Avia, hanaraka Ahy
23–29 martsa. Enôsa–Tenin’i Môrmôna: Miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony


“23–29 martsa. Enôsa–Tenin’i Môrmôna: Miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“23–29 martsa. Enôsa–Tenin’i Môrmôna,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Enôsa fony izy ankizilahy niaraka tamin’ny rainy sy i Jakôba ary ny reniny

I Jakôba sy i Enôsa, nataon’i Scott Snow

23–29 martsa

EnôsaTenin’i Môrmôna

Miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony

Ny Enôsa, Jarôma, Ômnia, ary ny Tenin’i Môrmona dia boky fohy izay ahitana lesona sarobidy maro ho an’ny ankizy ampianarinao. Tadiavo ireo lesona ireo ary mieritrereta fomba ahafahanao manampy ny ankizy hianatra izany. Afaka manampy ihany koa ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ampio ny ankizy hahatsiaro ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ny lesona tamin’ny herinandro lasa. Moa ve izy ireo nizara ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fianakavian’izy ireo na tamin’ny hafa?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Enôsa 1:1–19

Afaka miresaka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka aho.

Mampianatra fahamarinana maro mikasika ny vavaka ny zavatra niainan’i Enôsa. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mandrisika ny ankizy hanaraka ny ohatra nasehon’i Enôsa rehefa mivavaka izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’i Enôsa anankiray; ohatra jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana , Mivavaka i Enôsa (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 72). Angataho ny ankizy mba hiresaka mikasika ny zavatra mitranga eo amin’ilay sary ary avy eo zarao amin’izy ireo ny zavatra niainan’i Enôsa. Azonao ampiasaina ny “Toko 11: Enôsa” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 30-31, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org).

  • Angataho ny ankizy mba hizara amin’ireo ray aman-dreniny ireo zavatra tian’izy ireo horesahina. Hazavao fa ny mivavaka amin’ny Ray any An-danitra no fomba ahafahan’izy ireo miresaka Aminy. Rehefa mamaky ny Enôsa 1:1–4 amin’ny ankizy ianao dia asao izy ireo mba hody hanao hoe Enôsa amin’ny alalan’ny filalaovana an-tsehatra ny fandehanana mihaza, ny fivavahana amim-pandohalihana sy ny sisa. Hazavao fa henon’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataon’i Enôsa ary navelany ny fahotany.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny vavaka toy ny hoe “La prière d’un enfant” (Chants pour les enfants, 6–7). Asao ny ankizy hanangana ny tanan’izy ireo rehefa maheno ilay teny hoe “prières” na “prie” na “priant” na teny miverina anankiray izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny herin’ny vavaka eo amin’ny fiainanao.

Sary
vavaka ataon’ny mpianakavy

Afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra isika amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika.

Tenin’i Môrmôna 1:4–8

Afaka mitahy ny hafa aho rehefa mihaino ny Fanahy Masina.

Raha teo am-panambarana ny Bokin’i Môrmôna i Môrmôna dia nisy nibitsika azy hampiditra ireo takelaka kelin’i Nefia koa. Tsy fantany ny nilana ireo takelaka kely, saingy ankehitriny dia voatahy isika satria nanaraka io bitsika io izy. Izany ohatra izany dia afaka manentana ny ankizy mba hanaraka ny Fanahy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hizara tantara izay nianaran’izy ireo avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hatreto tamin’ity taona ity (ireo sary avy amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara dia mety afaka manampy azy ireo hahatadidy izany). Hazavao fa manana ireo tantara ireo isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna satria nihaino i Môrmôna rehefa nasain’ny Fanahy Masina mba hampiditra azy ireo izy. Nahoana no tian’ny Ray any An-danitra ny hananantsika ireo tantara ireo?

  • Mizarà tantara iray avy ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana na avy amin’ny hafatra iray nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay mikasika ny olona iray nanaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina. Na mizarà zavatra iray avy amin’ireo zavatra niainanao. Asao ireo ankizy hanao sary mahakasika ilay tantara. Inona no fitahiana azon’ireo olona ao amin’ireo tantara ireo noho ny fanarahan’izy ireo ny Fanahy Masina?

  • Mangataha mpikambana iray mba hamangy ny kilasy ary hizara zavatra iray niainany izay nanarahany bitsika iray avy amin’ny Fanahy Masina. Inona no fitahiana azon’ny olona hafa noho ireo zavatra nataony? Hazavao fa tian’ny Ray any An-danitra isika mba hanampy sy hitahy ny hafa, noho izany dia nandefa ny Fanahy Masina Izy mba hitarika antsika.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Enôsa 1:1–19

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Mora ny hahatonga ireo vavaka ataontsika ho lasa fahazarana na tsy araka ny tokony ho izy. Ny zavatra niainan’i Enôsa dia mpampahatsiahy iray fa ny fahazoana ireo valin’ireo vavaka nataontsika dia indraindray mitaky “tolona” sy “tolona maro maharitra” (Enôsa 1:2, 11).

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hanakimpy ny masony ary haka sary an-tsaina hoe miresaka amim-panatrehan-tava ny Ray any An-danitra izy ireo. Inona no tian’izy ireo horesahina Aminy? Asao ny ankizy mba hieritreritra hoe miresaka amim-panatrehan-tava ny Ray any An-danitra izy ireo isaky ny mivavaka.

  • Asao ireo ankizy hiara-hiasa tsiroaroa ary hamaky ny Enôsa 1:1–5. Angataho izy ireo mba hitady ao anatin’ireo andininy ireo teny iray na fehezan-teny izay mamaritra ireo vavaka nataon’i Enôsa ary avy eo hizara ny zavatra hitan’izy ireo amin’ny iray kilasy. Inona no zavatra ambaran’ireo teny ireo mikasika an’i Enôsa sy ny zavatra niainany? Avelao ny ankizy hizara zavatra hafa izay nanaitra azy ireo mikasika ireo vavaka nataon’i Enôsa. Mizarà zavatra niainana iray ka tamin’izany fotoana izany dia “mosarena” ny fanahinao ary “nitalaho” tamin’ny Tompo ianao (Enôsa 1:4). Omeo fahafahana ny ankizy hisaintsaina zavatra iray izay azon’izy ireo atao mba hampafonja kokoa ny vavaka ataon’izy ireo.

  • Angataho ny ankizy mba hitanisa eny amin’ny solaitrabe na eo amin’ity pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity ireo zavatra sasantsasany izay entin’izy ireo amim-bavaka amin’ny ankapobeny. Asao izy ireo avy eo mba hikaroka ao anatin’ny Enôsa 1:2, 9, 13–14, sy 16 ireo zavatra izay nentin’i Enôsa amim-bavaka ary ampidiro ao amin’ilay lisitra ireo zavatra ireo. Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ireo ankizy manaraka ny ohatra nasehon’i Enôsa eo amin’ny vavaka ataon’izy ireo. Ohatra, azonao resahina ny mikasika ny fahavononan’i Enôsa hivavaka ho an’ireo Lamanita, izay fahavalony, ary asao ireo ankizy hivavaka amin’ity herinandro ity ho an’ny olona iray izay naneho haratsiam-panahy tamin’izy ireo.

Tenin’i Môrmôna 1:4–8

Afaka mitahy ny hafa aho rehefa mihaino ny Fanahy Masina.

Fantatry ny Tompo fa ho very ireo  [pejy] voalohany voadika [miisa 116] an’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny FF 10; Saints, volume 1, chapter 5). Mba hanoloana izany zavatra very izany dia notaominy tamin’ny alalan’ny Fanahy i Môrmôna mba hampiditra ireo takelaka kelin’i Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mandrisika ny ankizy hanaraka ny ohatra nasehon’i Môrmôna ary hihaino ny Fanahy?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy hifandimby hamaky ireo andininy avy ao amin’ny Tenin’i Môrmôna 1:3–8 ka andininy iray isaky ny mandeha no vakina ary ampio izy ireo avy eo hamintina ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny andininy tsirairay. Hazavao fa nanaraka ny Fanahy i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fampidirana ireo takelaka kely tao amin’ny Bokin’i Môrmôna (izay ananantsika amin’izao fotoana izao ka ny 1 Nefia hatramin’i Ômnia izany). Inona no fitahiana azontsika noho i Môrmôna nihaino ny fitarihan’ny Fanahy? Inona no mety ho zavatra niova teo amin’ny Bokin’i Môrmôna raha tsy nihaino izy? Mizarà zavatra niainana iray izay nibitsihan’ny Fanahy Masina anao mba hanao zavatra izay nitahy olona iray. Asao ireo ankizy hizara zavatra izay mety niainan’izy ireo izay mitovy amin’izany.

  • Asao ny ankizy iray hamaky ny Tenin’i Môrmôna 1:7 ary ankizy iray hafa hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba firesahan’ny Fanahy Masina amintsika? Ampio ny ankizy hitady ireo fotoana izay nahatsapan’izy ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina. Ampiasao ny Môrônia 7:12 mba hanazavana fa raha toa ka tsara ny eritreritra iray ary mamporisika antsika hanao zavatra tsara dia avy amin’ny Ray any An-danitra izany. Ohatra, hevero ny hampiseho ilay horonan-tsary “Preparation of Thomas S. Monson: Always Follow the Promptings of the Spirit” (ChurchofJesusChrist.org). Asao ny ankizy hihaino ireo bitsika manosika ny hanao ny tsara ary hanaraka azy ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hangataka ireo olona ao amin’ny fianakaviany hizara zavatra niainan’izy ireo mahakasika ny vavaka na ny Fanahy Masina.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà hira. Ireo hiran’ny kilonga sy fihirana dia afaka manampy ny ankizy amin’ny taona rehetra mba hahatakatra sy hahatsiaro ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Ny fihirana koa dia afaka mihazona ny ankizy hazoto handray anjara amin’ny fianarana iray. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy  22.)

Hamoaka printy