Avia, hanaraka Ahy
30 martsa–12 aprily. Paska: “Izy … dia hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany”


“30 martsa–12 aprily. “Paska: -Hitsangana Izy … miaraka amin’ny fanasitranana eo amin’ny elany-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“30 martsa–12 aprily. Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Kristy nitsangana tamin’ny maty niaraka tamin’ireo Apôstôliny

I Kristy sy ireo Apôstôly, nataon’i Del Parson

30 martsa–12 aprily

Paska

“Hitsangana Izy … miaraka amin’ny fanasitranana eo amin’ny elany”

Rehefa mamaky ireo soratra masina izay naroso eto sy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ianao dia hanampy anao hahafantatra izay tokony hifantohana mba hanampiana ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy mandritra ny Alahadin’ny Paska ny Fanahy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Lazao amin’ny ankizy ny momba ireo zavatra izay ataonao mba hahatsiarovana ny Mpamonjy mandritra ny Paska. Asao izy ireo hizara ny zavatra ataony.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Nefia11:27; Môsià 3:5; 15:7; Helamàna 14:16–17

Fantatr’ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa ho avy i Jesoa Kristy.

Ny fianarana izay nampianarin’ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoany teto ambonin’ny tany dia afaka mampatanjaka ny finoan’ny ankizy Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ny sarin’ny Mpamonjy natao batisa, nanasitrana ny hafa, nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, ary nitsangana tamin’ny maty (jereo ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity na ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 35, 41, 5759). Angataho ny ankizy mba hilaza aminao izay mitranga ao amin’ny sary tsirairay. Hazavao fa taona maro talohan’ny nahatongavan’i Jesoa teto an-tany dia nambaran’Andriamanitra tamin’ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa hanao ireo zavatra ireo Izy. Vakio ny 1 Nefia 11:27; Môsià 3:5; 15:7; ary Helamàna 14:16–17, ary ampio ny ankizy hampifandray ireo soratra masina amin’ny sary mifandray amin’izany.

  • Eo am-panaovan’ny ankizy ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity, dia miresaha momba ireo mpaminany eo amin’ny sary sy ny zavatra nampianarin’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Zarao amin’ny ankizy ny sasany amin’ireo zavatra tena tsara nataon’i Jesoa tamintsika.

3 Nefia 11:1–17

Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy.

Ampianaro ny ankizy fa ankoatra ireo olona tany Jerosalema izay nahita ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty dia an’arivony no nahita Azy rehefa niseho tany Amerika Izy.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ny fahafatesan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Anontanio ny ankizy izay fantany momba ireo zava-nitranga ireo. Raha ilaina dia ampiasao ny “Toko 41: Nohomboana i Jesoa” ary ny “Toko 42: Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa” (Tantaran’ny Testamenta Vaovao, 1115-120, 121–129, na ireo horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org) mba hitantarana ireo tantara ireo amin’ny ankizy.

  • Ampiasao ireo sary ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, lazao amin’ny ankizy ny momba ny Mpamonjy nitsidika an’i Amerika, araka ny voafariparitra ao amin’ny 3 Nefia 11:1–17. Avereno im-betsaka ilay tantara ary asao ny ankizy mba hanampy anao. Antitrantero ireo antsipirian-javatra izay tsapanao fa hanan-danja amin’ny ankizy. Antitrantero manokana fa na dia maty teo amin’ny hazofijaliana aza i Jesoa dia afaka mahita azy ireo ny olona satria efa nitsangana amin’ny maty Izy ankehitriny. Avelao ny ankizy hifandimby hitantara ilay tantara amin’ny tenin’izy ireo manokana.

  • Iaraho manao ny hira “Jésus est-il ressuscité” na ny andininy farany amin’ny “Dans le Livre de Mormon” (Chants pour les enfants, 45, 63). Asao ny ankizy hanao ny sarin’ireo zavatra voafariparitra ao amin’ilay hira. Dia asaivo mizara ny sary nataony ny ankizy sy ny hoe ho nanao toy ny ahoana izany hoe nanatrika teo izany rehefa nitsidika ny Nefita i Jesoa araka ny eritreritr’izy ireo.

Môsià 3:7; Almà 7:11–12

Hain’i Jesoa Kristy ny mankahery ahy.

Satria nizaka ireo “fanaintainana sy ireo aretin’ny olony” i Jesoa Kristy (Almà 7:11), dia fantany ny zavatra tsapantsika, na dia tsy fantatry ny hafa aza izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny andalana vitsivitsy voalohany amin’ny Môsià 3:7, ary asao izy ireo mba hody hanao hoe mahatsapa “fanaintainana … , hanoanana, hetaheta, ary harerahana.” Angataho ny ankizy mba hizara ireo fotoana izay nahatsapan’izy ireo ireo zavatra ireo. Dia lazao amin’ny ankizy fa io andininy io dia mamariparitra ny sasany amin’ireo zavatra izay tsapan’i Jesoa Kristy rehefa nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane Izy. Noho io dia fantany ny fomba hanampiana antsika rehefa mahatsapa ireo zavatra ireo isika.

  • Vakio mafy ny Almà 7:11, ary anontanio ny ankizy raha toa ka mahafantatra olona iray marary na ao anatin’ny fanaintainana izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia nahatsapa ny “fanaintainan[tsika] sy ny aretin[tsika]” mba hahafahany mahatakatra ny fomba hampaherezana antsika (Almà 7:12).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

2 Nefia 9:10–15; Almà 11:41–45; 40:21–23

Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia hitsangana amin’ny maty koa aho.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mamariparitra ny dikan’ny hoe fitsanganana amin’ny maty sy hoe iza no hitsangana amin’ny maty. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahita ireo fahamarinana ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hilaza aminao ny zavatra fantany momba ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana toy ny hoe Inona no atao hoe mitsangana amin’ny maty? sy Iza no hitsangana amin’ny maty? Ampio ny ankizy hahita valin-teny ao amin’ny 2 Nefia 9:10–15; Almà 11:41–45; ary Almà 40:21–23 ary hizara amin’ny iray kilasy izay hitan’izy ireo.

  • Lazao amin’ny ankizy ny momba ny olona iray fantatrao izay efa nodimandry. Angataho izy ireo mba hody hieritreritra hoe tsy mahafantatra momba ny Fitsanganana amin’ny maty ianao. Ahoana no hanampian’izy ireo anao mba hahatakatra ny dikan’izany? Amporisiho izy ireo mba hampiasa ny 2 Nefia 9:10–15; Almà 11:41–45; na Almà 40:21–23 mba hampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty. Asao ihany koa izy ireo mba hijoro ho vavolombelona momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ho ampahany amin’ny valin-tenin’izy ireo.

Sary
I Jesoa nivavaka tao amin’ny Sahan’i Getsemane

Getsemane, nataon’i Michael T. Malm

Enôsa 1:2–8; Môsià 27:8–24; Almà 13:11–12; 24:7–19

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manadio sy manova ahy.

Ny Bokin’i Môrmôna dia manome ohatra maro amin’ireo olona izay niova noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Diniho ny fomba mety ahafahan’ireo zavatra niainana ireo mamporisika ny ankizy mba hibebaka sy hitodika any amin’ny Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa lobaka fotsy madio iray sy lobaka fotsy maloto iray amin’ny ankizy. Iaraho mamaky ny Almà 13:11–12. Ahoana no nanadiovana ny olona tamin’ny fahotan’izy ireo? Inona no zavatra tsapan’izy ireo mikasika ny fahotana vokatr’izany zavatra izany? Resaho ny zavatra tsapanao rehefa mibebaka sy mahazo famelan-keloka ianao, ary zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny herin’ny Mpamonjy hanadiovana antsika amin’ny fahotana.

  • Asao ny mpianatra mba hisafidy ny iray amin’ireto olona manaraka ireto ka fantariny ny momba azy: Enôsa (jereo ny Enôsa 1:2–8), Almà Zanany (jereo ny Môsià 27:8–24), na ny Antia-Nefia-Lehia (jereo ny Almà 24:7–19). Rehefa miara-mamaky ilay tantara ianareo, dia asao ny ankizy mba hijery ny fomba niovan’io olona io na io vondron’olona io noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’ireo olona ireo?

Môsià 3:7; 15:5; Almà 7:11

Nentin’i Jesoa teo Aminy ny fahotako sy ny fanaintainako ary ny aretiko.

Ankoatra ny fizakana ny fahotantsika, dia nizaka ireo fanaintainantsika sy aretintsika ary ireo rofintsika hafa koa ny Mpamonjy mba hahafantarany ny fomba hankaherezana antsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy tsirairay mba hamaky ny iray amin’ireto andininy manaraka ireto mba hahitana izay nozakain’i Jesoa Kristy: Môsià 3:7; Môsià 15:5; na Almà 7:11. Asao izy ireo mba hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitan’izy ireo sy hieritreritra ireo fotoana nahatsapan’izy ireo ny sasany amin’ireo zavatra ireo. Araka ny Almà 7:12, nahoana i Jesoa no nizaka ireo zavatra rehetra ireo? Nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa nizaka ireo zavatra ireo ho antsika Izy?

  • Iaraho manao ny hira iray momba ny Mpamonjy, toy ny “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy,lah. 76). Asao ny ankizy hizaha ao anatin’ilay hira ireo andian-teny izay mamariparitra ny fomba hankaherezan’ny Mpamonjy antsika, sy hiresaka momba ny antony maha-manan-danja ireo andian-teny ireo ho azy ireo. Zarao ny zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy, dia asao ny ankizy hizara ny azy.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hitady olona iray izay mila fankaherezana amin’ity herinandro ity. Amporisiho izy ireo mba hizara amin’io olona io izay nianaran’izy ireo momba ny Mpamonjy izay nitondra teo Aminy ny fanaintainantsika mba hahafahany mankahery antsika.

Manatsara ny fampianarantsika

Asao mba hizara. Anontanio ny ankizy izay eritreriny sy zavatra tsapany ary zavatra niainany. Ho hitanao fa matetika izy ireo no manana hevitra tsotra nefa lalina .

Hamoaka printy