Scripture Stories
Toko 35 : Kapiteny Môrônia sy i Pahôràna


Toko 35

Kapiteny Môrônia sy i Pahôràna

Sary
i Môrônia mamaky taratasy

Faly ny Kapiteny Môrônia nandre fa maro tamin’ireo tanin’ny Nefita no azon’i Helamàna sy ny miaramilany indray.

Sary
miaramila mijoro eo amin’ny tamboho

Saingy nila fanampiana i Helamàna sy ny tafikany. Tsy ampy ny miaramilan’izy ireo mba hiarovana tanàna maro be.

Sary
i Kapiteny Môrônia manoratra

Nanoratra taratasy ho an’i Pahôràna, lohan’ny mpitsara sy governora ny Kapiteny Môrônia. Nangataka an’i Pahôràna izy mba handefa miaramila fanampiny mba hanampy ny tafik’i Helamàna.

Sary
Lamanita manafika tanàna

Nanafika ny tanàna iray efa azon’ny Helamàna sy ny tafikany ny Lamanita. Namono Nefita maro izy ireo ary noroasiny hiala ny tanàna ny ambiny.

Sary
i Môrônia manoratra

Tezitra tamin’ireo mpitarika tao amin’ny governemanta i Môrônia satria tsy nandefa fanampiana izy ireo ka nandefa taratasy iray hafa ho an’i Pahôràna i Môrônia.

Sary
miaramila

Nosoratan’i Môrônia hoe maro ny olona maty satria i Pahôràna tsy nandefa miaramila fanampiny.

Sary
i Môrônia manoratra

Raha tsy nandefa vatan-dehilahy sy sakafo haingana i Pahôràna dia hitondran’i Môrônia ny miaramilany ho any Zarahemla ka halainy izay zavatra ilain’ny miaramilany.

Sary
mandray taratasy i Môrônia

Tsy ela dia naharay taratasy avy tany amin’i Pahôràna i Môrônia. Nalahelo be izy hoe nijaly i Môrônia sy ny tafikany.

Sary
i Pahôràna manoratra taratasy

Notenenin’i Pahôràna tamin’i Môrônia fa misy vondrona Nefita ratsy fanahy iray antsoina hoe olon’ny mpanjaka no tsy nanaiky ahy ho lohan’ny mpitsara. Noteren’izy ireo hiala an’i Zarahemla izy sy ny mpomba azy.

Sary
miaramila mivory ivelan’ny tanàna

Nampian’i Pahôràna hoe eo am-panangonana tafika izy mba hiezaka haka an’i Zarahemla indray.

Sary
ny mpanjaka sy ny olony

Nisafidy mpanjaka iray mba ho mpitarika azy ireo ny olon’ny mpanjaka ary nikambana tamin’ny Lamanita.

Sary
i Pahôràna manoratra taratasy

Tsy tezitra tamin’ny zavatra nosoratan’i Môrônia i Pahôràna. Naniry ny mba haha-olon’afaka ny Nefita ihany koa izy.

Sary
mamaky taratasy i Môrônia

Nangataka an’i Môrônia izy mba hitondra vatan-dehilahy vitsy hanampy azy ary nilaza fa raha afaka manangona lehilahy misimisy i Môrônia eny am-pandehanana dia afaka maka indray an’i Zarahemla ny fitambaran’ny tafika.

Sary
mitazona taratasy i Môrônia

Faly ny Kapiteny Môrônia fa mbola tsy nivadika tamin’ny tanindrazany ary mbola maniry ny fahafahan’ny vahoakany ihany i Pahôràna.

Sary
i Môrônia sy ireo miaramila

Nihaona tamin’i Pahôràna i Môrônia niaraka tamin’ny olony vitsivitsy. Nitondra ny fanevan’ny fahafahana izy ary lehilahy an’arivony no nanaraka azy ireo teny am-pandehanana.

Sary
miady eo amin’ny rindrin’ny tanàna

Ny fitambaran’ny tafik’i Môrônia sy ny an’i Pahôrana dia nandeha nanohitra ny tanin’i Zarahemla. Novonoin’izy ireo ny mpanjakan’ireo Nefita ratsy fanahy ary nalain’izy ireo ho babo ny olony.

Sary
i Môrônia sy ireo miaramila

Avy eo dia nandefa sakafo sy miaramila 12,000 i Môrônia hanampy ny tafika Nefita. Ireo miaramila ireo dia nanosika ny miaramila Lamanita hiala ary nisy fandriam-pahalemana indray teo amin’ny tany.

Hamoaka printy