Avia, hanaraka Ahy
13–19 aprily. Môzià 1–3: “Fenon’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra”


“13–19 aprily. Môzià 1–3:—Fenon’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny olon-drehetra—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“13–19 aprily. Môzià 1–3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Benjamina Mpanjaka mampianatra ny vahoakany

Minerva K. Teichert (1888–1976), King Benjamin’s Farewell Address, 1935, hosodoko eo ambony masonite, 91.44 x 121.92 sentimetatra. Oniversiten’ny Tao-java-kanto an’i Brigham Young

13–19 aprily

Môzià 1–3

“Fenon’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny olona rehetra”

Rehefa mamaky ny Môzià 1–3ianao, dia mivavaha mba hahafantarana ny fomba ahafahana manampy ireo ankizy ampianarinao hahatakatra ireo fahamarinana manan-danja nampianaran’i Benjamina Mpanjaka . Raketo an-tsoratra ireo hevi-baovao azonao avy amin’ny Fanahy Masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asehoy ny sarin’i Benjamina Mpanjaka mampianatra, izay hita ao anatin’ity rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra fantany mikasika ilay sary.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Môzià 2–3

Rehefa manompo ny hafa aho, dia manompo an’ Andriamanitra koa.

Inona no hataonao mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa ny fanompoana ny hafa dia fomba iray koa hanompoana an’Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Avelao ny ankizy hifandimby hanao satro-boninahitra (misy ohatra iray mampiseho izany ao anatin’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity) ary hitsangana eo amin’ny seza iray na seza bory iray mba hody hanao hoe Benjamina Mpanjaka. Azon’izy ireo atao izany eo am-pizaranao ny sasantsasany amin’ireo zavatra izay nampianaran’i Benjamina Mpanjaka ny vahoakany izay hita ao amin’ny Môzià 2–3. Jereo koa ny “Toko 12: Benjamina Mpanjaka” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 32-35, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org).

  • Asao ny ankizy hamerina ity fehezan-teny manaraka ity ka teny vitsivitsy isaky ny mandeha no averina rehefa miaraka mitehaka aminao isaky ny vaninteny tsirairay izy ireo: “Rehefa eo amin’ ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo” (Môzià 2:17). Avereno izany mandra-pahaizan’ny ankizy ny sasantsasany amin’ireo teny na ireo teny rehetra. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manampy ny hafa isika dia manampy koa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa ary mitondra fifaliana ho azy ireo. Angataho ny ankizy hizara ireo fomba izay ahafahan’izy ireo manampy ny hafa.

  • Ampio ny ankizy hanoritra ny tanan’izy ireo eo amin’ny taratasy iray ary hanao ny sarin’ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanompoana ny fianakavian’izy ireo. Miaraha mihira hira iray momba ny fanompoana toy ny Nous aidons tous avec joie”Chants pour les enfants, 108).

Sary
ankizy mamoritra tapa-damba iray.

Nampianatra i Benjamina Mpanjaka fa afaka manompo an’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa.

Môzià 2:19–25

Avy amin’ny Ray any An-danitra ireo fitahiana rehetra azoko.

Rehefa tsapan’ny ankizy fa Andriamanitra no loharanon’ireo fitahiany rehetra, dia ho feno fanetrentena sy fisaorana izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa nampianatra i Benjamina Mpanjaka fa avy amin’ny Raintsika any An-danitra ireo fitahiana rehetra azontsika. Asao ny ankizy hihaino fitahiana iray izay nomen’ny Ray any An-danitra antsika rehefa mamaky ny Môzià 2:21ianareo. Inona avy ireo fitahiana hafa izay nomen’ny Ray any An-danitra antsika? Ahoana no ahafahantsika maneho fa velom-pankasitrahana isika noho ireo zavatra ireo? (jereo ny Môzià 2:22).

  • Manaova kilalao izay ahitana ny ankizy mampitapita zavatra iray eo am-pihiran’izy ireo hira iray momba ny fankasitrahana na eo am-pihainoan’izy ireo hira iray mikasika izany (jereo ny hoe “Gratitude” ao amin’ny fizahana lohahevitra ao amin’ny Chants pour les enfants). Ajanony ny fihirana na ny mozika eny antenantenany eny ary asao izay mihazona ilay zavatra mba hizara fitahiana iray izay maha-feno fankasitrahana azy.

Môzià 3:1–20

Mino an’i Jesoa Kristy aho.

Nisy anjely iray nilaza fahamarinana manan-danja tamin’i Benjamina Mpanjaka mikasika ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoana nataony. Jereo ao anatin’ireo andininy ireo ireo fahamarinana mikasika an’i Jesoa izay tsapanao fa zava-dehibe ny hahalalan’ny ankizy azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sary ahitana ny sasantsasany amin’ireo zava-nitranga izay voalaza ao amin’ny Môzià 3:5–10 (jereo mba hahitana ohatra ny, Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 30, 41, 42, 5759). Anontanio ny ankizy ny zava-mitranga ao amin’ireo sary ireo ary ampio izy ireo rehefa ilaina izany. Vakio miadana ny Môzià 3:5–10, ary asao ny ankizy mba hanangana ny tanan’izy ireo rehefa mamaky zavatra hita ao amin’ny iray amin’ireo sary ireo ianao. Asao ny ankizy hizara zavatra hafa izay fantatr’izy ireo fa nataon’i Jesoa fony Izy teto an-tany.

  • Manaova sarina masoandro eny an-tampon’ny solaitrabe mba hanehoana ny lanitra. Manaova sarina lalana maro izay mitondra any amin’ny toerana samihafa eo amin’ilay solaitrabe saingy lalana iray ihany no mitondra any an-danitra. Angataho ny ankizy mba hitady izany lalana izany ary hametraka sary irain’i Jesoa eo amin’izany. Vakio ny Môzià 3:17, ary mijoroa ho vavolombelona fa ny fanarahana an’i Jesoa Kristy no hany lalana hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Môzià 2:11–18

Rehefa manompo ny hafa aho, dia manompo an’ Andriamanitra koa.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hianatra avy amin’ny ohatra nasehon’i Benjamina mpanjaka mikasika ny fanompoana?

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sarin’i Benjamina Mpanjaka mampianatra ny vahoakany (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 74). Ampio ny ankizy hamaky ny Môzià 2:11–18 mba hahitana ny zavatra nataon’i Benjamina Mpanjaka mba hanompoana. Nahoana no nanompo ny vahoakany izy? Nahoana isika no tokony hifanompo?

  • Manorata fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe izay avy ao amin’ny Môzià 2:16–17 ka esory ny teny sasantsasany. Asao ny ankizy hitady ao anatin’ny soratra masina ireo teny banga. Angataho izy ireo hanazava ny dikan’ireo andininy ireo ho azy ireo. Asao izy ireo hizara zavatra niainana izay nahitana ny hafa nanompo azy ireo na nahitana azy ireo nanompo ny hafa. Inona no zavatra tsapan’izy ireo teo anatrehan’ireo zavatra niainana ireo?

  • Omeo taratasy lavalava ny ankizy mba hanoratana ireo fomba ahafahan’izy ireo manompo ireo olona ao amin’ny fianakaviany ary omeo harona ny ankizy tsirairay mba hametrahany an’ireo taratasy ireo. Amporisiho ny ankizy mba haka taratasy iray avy ao anatin’ilay harona isan’andro ary hanao ilay asa fanompoana ho an’ny olona iray.

Môzià 2:15–25

Tsy tokony hirehareha amin’izay fanompoana ataoko sy asa soa ataoko aho.

Eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa ny fanompoana ataontsika dia tokony ho avy amin’ny fitiavantsika ny hafa sy an’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hizara ny fomba hamaritan’izy ireo ny teny hoe mirehareha, na ampio izy ireo hitady ny dikan’izany ao anatin’ny rakibolana. Ampio izy ireo hamaky ny Môzià 2:15–24, ka hitady ireo antony tsy nireharehan’i Benjamina Mpanjaka mikasika ny fanompoany ny hafa. Nahoana isika no tokony hanompo ny hafa? Rehefa avy nizara ny heviny ny ankizy dia ampio izy ireo hahatakatra fa tokony hikatsaka ny hanompo ny hafa isika satria tiantsika izy ireo sy tiantsika Andriamanitra, fa tsy hoe mba hahazoantsika sitraka amin’ny hafa.

  • Angataho ny ankizy mba hizara toe-javatra izay ahitana olona mety mirehareha na midoka tena noho ny zavatra iray. Nahoana no ratsy ny mirehareha ao anatin’ireo toe-javatra ireo? Asao izy ireo hampiasa ny torohevitra avy ao amin’ny lahatenin’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môzià 2:15–24 mba hanampiana azy ireo amin’ny valin-teny omen’izy ireo.

Môzià 3:19

Manadio ny fahotako i Jesoa Kristy ary manampy ahy ho lasa olomasina.

Mba hahatongavantsika tahaka ny Raintsika any An-danitra dia mila zavatra bebe kokoa noho ny fanadiovana ny otantsika isika. Tsy maintsy miova ny fontsika. Araka ny nampianarin’i Benjamina Mpanjaka dia ilaintsika resena ireo filan-dratsitsika ary ilaintsika ny hahatongavantsika ho olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina olona anankiroa eny amin’ny solaitrabe. Ny iray maneho ilay “olona araka ny nofo” ary ilay hafa maneho ilay “olomasina.” (Azonao atao ny mamaritra ireo teny ireo.) Iaraho mamaky ny Môzià 3:19, ary asao ny ankizy hitady ireo fanovana izay ilain’ny olona araka ny nofo atao mba hahatongavana ho olomasina. Inona avy ireo teny na fehezan-teny hafa izay mety ilain’ny ankizy fanampiana ny manakatra azy?

  • Moa ve ny ankizy ampianarinao efa nanampy ny ray aman-drenin’izy nahandro sakafo tamin’ny alalan’ny fanarahana torolalana momba ny fandrahoana izany? Raha efa nanao izany izy ireo dia azonao atao ny manasa azy ireo mba hampiasa ny Môzià 3:19 hanamboarana torolalana arahina mba hahatongavana ho tahaka an’i Jesoa Kristy. Nahoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no “fangarony” tena manan-danja indrindra ao anatin’izany?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hampiasa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hizarana amin’ny fianakavian’izy ireo na ny naman’izy ireo ny fomba hataon’izy ireo mba hanarahana ny ohatra nasehon’i Benjamina Mpanjaka sy hanompoana ny hafa.

Manatsara ny fampianarantsika

Mahazo tombontsoa avy amin’ny famerimberenana ny ankizy. Aza matahotra ny hamerina im-betsaka ireo asa atao, indrindra miaraka amin’ireo ankizy kely. Hanampy ny ankizy hahatadidy ny zavatra ianarany ny famerimberenana.

Hamoaka printy