Toko 25 Mampianatra ny rain’ny Mpanjaka Lamônia i Aharôna Ny Fanahy dia nitarika an’i Aharôna sy ireo mpiara-mitory taminy ho amin’ny tanin’i Nefia mba hampianatra ny rain’i Lamônia, ilay mpanjaka manerana ny tanin’ny Lamanita rehetra. Almà 22:1 Nolazain’i Aharôna ny mpanjaka fa rahalahin’i Amôna izy. Nieritreritra foana ny hatsaram-panahin’i Amôna sy ny zavatra nambaran’i Amôna azy ny mpanjaka. Almà 22:2–3 Nanontanian’i Aharôna ny mpanjaka raha nino an’ Andriamanitra izy. Nilaza ny mpanjaka fa tsy dia fantany loatra saingy hino izy raha lazain’i Aharôna hoe misy Andriamanitra. Nanome toky ny mpanjaka i Aharôna fa velona Andriamanitra. Almà 22:7–8 Namaky soratra masina tamin’ny mpanjaka i Aharôna. Nampianariny azy ny momba ny Fahariana, sy ny Fahalavoan’i Adama, ary ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy. Almà 22:12–14 Nanontany ny mpanjaka hoe inona no zavatra mila ataony mba hahazoana mandray ny Fanahy Masina sy mba ho vonona ny hiara-hiaina amin’ Andriamanitra. Vonona ny hanao ny zava-drehetra ny mpanjaka eny na dia ny hamoy ny fanjakany aza. Almà 22:15 Nilaza tamin’ny mpanjaka i Aharôna fa mila mibebaka tanteraka amin’ny fahotany izy. Mila mivavaka sy manam-pinoana an’ Andriamanitra izy. Almà 22:16 Nivavaka ny mpanjaka mba hahafantarany raha toa ka tena misy Andriamanitra. Nilaza izy fa hafoiny avokoa ny fahotany rehetra. Almà 22:17–18 Nianjera tamin’ny tany ny mpanjaka; toy ireny hoe maty ireny. Rehefa hitan’ny mpanjakavavy izy dia noheveriny fa novoin’i Aharôna sy ireo mpiara-mitory taminy. Almà 22:19 Nodidian’ny mpanjakavavy ny mpanompony mba hamono an’i Aharôna sy ireo mpiara-mitory taminy saingy natahotra ny hanao izany ny mpanompony. Nampitadiaviny olon-kafa afaka manao izany izy ireo. Almà 22:20–21 Mialoha ny hahatafavory ny vahoaka ka hampisy olana dia noraisin’i Aharôna ny tanan’ny mpanjaka ary nasainy nitsangana izy. Nitsangana ny mpanjaka. Almà 22:22 Nampitonian’ny mpanjaka ny vadiny sy ireo mpanompony izay raiki-tahotra ka nampianariny ny filazantsara izy ireo. Nino an’i Jesoa Kristy izy rehetra. Almà 22:23