Avia, hanaraka Ahy
02–08 martsa. 2 Nefia 31–33: “Izany no lalana”


“02–08 martsa. 2 Nefia 31–33: -Izany no lalana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“02–08 martsa. 2 Nefia 31–33,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020:

Sary
I Jesoa mampianatra ny mpianany

I Kristy mampianatra ny mpianany, nataon’i Justin Kunz

02–08 martsa

2 Nefia 31–33

“Izany no lalana”

Atombohy amin’ny famakiana ny 2 Nefia 31–33 ny fanomananao. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy hahafantarana ny zavatra hampianarina ny ankizy. Afaka manome hevitra vitsivitsy ho anao ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Satria nampianatra mikasika ny batisan’i Kristy i Nefia, dia angataho ny ankizy mba hizara zavatra nianarany mikasika ny batisa. Afaka mizara ny eritreriny sy ny fahatsapany mikasika ny batisan’izy ireo manokana na ny batisan’ny namana na olona ao amin’ny fianakaviana koa izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

2 Nefia 31

Nampianatra ahy ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy.

Nampianatra i Nefia fa ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy ny fampianarany ihany no hany lalana mba “[hahazoana famonjena] ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (2 Nefia 31:21).

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana rehefa mamintina ny tantaran’i batisan’i Jesoa ianao (jereo ny 2 Nefia 31:4–13). Hazavao fa ny batisa dia dingana iray eo amin’ilay lalana miverina mankany amin’ny fiarahana miaina amin’ny Ray any An-danitra. Manasà olona iray izay vao vita batisa vao haingana mba hilaza amin’ny ankizy ny zavatra tsapany momba ny batisa.

  • Hazavao fa nampianatra antsika ny zavatra ilaina ataontsika i Jesoa Kristy mba hiverenana any Aminy rehefa maty isika. Manaova sarina lalana iray eo amin’ny solaitrabe ary mametraha sarin’i Kristy anankiray eny amin’ny faran’ilay lalana. Omeo sary izay mampiseho ireo singa mandrafitra ny fotopampianaran’i Kristy ny ankizy (finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany). Ampio izy ireo hametraka ireo sary eny amin’ilay lalana.

  • Ampio ny ankizy hianatra ny fanekem-pinoana fahefatra. Miaraha mihira hira iray momba ny iray amin’ireo fitsipika voalohan’ny filazantsara, toy ny “La foi,” “Le jour de mon baptême,” na “Choisir le bien” (Chants pour les enfants, 50, 53, 82-83).

2 Nefia 32:3

Afaka mivoky amin’ny tenin’i Kristy aho.

Nahoana ireo zavatra iainanao rehefa “[mivoky] amin’ny tenin’i Kristy” (2 Nefia 32:3) no afaka manampy ny ankizy hahatakatra izany andian-teny izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy hitanisa ny vitsivitsy amin’ireo sakafo tena tiany ary asao izy ireo mba hampiseho amin’ny alalan’ny fihetsika ny fomba hivokisan’izy ireo amin’izany. Vakio ny 2 Nefia 32:3, ary angataho ny ankizy mba hihaino ny zavatra nolazain’i Nefia fa tokony hivokisantsika. Inona no dikan’ny hoe mivoky amin’ny soratra masina? Hazavao fa ny soratra masina dia toerana iray izay ahafahantsika mahita ny tenin’i Kristy.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Andriamanitra sy Tompo. Asao ireo ankizy hanokatra pejy iray ao amin’ny soratra masina ary hitady ireo teny ireo. Ampio izy ireo raha ilaina izany. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mamaky ny soratra masina isika dia afaka mianatra momba an’ Andriamanitra.

2 Nefia 32:8–9

Tian’ny Ray any An-danitra hivavaka foana aho.

Ireo andininy ireo dia afaka mamporisika ny ankizy hampiditra ny vavaka ho anisan’ny zavatra atao eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy ny fotoana ivavahan’izy ireo. Amin’ny maraina ve sa amin’ny alina sa mialoha ny sakafo izy ireo no mivavaka? Ampio ny ankizy hieritreritra fihetsika mba hampisehoana ny fotoana ahafahantsika mivavaka, toy ny hoe rehefa mifoha isika sy mandeha matory ary rehefa misakafo, na amin’ny fotoana hafa koa. Vakio amin’izy ireo ny andalana iray na roa avy amin’ny 2 Nefia 32:9, ary hamafiso ilay andian-teny hoe “mivavaka mandrakariva.”

  • Anontanio ny ankizy ny fomba fivavak’izy ireo. Inona no ataon’izy ireo amin’ny lohan’izy ireo sy ny tanan’izy ireo sy ny sisa? Inona avy ireo karazan-javatra lazain’izy ireo? Angataho izy ireo haka sary an-tsaina hoe tsy mahay mivavaka ianao ary avelao izy ireo hampianatra anao. Nahoana isika no tian’ny Ray any An-danitra hivavaka?

Sary
ankizivavy iray mivavaka

Afaka miresaka amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

2 Nefia 31

Nampianatra ahy ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy.

Afaka miverina any amin’ Andriamanitra isika aorian’ity fiainana ity amin’ny alalan’ny fanarahana ny fotopampianarana nampianarin’i Jesoa Kristy: Finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary angataho ny ankizy hizara zavatra izay fantatr’izy ireo mikasika ny batisan’i Jesoa (jereo ny Matio 3:13–17). Apetraho eny amin’ny solaitrabe tsy araka ny tena filaharany ireto teny manaraka ireto: I Jesoa dia nijoro ho vavolombelona tamin’ny Ray fa hankatò Azy. Asao ny ankizy mba hiaraka hamaky ny 2 Nefia 31:7 ary handahatra ireo teny araka ny tena filaharany.

  • Anontanio ny ankizy izay holazainy amin’ny olona iray izay miomana ny hatao batisa ary ampio izy ireo hanambatra ny hevitr’izy ireo ao anatin’ny karatra tsotra izay azon’izy ireo omena olona iray. Ahoana no fomba ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa rehefa vita batisa isika?

  • Hazavao fa ny fotopampianaran’i Kristy dia ahitana ireo zavatra izay nampianaran’i Jesoa Kristy fa ilaintsika atao mba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra. Soraty eo amin’ny taratasy tsirairay miavaka tsara ny hoe finoana an’i Kristy, fibebahana, batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary faharetana hatramin’ny farany, dia aparitaho manerana ny efitrano izany. Vakio amin’ny ankizy ny 2 Nefia 31:11–19, ary asao ny ankizy hifandimby hitsambikina eny amin’ireo taratasy rehefa maheno fa voatonona ireo fitsipika ireo. Ampio koa izy ireo mba hieritreritra zavatra niainana iray izay mifandray amin’ny fitsipika tsirairay.

2 Nefia 32:3–5

Afaka mivoky amin’ny tenin’i Kristy aho.

Nahoana ny ankizy no mila mahatakatra ny maha-zava-dehibe ny mivoky amin’ny tenin’i Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy haka sary an-tsaina fanasam-be iray. Inona no sakafo tian’izy ireo ho hita ao? Inona no hohanin’izy ireo? Asao izy ireo avy eo haka sary an-tsaina ny mety ho dikan’ny hoe mivoky amin’ny soratra masina rehefa mamaky ny 2 Nefia 32:3 ianao. Nahoana i Nefia no mampiasa ny teny hoe mivoky mba hampianarana antsika ny fomba tokony handalinantsika ny tenin’ Andriamanitra? Nahoana izy no tsy niteny fotsiny hoe mamaky? Inona no dikan’ny hoe mivoky amin’ny soratra masina? Zarao amin’ny ankizy ireo fitahiana voarainao rehefa nivoky tamin’ny soratra masina ianao.

  • Fenoy miaraka amin’ny ankizy ilay pejin’ny asa atao ary asao izy ireo hametraka tanjona mba hanao zavatra iray farafahakeliny mba hivokisana ny soratra masina amin’ity herinandro ity.

2 Nefia 32:8–9

Tian’ny Ray any An-danitra hivavaka foana aho.

Maka fanahy antsika mba tsy hivavaka ny fahavalo. Diniho ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hanohitra izany fakam-panahy izany ary “[h]ivavaka mandrakariva” (2 Nefia 32:9).

Asa atao azo tanterahina

  • Mifidiana andian-teny iray mikasika ny vavaka avy ao amin’ny 2 Nefia 32:8–9, dia soraty eny amin’ny solaitrabe izany ary sarony amin’ny tapa-taratasy iray ny teny tsirairay. Asao ny ankizy mba hifandimby hanala taratasy iray isaky ny mandeha mandra-pahafantatr’izy ireo an’ilay andian-teny.

  • Iaraho mamaky ny 2 Nefia 32:8–9 ary angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra nianarany momba ny vavaka avy amin’ireo andininy ireo. Inona no dikan’ny hoe “mivavaka mandrakariva”? (andininy 9). Ahoana no ahafahantsika manao izany?

  • Inona no mety mahatonga ny olona iray tsy te hivavaka? Mizarà toe-javatra niainana iray izay nahitana anao nivavaka na dia tsy te hanao izany aza ianao. Inona no tsapanao taorian’izany? Asao ny ankizy iray hamaky ny ampahany faharoa ao amin’ny 2 Nefia 32:8, ary omeo fotoana ny ankizy hisaintsainana izany. Nahoana isika no tsy tian’i Satana hivavaka? Ahoana no ahafahantsika mampahatsiahy ny tenantsika mba hivavaka na dia tsy te hanao izany aza isika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hitady olona iray, namana iray, na iray tampo iray na olona iray hafa ao amin’ny fianakaviana, izay azon’izy ireo ampianarina mivavaka.

Manatsara ny fampianarantsika

Mavitrika ny ankizy. Asao ny ankizy mba hampiseho amin’ny alalan’ny fihetsika ireo tantara ao amin’ny soratra masina sy ireo hira. Ampiasao ilay toetran’izy ireo mavitrika mba hanatsarana ny fianarana. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26

Hamoaka printy