Scripture Stories
Toko 40: Miresaka momba an’i Jesoa Kristy i Samoela Lamanita


Toko 40

Miresaka momba an’i Jesoa Kristy i Samoela Lamanita

Sary
Lamanita mandeha an-tongotra

Nankato ny didin’ Andriamanitra ny Lamanita. Lasa marina kokoa noho ny Nefita izy ireo.

Sary
i Samoela mitory amin’ny Nefita

Samoela izay mpaminany Lamanita iray dia nandeha tany Zarahemlà nitory tany amin’ny Nefita ratsy fanahy. Nasainy hibebaka izy ireo.

Sary
mitsoaka ny mpiambina Nefita i Samoela

Nandroaka an’i Samoela hivoaka ny tanàna ny Nefita ary dia nanomboka ny diany miverina any amin’ny taniny izy.

Sary
i Sameola mivavaka

Saingy naniraka an’i Samoela hiverina any Zarahemlà ny Tompo sy hiteny amin’ny vahoaka izay zavatra hapetraky ny Tompo ao am-pony.

Sary
i Samoela mitory avy eny amin’ny manda

Tsy navelan’ny Nefita hiditra ao an-tanàna i Samoela ka dia niakatra teo ambon’ny mandan’ny tanàna izy ary teo izy no nitory.

Sary
olona mihaino an’i Samoela

Naminany izy fa ho fongotra ny Nefita rehefa afaka 400 taona raha tsy mibebaka sy manam-pinoana an’i Jesoa Kristy.

Sary
i Samoela miresaka

Niteny tamin’ny Nefita i Samoela fa ho teraka i Jesoa Kristy rehefa afaka dimy taona ary Izy no hamonjy izay rehetra nino Azy.

Sary
kintana ambonin’i Betlehema

Niteny tamin’izy ireo momba ny famantarana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy i Samoela. Hisy kintana vaovao hipoitra ary tsy ho maizina ny alina alohan’ny fahaterahan’i Jesoa.

Sary
olona mipetraka ao anatin’ny haizina

Avy eo dia niteny tamin’izy ireo momba ny famantarana ny fahafatesan’i Jesoa i Samoela. Ho maizina tanteraka mandritra ny telo andro ka tsy hamirapiratra ny masoandro na ny volana na ny kintana.

Sary
tselatra mirefotra amin’ny trano

Hisy kotroka sy tselatra sy horohoro tany koa. Hirodana ny tendrombohitra ary maro ireo tanàna izay ho fongotra.

Sary
Nefita miresaka amin’i Nefia

Nisy Nefita izay nino an’i Samoela ka nibebaka noho ny fahotan’izy ireo. Nandeha izy ireo nitady an’i Nefia, izay Nefita marina, afaka manao batisa azy ireo.

Sary
mitifitra zanatsìpika an’i Samoela ny olona

Tsy nino an’i Samoela ny Nefita sasany. Nitora-bato sy nitifitra zanatsìpika tany aminy izy ireo. Nefa niaro azy ny Tompo ka tsy nisy nahavoa azy na vato na zanatsìpika.

Sary
Nefita mitifitra zanatsìpika

Rehefa hitan’ny vahoaka fa tsy mety voa izy dia maro hafa tamin’izy ireo no nino ka nandeha tany amin’i Nefia mba hatao batisa.

Sary
manao batisa olona i Nefia

Nampianatra ny vahoaka momba an’i Jesoa koa i Nefia. Tiany hino an’i Jesoa sy hibebaka ary hatao batisa izy ireo.

Sary
lehilahy mikatra tohatra

Na dia izany aza dia tsy nino an’i Samoela ny ankamaroan’ny Nefita. Niezaka ny hisambotra azy izy ireo.

Sary
i Samoela nitsambikina avy eny amin’ny manda

Nitsambikina nidina avy eny amin’ny manda i Samoela ka nihazakazaka tany amin’ny fireneny izy.

Sary
Samoela mampianatra Lamanita

Nanomboka nampianatra ireo Lamanita i Samoela. Tsy re intsony na oviana na oviana tany amin’ny Nefita izy.

Hamoaka printy