Avia, hanaraka Ahy
20–26 aprily. Môzià 4–6: “Fiovana mahery vaika”


“20–26 aprily. “Môzià 4–6: -Fiovana mahery vaika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“20–26 aprily. Môzià 4–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
I Benjamîna Mpanjaka mampianatra ny vahoakany

Ny fanompoana an’ Andriamanitrareo, nataon’i Walter Rane

20–26 aprily

Môzià 4–6

“Fiovana mahery vaika”

Rehefa mamaky sy misaintsaina ny Môzià 4–6 ianao dia mifantoha amin’ny bitsiky ny Fanahy Masina. Inona no zavatra tsara tsapanao fa tokony hataonao? (Jereo ny Môzià 5:2).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Efa nahare olona iray nandahan-teny ve ianao dia nahatsapa fa notaomim-panahy hanova ny fiainanao? Noho ny zavatra renao, dia mety nanapa-kevitra ny hanova kely ny fomba fiainanao ianao, na hanova be izany. Ny toriteny nataon’i Benjamîna Mpanjaka dia karazana lahateny toy izany, ary ny fahamarinana izay nampianariny dia nanana fiantraikany tahaka izany teo amin’ireo olona izay nandre izany. Nizara ny zavatra izay nampianarin’ny anjely iray azy tamin’ny vahoakany i Benjamîna Mpanjaka, fa misy fitahiana mahatalanjona afaka ny ho azo amin’ny alalan’ “ny ran’ny sorompanavotan’i Kristy” (Môzià 4:2). Ny hafatr’i Benjamîna Mpanjaka dia nanova tanteraka ny fomba fijerin’izy ireo ny tenany (jereo ny Môzià 4:2), nanova ny faniriany (jereo ny Môzià 5:2), ary nitaona azy ireo hanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra fa hanao ny sitrapony mandrakariva izy ireo (jereo ny Môzià 5:5). Toy izany no fiantraikan’ny tenin’i Benjamîna Mpanjaka teo amin’ny olony. Inona no ho fiantraikan’izany eo aminao?

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Môzià 4

Afaka mandray sy mihazona ny famelana ny fahotako aho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Tsy mora ny mandresy ny olona araka ny nofo. Mitaky ezaka lehibe ny fahatongavana ho “olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo” (Môzià 3:19). Indraindray, na dia efa nahatsapa ho voavela tamin’ny fahotanao aza ianao, dia mety ho sahirana amin’ny fihazonana izany fahatsapana izany sy amin’ny fijanonana ho marina. Nampianarin’i Benjamîna Mpanjaka ny olony ny fomba sady hahazoana no hihazonana ny famelana ny fahotana ary manohy miaina tsy tapaka amin’ny maha-olomasina. Rehefa mandalina ny toko 4 ao amin’ny Môzià ianao dia mety hametraka fanontaniana tahaka ireto amin’ny tenanao:

Andininy 1–12:Inona avy ireo fitahiana nentin’ny famelana ny fahotana teo amin’ireo vahoakan’i Benjamîna Mpanjaka? Inona no nampianarin’i Benjamîna Mpanjaka mba hanampiana azy ireo hihazona ny famelana ny fahotan’izy ireo? Inona no nampianariny mikasika ny fomba hahazoantsika ny famonjena? Jereo ny zavatra nolazain’i Benjamîna Mpanjaka fa tokony “[hotanantsika] mandrakariva ao amin’ny fahatsiarovana” (andininy 11). Mahatsapa fa tokony hanao inona ianao mba hahatsiarovana ireo zavatra ireo?

Andininy 12–16:Araka ny voalazan’ireo andininy ireo, dia inona no hitranga eo amin’ny fiainantsika raha toa isika ka manao ireo zavatra voalaza ao amin’ny andininy 11? Efa niaina ireo fiovana ireo teo amin’ny fiainanao ve ianao? Inona no hifandraisan’izany amin’ireo fiovana fariparitana ao amin’ny Môzià 3:19?

Andininy 16–30:Nahoana ny fanomezana ny fananana ho an’ny ory no manampy antsika hihazona ny famelana ny fahotantsika? Ahoana no azonao hampiharana ny andininy 27 amin’ny ezaka ataonao mba ho lasa tahaka an’i Kristy?

Jereo koa ny David A. Bednar, “Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo,” Liahona, mey 2016, 59–62; Dale G. Renlund, “Mihazona ilay fiovam-po mahery vaika,” Liahona, nôv. 2009, 97–99.

Môzià 5:1–7

Afaka miteraka fiovam-po mahery vaika ny Fanahin’ny Tompo.

Efa mahazatra ny mahare olona milaza hoe “Tsy afaka ny hiova aho. Efa toy izany mihitsy aho.” Mifanohitra amin’izany, ny zavatra niainan’ny vahoakan’i Benjamîna Mpanjaka dia maneho amintsika ny fomba hahafahan’ny Fanahin’ny Tompo manova marina ny fontsika. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Afaka manova ny fitondran-tenantsika isika. Na ny faniriantsika aza dia afaka miova. … Ny fiovana marina—ny fiovana maharitra—dia tsy afaka ny ho tonga raha tsy amin’ny alalan’ny hery manasitrana sy manadio ary mahatanteraka ao amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany. … Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia filazantsaran’ny fiovana!” (“Fanapahan-kevitra ho an’ny mandrakizay,” Liahona, nôv. 2013, 108).

Rehefa mamaky momba ny fiovana izay niainan’ireo vahoakan’i Benjamîna Mpanjaka ianao, dia eritrereto ny fomba nahafahany na hahafahan’ilay “fiovana mahery vaika” mitondra mankany amin’ny fiovam-po marina mitranga eo amin’ny fiainanao. Efa nisy fotoana “mahery vaika” vitsivitsy nitondra ho amin’ny fiovam-ponao ve, sa nitranga tsikelikely ny fiovam-ponao?

Jereo koa ny Ezekiela 36:26–27; Almà 5:14; David A. Bednar, “Miova fo ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 106–9.

Sary
I Kristy manasitrana vehivavy iray marary

Afaka manova ny fontsika sy ny fiainantsika ny Mpamonjy. Tanana manasitrana, nataon’i Adam Abram

Môzià 5:5–15

Mitondra eo amiko ny anaran’i Kristy aho rehefa manao fanekempihavanana.

Antony iray tian’i Benjamîna Mpanjaka hiresahana tamin’ny vahoakany ny “[hanome] anarana ity vahoaka ity.” Nefita ny sasany ary taranak’i Mioleka ny sasany, saingy tsy ireo no anarana tao an-tsainy. Nanasa ny vahoaka izy mba hitondra eo aminy “ny anaran’i Kristy” tao anatin’ny fanekempihavanan’izy ireo mba hankatò an’ Andriamanitra (Môzià 1:11; 5:10). Inona no ianaranao avy amin’ny Môzià 5:7–9 mikasika ny dikan’ny hoe mitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy?

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ny loharano[n’ny hery ara-môraly sy ara-panahy] dia Andriamanitra. Ny fomba ahafahantsika mahazo izany hery izany dia amin’ny alalan’ny fanekempihavanana ataontsika Aminy” (“Ny herin’ny fanekempihavanana,” Liahona, mey 2009, 20). Eo am-pamakianao ny Môzià 5:5–15, dia ataovy lisitra ireo fitahiana izay ho avy eo amin’ny fiainanao raha mitandrina ny fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra ianao. Ahoana no hanampian’ny fitandremanao ny fanekempihavananao anao hihazona ilay “fiovana mahery vaika” izay teraka ao anatinao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Môzià 4:9–12

Ahoana no hahafahan’ny fianakavianao “[hino] an’ Andriamanitra” (Môzià 4:9) bebe kokoa ary “[hitana] mandrakariva ao amin’ ny fahatsiarovana ny halehibeazan’ Andriamanitra”? (Môzià 4:11). Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mamaky ny Môzià 4:9–12 ary mitady ireo andian-teny izay manampy amin’ny fampiorenana ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra. Dia afaka manoratra ireo andian-teny ireo izy ireo avy eo ary mametraka izany manerana ny trano mba ho fampahatsiahivana. Nahoana ny fahatsiarovana ireo zavatra ireo no hanampy antsika “hifaly mandrakariva” sy “hitana … ny famelana ny fahota[ntsika]”? (Môzià 4:12).

Môzià 4:14–15

Inona no ianarantsika mikasika ny fifandirana sy ny fiadiana avy amin’ireo andininy ireo?

Môzià 4:16–26

Amin’ny lafiny inona no maha-mpangataka antsika rehetra? Araka ny voalazan’ireo andininy ireo dia ahoana no tokony hitondrantsika ny zanak’ Andriamanitra rehetra? (Môzià 4:26). Iza no mila ny fanampiantsika?

Môzià 4:27

Mihazakazaka haingana kokoa noho izay tratran’ny herinareo ve ny fianakavianao? Azonao atao ny manasa ny olona ao amin’ny fianakaviana mba hanombantombana ny zavatra ataon’izy ireo mba hakana antoka fa mazoto izy ireo, kanefa hendry ihany koa.

Môzià 5:5–15

Toy ny ahoana izany ny rohim-pihavanantsika amin’i Kristy raha mitondra ny anarany eo amintsika isika? Mety hanampy ny miresaka ny antony hanoratan’ny olona ny anarany amin’ny zavatra izay azy ireo indraindray. Ahoana no ahafahantsika maneho fa “an’ny Mpamonjy isika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mikolokoloa tontolo iray feno fitiavana. Ny fomba hifampitondran’ny olona ao amin’ny fianakaviana dia afaka ny hisy fiantraikany lalina eo amin’ny tontolon’ny tokantranonao. Ampio ny rehetra ao amin’ny fianakavianao hanao ny anjarany amin’ny fanorenana tokantrano feno fitiavana sy fanajana mba hahazo aina ny tsirairay hizara ireo zavatra niainana na fanontaniana na fijoroana ho vavolombelona. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15.)

Sary
I Kristy mamahana vorona eo an-jaridaina

Eo ambany fiahiany lalandava, nataon’i Greg K. Olsen

Hamoaka printy