka

Niteny tamin’ny mpianany Izy fa hotahiana izy ireo raha toa ka mitandrina ny didiny.

Sary
i Jesoa miresaka amin’ireo mpianany

Nilaza tamin’izy ireo Izy mba hivavaka mandrakariva ary hivavaka tahaka ny nahitan’izy ireo Azy nivavaka.

Sary
miresaka amin’ny olon-drehetra ny Mpamonjy

Niteny tamin’ny Nefita ny Mpamonjy fa tokony hivavaka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny anarany izy ireo. Nandidy azy ireo ihany koa Izy mba hivavaka miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo.

Sary
olona mihaino an’i Kristy

Nolazainy fa tokony hivory matetika ny vahoaka. Tokony handray ny hafa ao amin’ny fivorian’izy ireo izy ireo ary hivavaka sy hanome ohatra tsara ho azy ireo.

Sary
i Jesoa miakatra any an-danitra

Nomen’ny Mpamonjy ny mpianany ny fahefana mba hanomezana ny Fanahy Masina. Avy eo dia nisy rahona nandrakotra ny vahoaka ka ny mpianatra ihany no nahita an’i Jesoa Kristy niakatra tany an-danitra.

Hamoaka printy