Scripture Stories
Toko 19: Lasa mpitory ny filazantsara ny zanakalahin’i Môzià


Toko 19

Lasa mpitory ny filazantsara ny zanakalahin’i Môzià

Sary
zanakalahin’i Môzià efatra

Nanan-janaka lahy efatra i Môzià: i Amôna, i Aarôna, i Ômnera ary i Himnia. Tafaraka tamin’i Almà zanany izy ireo rehefa nisy anjely niseho taminy.

Sary
zanakalahin’i Môzià

Nibebaka tamin’ny fahotan’izy ireo ny zanakalahin’i Môzià ary nalahelo noho ny olana nataon’izy ireo. Fantatr’izy ireo fa marina ny filazantsara ary naniry ny hampianatra izany amin’ny hafa izy ireo.

Sary
zanakalahin’i Môzià miresaka

Tsy nanaiky ho mpanjaka ny zanakalahin’i Môzià tsirairay. Saingy te ho mpitory ny filazantsara any amin’ny Lamanita izy ireo ary hizara aminy ireo fitahian’ny filazantsara.

Sary
i Môzià mpanjaka mivavaka

Nivavaka i Môzià Mpanjaka mba hahafantarany raha tokony hamela ireo zanany handeha izy. Niteny taminy Andriamanitra mba hamelany azy ireo handeha ary dia ho voaaro izy ireo. Betsaka ny Lamanita izay hino ny fampianaran’izy ireo.

Sary
mivavaka ireo zanakalahy efatra

Nandeha nampianatra ny Lamanita ireo zanakalahin’i Môzià. Nifady hanina sy nivavaka izy ireo mba ho tonga misiônera tsara.

Hamoaka printy