Avia, hanaraka Ahy
20–26 aprily. Môsià 4–6: “Fiovana mahery vaika”


“20–26 aprily. Môsià 4-6: -Fiovana mahery vaika-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“20–26 aprily. Môsià 4–6,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Benjamina Mpanjaka mampianatra ny vahoakany

Ny fanompoana an’ Andriamanitrareo, nataon’i Walter Rane

20–26 aprily

Môsià 4–6

“Fiovana mahery vaika”

Inona amin’ireo fampianaran’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môsià 4–6 no tena hanampy ny ankizy ampianarinao mba hanomboka hiaina “fiovana mahery vaika” (Môsià 5:2) ao am-pon’izy ireo? Raketo ireo zavatra tsapanao rehefa mitady fitarihana ombam-bavaka ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Soraty eo amin’ny taratasy lavalava tsirairay ny anaran’ny ankizy tsirairay ary apetraho ao anatin’ny fitoeran-javatra iray ireo taratasy lavalava ireo. Isaky ny misintona ny anarana tsirairay avy ao amin’ilay fitoeran-javatra ianao dia asao izany ankizy izany mba hizara zavatra izay tadidin’izy ireo mikasika ny lesona tamin’ny herinandro lasa na zavatra izay nianaran’izy ireo avy amin’ny Môsià 4–6 tany an-trano tamin’ity herinandro ity.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Môsià 4:1–3, 10

Mitondra fifaliana ny fibebahana.

Ampio ny ankizy hianatra mikasika ilay fanomezana mahagaga dia ny fibebahana izany izay misy noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny Môsià 4:1–3 sy 10 mba hampianarana ny ankizy ny dikan’ny hoe mibebaka. Ohatra, ampio izy ireo hahita fa nahatsapa alahelo ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka noho ny fahotan’izy ireo ary nangataka famelan-keloka (andininy 1–2), ary nasain’i Benjamina Mpanjaka mba handao (na hampitsahatra) ny fahotany izy ireo (andininy 10). Vakio amin’izy ireo ny andininy 3 ary anontanio azy ireo ny zavatra tsapan’ny vahoaka rehefa nibebaka izy ireo.

  • Anontanio an’ireo ankizy ny zavatra tsapa rehefa mandoto ny akanjontsika isika. Inona no tsapantsika rehefa lasa madio indray isika? Hazavao fa toy ny fanasana ny lamba maloto dia afaka mibebaka isika rehefa manao fahadisoana. Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy ary mijoroa ho vavolombelona fa Izy dia manana ny hery hanesorana ny fahotantsika sy hanaovana izay hampadio antsika indray rehefa mibebaka isika. Hirao miaraka amin’ny ankizy ny andininy faharoa ao amin’ny “Aide-moi, Père,” Chants pour les enfants, 52. Anontanio ny ankizy ny zavatra ampianarin’ilay hira mikasika ny fibebahana.

Môsià 4:13–26

Tokony hitondra ny hafa amim-pitiavana sy amin-katsaram-panahy aho.

Ahoana no ahafahanao mampiasa ny Môsià 4:13–26 mba hampianarana ny ankizy “hifankatia sy hifanompo”? (andininy 15).

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina fo kely eo amin’ny solaitrabe. Asao ny ankizy hizara fomba ahafahan’izy ireo maneho hatsaram-panahy amin’ny hafa. Isaky ny mizara izy ireo dia fafao ilay fo ary manaova sarina fo lehibe kokoa. Mijoroa ho vavolombelona fa mitombo ny fitiavantsika ny hafa rehefa maneho hatsaram-panahy amin’izy ireo isika. Omeo taratasy miendrika fo ny ankizy ary asao izy ireo hanao sary an’ireo fomba ahafahan’izy ireo mampiseho fitiavana sy hatsaram-panahy eo amin’ireo fo ireo.

  • Ampio ny ankizy mba hanao fihetsika eo am-pihiran’izy ireo hira iray momba ny fitiavana ny hafa toy ny “Aimez chacun” na “Aimez vos frères” (Chants pour les enfants, 39, 74).

Môsià 5:5–15

Rehefa manao fanekempihavanana amin’Andriamanitra aho dia mitondra ny anaran’i Kristy eo amiko.

Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao mba hiomana hanao ireo fanekempihavanan’ny batisa amin’ Andriamanitra ary ho antsoina hoe “zanak’i Kristy” (Môsià 5:7).

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy mba hanamboatra marika apetraka eny amin’ny tratra izay ahitana ny anarana hoe “Jesoa Kristy” ary apetaho eo amin’ny akanjon’izy ireo mifanandrify amin’ny fon’izy ireo izany (jereo ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity). Hazavao fa i Benjamina Mpanjaka dia nampianatra ny vahoakany fa rehefa manao fanekempihavanana isika na fampanantenana amin’Andriamanitra dia toy ireny manana ny anaran’i Kristy izay “voasoratra mandrakariva ao am-pon[tsika]” ireny isika (Môsià 5:12). Inona no ampanantenaintsika fa hataontsika rehefa atao batisa sy mandray ny fanasan’ny Tompo isika? (jereo ny Môsià 5:8; FF 20:37, 77, 79).

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra hataon’izy ireo mba ho lasa naman’ny olona iray (ohatra, mifampiresaka amin’izy ireo, manao zavatra miaraka amin’izy ireo ary manokana fotoana iarahana amin’izy ireo). Vakio amin’ny ankizy ny Môsià 5:13. Inona no azontsika atao mba hahafantarantsika tsara kokoa an’i Jesoa Kristy mba tsy ho “vahiny” amintsika Izy?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Môsià 4:1–11

Afaka mibebaka aho.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra ny dikan’ny hoe mibebaka? Iza avy ireo andininy ao amin’ny Môsià 4:1–11 izay tsapanao fa hanampy azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe famelan-keloka. Iaraho mamaky ny Môsià 4:1–3, ary angataho ny ankizy hitady teny ao amin’ny andininy 3 izay mamaritra ireo fitahiana tonga rehefa mibebaka sy mandray famelan-keloka isika.

  • Angataho ny ankizy hitanisa ireo zavatra izay tsy maintsy ataontsika mba hibebahana tanteraka sy amin-kitsim-po. Ampio izy ireo hahita ny sasany amin’ireo zavatra ireo ao amin’ny Môsià 4:10, ary ifanakalozy hevitra ny dikan’ireo teny sy fehezan-teny ao anatin’izany andininy izany. Mizarà tantara iray izay mampiseho ny fibebahana, mety avy amin’ny fiainanao manokana izany na avy ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana nivoaka vao haingana.

  • Ampio ny ankizy hitady teny ao amin’ny Môsià 4:6, 9, sy 11 izay mamaritra ny Ray any An-danitra. Nahoana no manan-danja ny mahatakatra hoe manao ahoana ny Ray any An-danitra rehefa mila mibebaka isika? Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fomba nahatsapanao ny fitiavan’Andriamanitra rehefa nibebaka ianao.

Môsià 4:12–26

Mamporisika ahy hitondra ny hafa amim-pitiavana sy amin-katsaram-panahy ny filazantsara.

Nampianatra i Benjamina Mpanjaka fa rehefa manatona an’i Kristy isika ary mandray ny famelana ny fahotantsika dia “feno ny fitiavan’Andriamanitra” (Môsià 4:12), izay mitarika antsika ho feno fitiavana sy hatsaram-panahy amin’ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hamaky ny Môsià 4:13–16, 26 ary hitady ireo fehezan-teny izay mamaritra ny fomba ahafahantsika manompo ny hafa. Asao izy ireo mba haneho ireo zavatra ireo amin’ny alalan’ny fihetsika na hanao ny sarin’izany, ary avelao ny ankizy ambiny hamantatra ilay fehezan-teny. Ahoana no fomba ahafahantsika maneho fitiavana sy hatsaram-panahy any an-trano na any an-tsekoly na any am-piangonana?

  • Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainan’izy ireo izay nahitana azy ireo nitia na nanompo olona iray ary mba hizara ny zavatra tsapan’izy ireo tamin’ny alalan’izany zavatra niainana izany. Inona avy ireo antony sasany mety mahatonga ny olona tsy te hanompo ny hafa? Anontanio ny ankizy izay holazain’izy ireo amin’ny olona iray mba handresena lahatra azy ireo hanampy olona mila fanampiana. Afaka mahita hevitra ao anatin’ny Môsià 4:16–26 izy ireo.

Sary
ankizivavy iray milalao miaraka amin’ny zaza iray

Nampianatra antsika mba ho tsara fanahy amin’ny hafa i Jesoa Kristy.

Môsià 5:5–15

Rehefa vita batisa aho ary mandray ny fanasan’ny Tompo dia mitondra eo amiko ny anaran’i Kristy.

Maro amin’ireo ankizy ampianarinao no mety efa vita batisa ary manavao ny fanekempihavanana nataon’izy ireo amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo. Ampahatsiahivo azy ireo fa ny ampahany manan-danja iray ao amin’ny fanekempihavanan’ny batisa nataon’izy ireo dia ny fitondran’izy ireo eo aminy ny anaran’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina faribolana eo amin’ny solaitrabe ary asio sarin’i Jesoa Kristy eo afovoan’ilay faribolana. Asao ny ankizy hanao ny sarin’izy ireo rehefa miaraka mamaky ny Môsià 5:8 ianareo. Inona no lazain’io andininy io fa tokony hoentintsika eo amintsika? Inona no “efa [nataontsika]”? Asao ny ankizy mba hanoratra ny anaran’i Kristy eo amin’ny sarin’ny tenan’izy ireo ary hametraka ireo sary ao anatin’ilay faribolana miaraka amin’ny Mpamonjy. Inona no fanekempihavanana ataontsika rehefa atao batisa isika ary mandray ny fanasan’ny Tompo? (jereo ny Môsià 18:8–9; FF 20:77, 79).

  • Resaho amin’ny ankizy ny antony hametrahan’ny olona ny anaran’izy ireo eo amina zavatra, toy ny asa ampanaovina any an-tsekoly, akanjo fanaovana fanatanjahan-tena sy ny sisa (jereo ny Môsià 5:14–15). Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa ny anaran’i Kristy dia “voasoratra mandrakariva ao am-pon[tsika]”? (Môsià 5:12).

  • Manasà zatovolahy na zatovovavy iray avy ao amin’ny paroasy mba hitsidika ny kilasinao ary hanazava mikasika ireo fanekempihavanana havaozintsika amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Iaraho mamaky amin’ny ankizy ireo vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77 ary 79 ka asao izy ireo hitady ireo fehezan-teny izay mamaritra ny zavatra ekentsika fa ataontsika sy ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra ho valin’izany.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hanao sary ny zavatra nianaran’izy ireo androany ary hampiasana ny sary nataon’izy ireo mba hampianarana ny fianakavian’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampianaro ny ankizy mba hirakitra ireo zavatra tsapa. Na ny ankizy aza dia afaka mianatra ny fahazarana mirakitra ireo zavatra tsapa ara-panahy. Ohatra, amin’ny alalan’ny fanasiana marika ny soratra masina, na ny fanaovana sary na ny fanoratana lahatsoratra tsotra ao anatin’ny diary.

Hamoaka printy