Scripture Stories
Toko 24 : Mifanena amin’ny rain’ny Mpanjaka Lamônia i Amôna


Toko 24

Mifanena amin’ny rain’ny Mpanjaka Lamônia i Amôna

Sary
i Lamônia miresaka amin’i Amôna

Te hitondra an’i Amôna mba hihaona amin-drainy ny Mpanjaka Lamônia. Nampitandrina an’i Amôna mba tsy handeha ho any ny Tompo satria hikasa ny hamono azy ny rain’i Lamônia.

Sary
i Amôna sy i Lamônia

Fa nasain’ny Tompo ho any Midonia kosa i Amôna. Voatazona am-ponja any i Aarôna rahalahiny. Nandeha niaraka tamin’i Amôna ny Mpanjaka Lamônia.

Sary
i Amôna sy i Lamônia miaraka amin’ny rain’i Lamônia

Teny an-dalana izy ireo dia nifanena tamin’ny rain’ny Mpanjaka Lamônia izay mpanjaka manerana ny tany. Nanontaniany i Lamônia hoe handeha ho aiza izy sy ny Nefita mpandainga.

Sary
i Amôna sy i Lamônia ary ny rain’i Lamônia

Notantarain’i Lamônia Mpanjaka ny rainy ny momba an’i Amôna sy ny amin’ny rahalahiny izay any am-ponja. Tezitra ny rain’i Lamônia ka nandidy an’i Lamônia hamono an’i Amôna sy tsy handeha ho any Midônia.

Sary
Ny rain’i Lamônia mitady hamono an’i Lamônia

Nandà ny hamono an’i Amôna i Lamônia sady niteny fa izy sy i Amôna dia handeha hanafaka an’i Aharôna. Vao mainka tezitra ny rain’i Lamônia ka namoaka ny sabany hamono an’i Lamônia.

Sary
i Amôna nandratra ny rain’i Lamônia

Nandroso i Amôna mba hiaro an’i Lamônia. Avy eo dia niezaka ny namono an’i Amôna ny rain’i Lamônia saingy niaro ny tenany izy ka nandratra ny sandrin’ny rain’i Lamônia.

Sary
i Amôna sy ny rain’i Lamônia

Rehefa hitan’ny rain’i Lamônia fa afaka mamono azy i Amôna dia nomeny an’i Amôna ny antsasaky ny fanjakany raha toa ka mitsimbina ny ainy izy.

Sary
i Amôna miresaka amin’ny rain’i Lamônia

Notantarain’i Amôna fa tiany ny hanafahana avy tao am-ponja an’i Aharôna sy ireo mpiara-mitory aminy ary tiany mba ho afaka ny hitazona ny fanjakany i Lamonia.

Sary
i Amôna mamehy ny ratran’ny mpanjaka

Tsapan’ny rain’i Lamônia fa tsy te handratra azy i Amôna. Gaga tamin’ny halehiben’ny fitiavan’i Amôna ny zanany izy. Nasainy i Amôna mba hampianatra azy ny filazantsara.

Sary
ny Mpanjaka Lamônia miresaka amin’ny Mpanjakan’i Midônia

Nankany Midôna i Amôna sy ny Mpanjaka Lamônia. Niresaka tamin’ny mpanjaka tao i Lamônia ary navoaka avy tao am-ponja i Aharôna sy ireo mpiara-mitory taminy.

Sary
i Aharôna sy ny mpiara-mitory taminy navoaka avy tao am-ponja

Nalahelo i Amôna nahita ny fomba tsizarizary nitondrana azy ireo. Nijaly be izy ireo saingy nanam-paharetana.

Hamoaka printy