Scripture Stories
Toko 11: Enôsa


Toko 11

Enôsa

Sary
i Jakôba manome ireo takela an’i Enôsa

Zanakalahin’i Jakôba i Enôsa. Nitazona ireo takelaka izy ary nanoratra teo amin’izy ireo rehefa maty ny rainy.

Sary
Enôsa mihaza

Indray andro i Enôsa dia nihaza tany an’ala. Nieritreritra momba ny fampianaran-drainy izy ary naniry mba ho voavela tamin’ny fahotany.

Sary
i Enôsa mivavaka

Nandohalika i Enôsa ka nivavaka tamin’ Andriamanitra. Nivavaka nandritra ny andro manontolo izy ary mbola nivavaka teo foana rehefa alina ny andro.

Sary
i Enôsa mivavaka

Nambaran’ Andriamanitra tamin’i Enôsa fa noho ny finoany an’i Jesoa Kristy dia voavela ny fahotany.

Sary
i Enôsa mivavaka

Avy eo dia naniry i Enôsa ny mba hitahian’ny Tompo ny Nefita. Nivavaka ho azy ireo izy, ary nilaza ny Tompo fa hitahy azy ireo raha mitandrina ny didiny izy ireo.

Sary
Lamanita

Naniry ihany koa i Enôsa ny mba hitahian’ny Tompo ny Lamanita. Nivavaka tamin’ny finoana lehibe izy ka nampanantena ny hanao izay zavatra nangatahin’i Enôsa taminy ny Tompo.

Sary
Lamanita miady amin’ny Nefita

Na dia niady tamin’ny Nefita sy niezaka ny hamotika ny rakitsoratr’izy ireo aza ny Lamanita dia nivavaka i Enôsa mba ho lasa olo-marina izy ireo.

Sary
i Enôsa mivavaka

Nivavaka i Enôsa mba ho voaro ireo rakitsoratra notanany. Nampanantena ny Tompo fa indray andro any ny Lamanita dia homeny ny fampianarany izay eo amin’ireo rakitsoratra.

Sary
i Enôsa mitory amin’ny Nefita

Tiany ny mba hinoan’izy ireo an’ Andriamanitra sy hitandremany ireo didy. Naniry ny ho tonga tety an-tany i Losifera sy hanery ny olona rehetra hitandrina ny didy.

Sary
Lamanitra miasa

Niezaka nampianatra ny filazantsara ny Lamanita ny Nefita kanefa tsy nety nihaino izy ireo. Nankahalain’ny Lamanita ny Nefita.

Sary
Enôsa manoratra

I Enôsa dia nandany ny androm-piainany tamin’ny fampianarana ny olona momba an’i Jesoa sy ny filazantsara. Nanompo an’ Andriamanitra izy ary nitia azy nandritra ny fiainany rehetra.

Hamoaka printy