Scripture Stories
Olona Tsara ho Fantatra


Olona Tsara ho Fantatra

Abinadia

mpaminany iray nampianatra ny Mpanjaka Noà, nampamono ho faty an’i Abinadia tamin’ny afo

Adama

ilay lehilahy voalohany teto an-tany

Aharôna

zanakalahin’i Môzià Mpanjaka ary iray tamin’ireo misiônera nitory tany amin’ny Lamanita

Almà

mpisorona iray an’ny Mpanjaka Noà izay nino ny fampianaran’i Abinadia ary lasa mpitarika tao amin’ny Fiangonana taty aoriana

Almà Zanany

Zanakalahin’i Almà izay nikomy sy niezaka nandrava ny Fiangonana kanefa niova fo ary nanomboka nampianatra ny filazantsara. Lasa mpitarika tao amin’ny Fiangonana izy ary izy no lohan’ny mpitsara voalohany.

Amalikia

lehilahy ratsy fanahy iray izay te ho mpanjakan’ny Nefita saingy ho nanala ny fahafahan’ny vahoaka. Rehefa tsy lasa mpanjaka izy dia niala ka nikambana tamin’ny Lamanita.

Amarôna

lehilahy marina iray izay nanome an’i Môrmôna ireo takelaka mba ho voaaro

Amioleka

misiônera mpiara-mitory iray tamin’i Almà Zanany. Nampidirina tao am-ponja izy ireo saingy nampiasa ny herin’Andrimanitra ka nampianjera ny rindrin’ny fonja.

Amiôlôna

mpisorona ratsy fanahy iray an’i Noà Mpanjaka izay natao ho mpifehy ny vahoakan’i Almà. Nataony niasa mafy be izy ireo ary norahonany hovonoina izay olona tratra mivavaka.

Amlisia

lehilahy ratsy fanahy iray izay te ho mpanjakan’ny Nefita. Rehefa tsy lasa mpanjaka izy dia niala izy sy ny mpanara-dia azy ka nanafika ny Nefita ary avy eo dia nikambana tamin’ny Lamanita.

Amlisita

mpanara-dia an’i Amlisia. Nasiany marika mena teo amin’ny andrin’izy ireo dia nikambana tamin’ny Lamanita izy ireo.

Amôna, vahoakan’i

Lamanita nampian’ireo zanakalahin’i Môzià mba hiova fo. Nalevin’ireo olona ireo ny fitaovam-piadian’izy ireo ary nanao fanekempihavanana ny tsy hiady no oviana na oviana izy ireo.

Amôna1

ilay nitarika andiana Nefita avy tao Zarahemlà izay nandeha nankany amin’ny tanin’i Nefia sy nanampy ireo Nefita mba hitsoaka

Amôna2

iray tamin’ireo zanakalin’i Môzià izay niaro ny andian’ondrin’ny Mpanjaka Lamônia tamin’ny mpangalatra. Nampianatra sy nanampy Lamanita maro hiova fo izy nandritra ny asa fanompoany.

Benjamina, Mpanjaka

mpanjaka marina iray izay nijoro teo amin’ny tilikambo iray nampianatra ny vahoaka momba an’i Jesoa Kristy.

Enôsa

zanakalahin’i Jakôba izay nivavaka mandritra ny manontolo andro mandrak’alina. Nivavaka ho an’ny Nefita sy ny Lamanita izy.

Etera

mpaminany iray izay nampitandrina ny Jaredita mba hibebaka sy nanoratra momba ny famongorana azy ireo

Eva

ilay vehivavy voalohany teto an-tany

Gideona

lehilahy Nefita iray izay niaro ny Fiangonana rehefa nanomboka nampianatra lainga ny vahoaka i Nehôra. Maty novonoin’i Nehôra izy.

Hagôta

Nefita iray mpanamboatra sambo izy nitondra ny maro tamin’ny Nefita ho any amin’ny tany andafiavaratra

Helamàna

zanaka lahi-matoan’i Almà zanany. Izy no nomena ireo takelaka ary nasaina nanoratra ny tantaran’ny vahoakany. Izy ihany koa no mpitarika ireo zatovolahy miaramaila 2,000.

Himni

zanakalahin’i Môzià Mpanjaka ary iray tamin’ireo misiônera nitory tany amin’ny Lamanita

Ireo Antia-Nefia-Lehia

(jereo Amôna, vahoakan’i)

ireo zanakalahin’i Môzià

I Aharôna, Ammon,2 sy Himni, ary i Omnera, zanakalin’i Môzià, izay misiônera navitrika nitory tany amin’ny Lamanita

ireo zatovolahy roa arivo

tafika zatovolahy Amônita izay notarihan’i Helamàna. Niady izy ireo mba tsy ho voatery hiady ireo ray aman-drenin’izy ireo izay nanao fanekempihavanana ny tsy hiady.

Isimaela

lehilahy iray avy ao Jerosalema izay niara-dia tamin’ny fianakavian’i Lehia nankany amin’ny tany nampanantenaina. Nanambady ireo zanakahin’i Lehia ireo zanany vavy.

Jakôba

Zanakalahin’i Lehia sy ny i Saria. Izy no nifandahatra tamin’i Serema izay nilaza fa tsy misy i Kristy.

Jaredita

mpanara-dia an’i Jareda sy ny rahalahany izay nandao an’i Babela sy nandeha sambo ho any amin’ny tany nampanantenaina

Josefa

zanakalahin’i Lehia sy i Saria. Lehilahy marina izy ary izy dia teraka tany an-tany foana

Joseph Smith Zanany

mpaminanin’ny andro farany iray izay nandika ny Bokin’ i Môrmôna avy tamin’ny takelaka volamena

Kôriantomira

mpanjaka ratsy fanahy izay hany sisa Jaredita velona

Kôriantona

zanakalahin’i Almà zanany izay tsy misiônera tsy nahatoky sy tsy marina

Kôrihôra

lehilahy ratsy fanahy iray izay nitady famantarana mba hanaporofoina hoe misy Andriamanitra. Nomen’ Andriamanitra ho famantarana ho an’ny Kôrihôra ny nanaovana azy ho moana.

Labàna

lehilahy ratsy fanahy iray tao Jerosalema izay tsy nety nanome ireo takela-barahina ny zanakalahin’i Lehia

Lamàna

zanaka lahimatoan’i Lehia sy i Saria. Izy dia ratsy fanahy sy nikomy tamin’ Andriamanitra.

Lamàna, mpanjaka

mpanjaka Lamanita ratsy fanahy izay nanome tanàna roa an’i Zenifa sy ireo Nefita mpanara-dia an’i Zenifa kanefa notafihany izy ireo avy eo

Lamanita

Taranaka na mpanara-dia an’i Lamàna sy i Lemoela na ireo olona izay nandà ny filazantsara

Lamônia, mpanjaka

mpanjaka Lamanita izay nampianarina ny filazantsara sy nino izany. I Amôna2 no niaro tamin’ny mpangalatra ny andian’ondrin’ny mpanjaka.

Lamônia, rain’ny Mpanjaka

mpanjaka Lamanita izay nampianarina ny filazantsara sy nino izany. Nilaza izy fa hafoiny avokoa ny fahotany rehetra mba hahafantarana an’ Andriamanitra.

Lehia1

mpaminany iray izay nampitandrina an’i Jerosalema ny amin’ny faharavany. Nankatò izy rehefa nasain’ Andriamanitra hitondra ny fianakaviany ho any tany an-tany foana.

Lehia2

zanakalahin’ i Helamàna Izy sy i Nefia rahalihiny dia natsipy tany an-tranomaizina sy voahodidina afo.

Lemoela

zanakalahy ratsy fanahy an’i Lehia sy i Saria

Limhi, Mpanjaka

zanakalahy marina izay zanaky’i Noà Mpanjaka ratsy fanahy. Nandevozin’ny Lamanita izy sy ny vahoakany saingy tafatsoaka.

Maria

renin’i Jesoa

Môrmôna

mpitarika ny takify ny Nefita sy iray tamin’ireo mpaminany Nefita farany. Izy no nanambatra ny Bokin’ i Môrmôna.

Môrônia

zanakalahin’i Môrmôna ary izy no mpaminany Nefita farany. Izy no nandevina ireo takela-bolamena ary taty aoriana dia niseho tamin’i Joseph Smith tamin’ny maha-anjely azy.

Môrônia, Kapiteny

mpitarika marina iray izay tao amin’ny tafika Nefita. izy no nanamboatra ny fanevan’ny fahafahana sy nitaona ny miaramilany mba hiady ho an’ny fahafahan’izy ireo.

Môzià, Mpanjaka

mpanjaka Nefita farany. Nanan-janakalahy efatra izy.

mpomba ny mpanjaka

ireo Nefita izay tia ny fitarihan’ny mpanjaka fa tsy ny mpitsara. Rehefa tsy nety nanana mpanjaka izy ireo dia nikambana tamin’ny Lamanita ary nanafika ny Nefita.

Nefia1

zanakalahy marina an’i Lehia sy i Saria. Izy no naka ireo takela-barahina tamin’i Labàna sy nanamboatra ny sambo izay nitondra ny fianakaviany ho any amin’ny tany nampanantenaina.

Nefia2

zanakalahin’ i Helamàna. Izy sy i Lehia rahalahiny dia natsipy tany an-tranomaizina sy voahodidina afo. I Nefia dia nampisy mosary mba hampianarana ny vahoaka hibebaka.

Nefia3

Lehilahy marina iray izay nosafidian’i Jesoa Kristy ho mpianany sy ho mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Nefita

ireo mpanara-dia an’i Nefia na ireo olona izay nanaiky ny filazantsara

Nehôra

lehilahy ratsy fanahy iray izay nihizingizina nanohitra ny Fiangonanan’ Andriamanitra. Izy no namono an’i Gideôna ka novonoina.

Noà Mpanjaka

mpanjaka Nefita ratsy fanahy izay tia harena sy nampiana-dratsy ny olony. Ny olony ihany no nandoro azy ho faty.

olon’afaka

Ireo Nefita izay mandala ny fahafahana miaina sy mitsaoka araka izay safidiny. Mpitsara no mpitondra azy ireo fa tsy mpanjaka.

Ômnera

zanakalahin’i Môzià Mpanjaka ary iray tamin’ireo misiônera nitory tany amin’ny Lamanita

Pahôràna

lohan’ny mpitsara teo amin’ny Nefita izay nanampy ny Kapiteny Môrônia handresy ireo Nefita ratsy fanahy.

rahalahin’ i Jareda

mpaminany iray izay nangataka an’i Jesoa mba hikasika vato 16 mba hanazavana ireo sambo izay nampiasain’ny Jaredita nankanesana tany amin’ny tany nampanantenaina.

Samoela ilay Lamanita

mpaminany iray izay naminany tamin’ny Nefita momba ireo fambara ny nahaterahana sy nahafatesan’i Jesoa Kristy

Samy

zanakalahy marina an’i Lehia sy i Saria.

Sarià

Vadin’i1 Lehia

Seantoma

Rahalahin’i sy mpamono an’i Sezôrama

Serema

lehilahy ratsy fanahy iray izay nitady famantarana mialoha ny hinoany an’i Jesoa Kristy

Sezôrama

lohan’ny mpitsara izay novonoin’ny rahalahiny

Siza

lehilahy Jaredita ratsy fanahy iray izay nitarika tafika iray hanohitra an’i Kôriantomira sy iray tamin’ireo Jaredita velona farany

Zenifa

mpitarika marina iray izay nitondra andiana Nefita avy tao Zarahemlà ho any amin’ny tanin’i Nefia izay naha-lasa andevon’ny Mpanjaka Lamàna azy ireo.

Zerahemanà

mpitarika Lamanita iray izay niady tamin’ny Nefita sy nikasa ny hanandevo azy ireo. Voahendaka nandritra ny ady iray nifanaovany tamin’ny tafiky ny Kapiteny Môrônia ny hodi-dohany.

Zezrôma

mpahay lalàna iray izay nanome vola an’i Amioleka mba hilazany hoe tsy misy Andriamanitra. Nampianarin’i Almà zanany hibebaka izy ary nibebaka izy avy eo.

Zorama

mpanompo iray an’i Labàna izay niara-nandeha tamin’ny fianakavian’i Lehia ho any amin’ny tany nampanantenaina

Zoramita

vahoaka ratsy fanahy izay mpikambana taloha tao amin’ny fiangoanan’ Andriamanitra. Izy ireo dia nivavaka tao amin’ny sinagogany nijoro teo amin’ny toeram-pitsanganana iray nantsoina hoe Rameomtôma.

Hamoaka printy